Miaramila
Olona ao amin’ny tafika. Sokajina arakaraka ny andraikiny matetika ny miaramila ao amin’ny Soratra Hebreo: Mpitaingin-tsoavaly (Ek 14:9), mpihazakazaka (1Sa 22:17), mpampiasa pilotra (2Mp 3:25), lehilahy nitana lefona sy ampinga (2Ta 25:5), mpandefa zana-tsipìka (2Ta 35:23; Jb 16:13), na mpandefa tsipìka ( Is 21:17). Stratiôtes ny teny grika nadika hoe “miaramila.”—Jereo TAFIKA.
Maro ny miaramila tany Jodia tamin’izy io nofehezin’i Roma. Nifehy miaramila maro, ohatra, ny manamboninahitra iray tao Kapernaomy matoa nilaza hoe: “Manana miaramila eo ambany fahefako [aho].” (Mt 8:5-9) Nitoby tao amin’ny Tilikambon’i Antonia tao Jerosalema ny miaramila romanina nanara-maso ny Jiosy. Namonjy an’i Paoly ilay mpitari-tafika tao rehefa norotahin’ny vahoaka izy tamin’izy nitsidika farany an’i Jerosalema, sy rehefa saika nifandroritan’ny Fariseo sy Sadoseo ny ampitso. (As 21:30-35; 22:23, 24; 23:10) Nanendry mpitaingin-tsoavaly 70, miaramila 200, ary mpitan-defona 200 izy io hanatitra an’i Paoly hatrany Antipatria, rehefa reny hoe nisy nitady hamono i Paoly. Niaraka tamin’i Paoly hatrany Kaisaria kosa ny mpitaingin-tsoavaly.—As 23:12-33.
Miaramila jiosy. Nisy miaramila jiosy tamin’ireo nanontany an’i Jaona Mpanao Batisa hoe: “Inona no tokony hataonay?” Nanara-maso an’izay nitranga angamba no andraikitr’izy ireo, indrindra fa rehefa nisy fombafomba natao na famorian-ketra.—Lk 3:12-14.
Rehefa novonoina sy nalevina i Jesosy. Miaramila romanina no namono an’i Jesosy ho faty, noho izy nampangaina teo anatrehan’ny governora romanina hoe nikomy tamin’i Roma. Nalan’izy ireo baraka izy, nesoiny, nororany, nokapohiny, ary avy eo nofantsihany tamin’ny hazo fijaliana. (Mt 27:27-36; Jn 18:3, 12; 19:32-34) Nifampizaran’izy ireo ny akanjony ivelany, ary nanaovany antsapaka ny akanjony anatiny. Toa efatra ireo miaramila voatendry hamantsika an’i Jesosy. (Jn 19:23, 24) Nahita ny zava-nitranga sy ny fomba nahafatesan’i Jesosy ilay manamboninahitra niandraikitra ny famonoana azy, ka niteny hoe: “Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io.” (Mr 15:33-39) Miaramila romanina koa, fa tsy Jiosy mpiambina tempoly, no niambina ny fasan’i Jesosy (Mt 27:62-66), matoa nangataka mpiambina tamin’i Pilato ny Jiosy, ary nilaza ireo lehiben’ny mpisorona fa ny tenan’izy ireo no handeha handamin-dresaka any amin’ny governora, raha ren’izy io hoe nanjavona ny fatin’i Jesosy.—Mt 28:14.
Kristianina voalohany hafa firenena. Nirahin’ny manamboninahitra romanina iray ny mpiasa roa tao an-tranony sy ny “miaramila mpivavaka be iray” mba haka ny apostoly Petera ho any Kaisaria, telo taona sy tapany teo ho eo taorian’izay. Nilatsahan’ny fanahy masina i Kornelio sy ny ankohonany, anisan’izany ilay “miaramila mpivavaka be”, rehefa nitory tamin’izy ireo i Petera. Ireo no hafa firenena voalohany lasa Kristianina.—As 10:1, 7, 44-48.
Rehefa nafahana i Petera. Nosamborin’i Heroda Agripa I sy nataony am-ponja i Petera, ka nambenan’ny antoko-miaramila efatra nifandimby, izay nisy miaramila efatra avy. Ny roa niambina ny varavaran’ny fonja, ary ny roa niara-nafatotra tamin’i Petera, teo amin’ny andaniny roa. Niseho tamin’i Petera anefa ny anjely iray ny alin’iny, ka novahany ny rojo vy teny aminy ary navoakany avy tao am-ponja izy. Nisomaritaka àry ireo miaramila. Nofotopotoran’i Heroda ireo mpiambina ary nasainy “nentina hosazina”, angamba hovonoina ho faty araka ny fanaon’ny Romanina.—As 12:4-10, 18, 19.
