Metosela
(Metosèla) [mety hidika hoe Lehilahin’ny Zana-tsipìka].
Zanakalahin’i Enoka mpaminany tsy nivadika, ary rain’i Lameka sy raiben’i Noa. (Ge 5:21-29; 1Ta 1:1-4; Jd 14, 15) Taranak’i Adama avy amin’i Seta i Metosela, ary taranak’olombelona faha-8 nanomboka tamin’i Adama. (Lk 3:37, 38) Nahatratra 969 taona izy, ka izy no olona ela velona indrindra resahin’ny Baiboly. Lasa anisan’ny fitenenana fampiasan’ny olona àry ny anarany rehefa miresaka olona ela velona. Maty izy tamin’ny 2370 T.K., taona nisian’ny Safodrano. Tsy milaza ny Soratra Masina hoe maty noringanin’Andriamanitra tamin’ny Safodrano izy, fa hoe “maty” fotsiny.—Ge 5:27; jereo ANDROM-PIAINANA.