Mesolama
(Mesolàma) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mihavana; manonitra; mamaly izay natao”].
1. Lohan’ny fianakaviambe teo amin’ny fokon’i Benjamina. Nonina tao Jerosalema io zanakalahin’i Elpala io.—1Ta 8:1, 17, 18, 28.
2. Gadita nonina tany Basana, ary voasoratra tao amin’ny tetirazana hoe zanakalahin’i Abihaila tamin’ny andron’i Jotama sy Jeroboama II Mpanjaka (tsy nitovy ny fotoana nanjakan’izy ireo ka toa fisoratana anarana roa samy hafa ireo).—1Ta 5:11, 13, 14, 16, 17.
3. Raibe na razamben’i Safana mpitan-tsoratr’i Josia Mpanjaka.—2Mp 22:3.
4. Ray na razamben’i Hilkia Mpisoronabe tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka. (1Ta 9:11; Ne 11:11) Mety ho mpisoronabe koa i Mesolama. Nisy nonina tany Jerosalema ny taranany taorian’ny sesitany tany Babylona. Toa izy ihany ilay Saloma resahin’ny 1 Tantara 6:12, 13 sy Ezra 7:2.—Jereo SALOMA No. 7.
5. Levita Kehatita anisan’ny nasain’i Josia Mpanjaka niandraikitra ny fanamboarana ny simba tamin’ny tempoly.—2Ta 34:1, 8, 12.
6. Mpisorona. Nonina tao Jerosalema ny taranany (hatramin’ny zafiafiny, ary angamba koa ny taranany taorian’izay) taorian’ny sesitany tany Babylona.—1Ta 9:2, 3, 10, 12.
7. Benjamita niteraka an’i Salo, izay lohan’ny fianakaviambe tao Jerosalema taorian’ny sesitany tany Babylona. (1Ta 9:3, 7, 9) Azo inoana fa izy ihany ilay Mesolama resahin’ny Nehemia 11:7.
8. Benjamita lohan’ny fianakaviambe nonina tao Jerosalema taorian’ny sesitany.—1Ta 9:3, 7-9.
9. Iray amin’ny zanakalahin’i Zerobabela Governora, ary ny anarany no voatonona voalohany. Taranak’i Davida Mpanjaka izy.—1Ta 3:1, 19.
10. Mpisorona lohan’ny fianakaviamben-dry Ezra tamin’ny andron’i Joiakima, mpandimby an’i Jesoa. (Ne 12:12, 13) Mety ho izy ihany ilay No. 18 na 19.
11. Mpisorona lohan’ny fianakaviambe avy tamin’i Ginetona, fony i Joiakima no mpisoronabe. (Ne 12:12, 16) Mety ho izy ihany ilay No. 18 na 19.
12. Mpiandry vavahady tamin’ny andron’i Joiakima sy Ezra ary Nehemia.—Ne 12:25, 26.
13. Lohandohany teo amin’ireo nivory teo amoron’ny reniranon’i Ahava, mba hiaraka tamin’i Ezra ho any Jerosalema (468 T.K.). Anisan’ny nirahin’i Ezra hanangona Levita sy Netinima maromaro hiaraka aminy izy. (Ezr 8:15-20) Mety ho izy ihany ilay No. 16, 17, 20, na 21.
14. Anisan’ny Levita mety ho tsy nanaiky ny handroahana ny vehivavy hafa firenena nalain’ny Israelita ho vady, rehefa niverina tao Jerosalema i Ezra. Mety ho ny fomba hanatanterahana an’ilay izy fotsiny anefa no tsy nekeny.—Ezr 10:10-15, JM.
15. “Taranak’i” Bany. Nanaiky ny anatr’i Ezra izy ka nandroaka ny vadiny hafa firenena sy ny zanany.—Ezr 10:29, 44.
16. Zanakalahin’i Berekia, ary nasain’i Nehemia Governora nanamboatra ampahany roa tamin’ny mandan’i Jerosalema. (Ne 3:4, 30) Nomeny ho vadin’i Johanana zanak’i Tobia Amonita koa ny zanany vavy, ka nampisara-bazana an’ireo Israelita nody an-tanindrazana izany.—Ne 6:17-19; 4:3; jereo No. 13.
17. Zanakalahin’i Besodia, ary anisan’ny nanao ny Vavahadin’ilay Tanàna Taloha tamin’ilay manda nasain’i Nehemia namboarina.—Ne 3:6; jereo No. 13.
18. Anisan’ireo nijoro teo ankavian’i Ezra tamin’izy namaky ny Lalàna tamin’ny vahoaka tafavory (volana fahafito, taona 455 T.K.). Mpisorona angamba izy.—Ne 8:2, 4; jereo No. 10 sy 11.
19. Mpisorona (na razamben’ny mpisorona iray) nanaiky ny soso-kevitry ny Levita hoe hanao fifanekena fa tsy hivadika amin’i Jehovah.—Ne 9:5, 38; 10:1, 7, 8; jereo No. 10 sy 11.
20. Lohandohany teo amin’ny vahoaka. Nanisy tombo-kase an’ilay fianianana izy na ny taranany.—Ne 10:1, 14, 20; jereo No. 13.
21. Anisan’ireo nanao ilay filaharam-be nalamin’i Nehemia, rehefa notokanana ny mandan’i Jerosalema.—Ne 12:31, 33; jereo No. 13.