Tsara fanahy tamin’i Paoly. I Jolio, manamboninahitra avy amin’ny andia-miaramilan’i Aogosto, no niandraikitra an’ireo miaramila nitondra an’i Paoly nandeha sambo nankany Roma, noho i Paoly nangataka ny hotsarain’i Kaisara. Tsara fanahy taminy i Jolio, ka namela azy ho any amin’ny namany sy hokarakarain’ireo. Tsy nino izy aloha hoe notarihin’Andriamanitra i Paoly, ka ny tenin’ny mpitondra sambo sy ny tompon-tsambo no nohenoiny. Lasa nihaino an’i Paoly anefa izy sy ny miaramilany, rehefa avy natsipitsipin’ny tafio-drivotra nandritra ny andro maro ilay sambo, sy rehefa nilaza i Paoly fa tsy hisy ho faty ireo tao an-tsambo, araka ny fahitana azony. Te hiaro an’i Paoly i Jolio, ka tsy nisy navelany hovonoin’ny miaramila ny voafonja, rehefa rendrika teny akaikin’i Malta ilay sambo. (As 27:1, 3, 9-11, 20-26, 30, 31, 39-44) Navela hipetraka tao amin’ny trano nohofany i Paoly tany Roma, niaraka tamin’ilay miaramila niambina azy.—As 28:16, 30.
Heviny an’ohatra. Hoy i Paoly tamin’izy nanamafy tamin’ny Korintianina fa apostoly ny tenany: “Aiza no hisy miaramila mianto-tena?” (1Ko 9:7) Te hilaza izy eo fa zony ny nangataka fanampiana tamin’izy ireo noho izy miaramilan’i Kristy Tompo, na dia tsy nitaky an’izany aza izy. Nihevitra an’ireo mpitory ny vaovao tsara niara-niasa taminy ho miaramilan’i Kristy koa i Paoly, ka niantso azy ireo hoe “miaramila toa ahy.”—Fi 2:25; Flm 2.
Hoy i Paoly tamin’i Timoty izay nanankinany andraikitra mavesatra: “Miaramila tsaran’i Kristy Jesosy ianao, ka miareta koa fahoriana. Tsy misy 2Ti 2:3, 4) Manampo zava-tsarotra ny miaramila, ary fantany fa tokony ho vonona foana izy hanao ny adidiny sy hiaritra ny mafy. Tsy izay hampiadana ny tenany na izay mahafinaritra azy no tadiaviny, rehefa fotoanan’ny ady. Atokany hanatanterahana ny baikon’ny lehibeny ny fotoanany sy heriny. Afoiny koa ny fambolena sy ny raharaham-barotra ary ny asa hafa tiany. Tsy manao zavatra hafa mety hanelingelina ny sainy sy handreraka azy izy, fa ilay ady ataony no tena ifantohany. Raha tsy izany, dia mety hafoiny ny ainy sy ny ain’ny miaramila namany ary ny an’ny mpiray firenena aminy. Misy mpahay tantara milaza fa tsy nahazo nanao raharaham-barotra na niandraikitra sy nikarakara fananan’olona ny miaramila romanina, sao tsy nifantoka tamin’ny adidiny. Na ny Lalàn’i Mosesy aza tsy namela ny lehilahy iray hanao miaramila raha vao nampaka-bady izy, na mbola tsy notokanany ny tranony, na mbola tsy nosantariny ny vokatry ny tanimboalobony. Tsy nahazo nanao miaramila koa izay olona saro-tahotra, satria tsy ho miaramila fakan-tahaka sady ho nanakivy ny namany. (De 20:5-8) Tonga dia azon’ny Kristianina jiosy sy hafa firenena àry ilay fanoharan’i Paoly.
olona manao raharaha miaramila ka miditra amin’ny raharaham-barotr’izao fiainana izao, raha tiany ny hahazo sitraka amin’ilay nandray azy ho miaramila.” (Tsy miady amin’ny nofo aman-dra, fa “amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra”, ny miaramila kristianina, hoy i Paoly tamin’ny Efesianina. Tsy avy amin’ity tontolo ity àry ny fiadiana fiarovana ilain’izy ireo, fa avy amin’i Jehovah Andriamanitra, izay manampy azy ireo handresy eo ambany fitarihan’ilay Mpitari-tafiny, dia i Jesosy Kristy.—Ef 6:11-17.