Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mesilemota

Mesilemota

(Mesilemòta) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mihavana; manonitra; mamaly izay natao”].

1. Efraimita rain’i Berekia, izay anisan’ireo lohany teo amin’ny Efraimita. Izy ireo no nandresy lahatra ny Israelita mba hanafaka ny Jodianina nobaboiny tany an’ady, tamin’ny andron’i Peka Mpanjaka.​—2Ta 28:6-8, 12-15.

2. Mpisorona taranak’i Imera, ary razamben’ny mpisorona sasany nonina tao Jerosalema, taorian’ny sesitany tany Babylona. (Ne 11:10, 13, 14) Izy ihany angamba ilay Mesilemita resahin’ny 1 Tantara 9:12.