Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miasa Tany

Miasa Tany

Ny sarina angadinomby taloha nampiasain’ireo firenena nanodidina an’i Israely sy ny Arabo tatỳ aoriana, no nahalalana hoe mety ho hoatran’ny ahoana ny angadinombin’ny tantsaha hebreo fahiny. Mety ho hazo marani-doha fotsiny (metaly angamba ny tendrony) no nafatotra tamin’ny vatan-kazo, ary iny no notaritin’ny biby iray na maromaro. Toa nanisy soritra tamin’ny tany fotsiny ilay izy, fa tsy namadi-bainga. Mety ho nampiasa angadinomby arifomba kokoa anefa ny Israely, satria mbola tsy nisy nahita hoe hoatran’ny ahoana ny azy.

Nodanihin’ny masoandro ny tany rehefa vanin-taona mafana, ka lasa mafy. Niandry ny oram-pararano sy oran-dririnina nandena ny tany àry ny olona vao niasa tany sy namafy voa. Tsy nahasakana an’ireo tantsaha nazoto niasa ny andro nangatsiaka na niovaova, na ny rahona mitatao. Nohararaotin’ny kamo mba tsy hiasana kosa ny toetrandro ratsy. Tsy tokony hiantra azy àry ny manodidina raha tsy nanana vokatra hojinjaina izy. (Oh 20:4; Mpto 11:4) Tsy maintsy notandremana foana anefa ny Sabata, na dia tamin’ny fotoana fiasana tany aza.​—Ek 34:21.

Tsy azo nampiraisina zioga hiasa tany ny omby sy ny ampondra, satria tsy nitovy tanjaka sy hafainganam-pandeha. (De 22:10) Omby roa matetika no nampiarahina. (Lk 14:19; Jb 1:14) Mety ho nifanao aloha sy aoriana ny olona maromaro niasa tany niaraka tamin’ny omby roa avy, ka nanao soritr’asa nifanitsy. I Elisa mpaminany, ohatra, no teo amin’ireo omby faha-12 farany, ka tsy nisy voahelingelina na dia nijanona aza izy. Lasa nandeha izy, ary ny angadinombiny no nataony kitay handrahoana an’ireo omby natao sorona. (1Mp 19:21) Olona iray dia nahavita namafy faritra niasan’ny olona maromaro, hoy i W. Thomson.​—Ilay Tany sy Ilay Boky, nohavaozin’i J. Grande, 1910, p. 121.

Heviny an’ohatra. Noresahina tao amin’ny fanoharana matetika ny asa tany satria fantatr’olona tsara. Nilaza tamin’ny Filistinina nanaovany ankamantatra i Samsona, fa ‘ny ombivavikeliny no nampiasain’izy ireo hiasa ny tany.’ Ny vadiny izay tokony hiandany aminy mantsy no nampiasain’izy ireo hisikotra ny valin’ilay izy. (Mpts 14:15-18) Tsy hahita vokatra mihitsy izay miasa tany eny ambony harambato. Tsy tokony hanantena ny hahomby koa ny mpitondra tany Israely, satria namadika ny rariny sy nanao ny tsy marina izy ireo. (Am 6:12, 13) Toa ilazana ny asa mafy na asa an-terivozona nampanaovin’ny firenen-kafa an’ny Joda ny asa tany (mafy kokoa amin’ny vantotr’ombivavy noho ny asa eny am-pamoloana) resahin’ny Hosea 10:11, noho izy io nivadi-pinoana. Nila niova àry ny Israely sy Joda. Nila nanomana sy nanalefaka ary nanadio ny fony izy ireo (ampit. Lk 8:5-15), toy ny hoe niasa tany sy nanaisotra tsilo. Tsy ho lany hanaovan-dratsy fotsiny amin’izay ny ezaka sy asa mafy ataon’izy ireo. Tsy hijinja zava-dratsy àry izy ireo, fa hahazo ny fitahian’Andriamanitra kosa.​—Je 4:3, 4; Ho 10:12, 13.

Mirindra sy misy zava-kendrena ary voalanjalanja ny fomba fiasan’ny tantsaha, izay mamaky sy manapotika bainga, mamafy voa, ary miasa eny am-pamoloana. Toy izany koa ny fomba fiasan’i Jehovah, “izay manana fikasana mahagaga, sady mahatontosa soa aman-tsara an’izay ataony.” (Is 28:23-29) Fanomanana ny tany hamafazam-boa fotsiny ny famakiana sy famotehana bainga. Tsy hanarin’i Jehovah na hosaziny mandrakizay koa ny mpanompony. Anariny kosa izy ireo mba hihamalefaka ny fony, ary ho mora mandray torohevitra sy tari-dalana izy ireo ka hahazo fitahiana. (Ampit. He 12:4-11.) Arakaraka ny hamafin’ny tany no iasana azy, ary arakaraka ny voa ambolena ny hamafy sy havesatry ny fitaovana ampiasaina eny am-pamoloana. Arakaraka ny toe-javatra na izay ilain’ny mpanompony koa no anadiovan’Andriamanitra azy ireo amin’izay rehetra mety handoto azy. Hendry tokoa Izy!​—Ampit. Is 21:10; 1:25.

Rava sy aolo tanteraka izay tanàna ‘nasaina toy ny saha.’ (Je 26:18; Mi 3:12) Nilaza ny Israely fa ‘nataon’ny mpiasa tany toy ny tany asaina ny lamosiny, ary nohalavain’izy ireo ny vava asa nataony.’ Resin’ireo fahavalony lozabe mantsy ny Israely ary nampijaliny foana. Natao “toy ny tany ... ho an’ireo miampita” tokoa ny lamosiny. (Sl 129:1-3; Is 51:23; ampit. Sl 66:12.) Naminany i Amosa fa hitahy i Jehovah, ka hamokatra be ny tanin’ny Israelita nody avy any an-tsesitany. Mbola tsy ho vita akory ny fijinjana, dia hanomboka indray ny asa tany.​—Am 9:13-15; ampit. Le 26:5.

Tokony horaisin’ny mpianatr’i Jesosy ny sakafo sy rano ary filasiana omen’ireo olona ampiany, satria “mendrika hahazo ny karamany ny mpiasa.” Manan-jo hahazo fanampiana koa, hoy ny apostoly Paoly, ny Kristianina mikely aina amin’ny fanompoana, tsy misy hafa amin’ny mpiasa tany manantena hahazo vokatra ho valin-kasasarany. Tsy voatery nanana asa fivelomana àry i Paoly, ary zony izany. Naleony anefa nampandefitra ny zony, mba ho afaka hanolotra ‘ny vaovao tsara maimaim-poana’ amin’ireo nampiany.​—Lk 10:7; 1Ko 9:3-10, 15, 17, 18.

Nasongadin’ilay fanoharan’i Jesosy Kristy momba ny olona mampiasa angadinomby fa ilaina ny manara-dia azy amin’ny fo manontolo. Hoy izy tamin’ilay olona nilaza fa te ho mpianany, nefa nangataka ny hanao veloma ny tao an-tranony aloha: “Tsy misy olona mitana angadinomby ary mitodika any aoriana, ka mendrika ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lk 9:61, 62) Tsy hahitsy ny soritra ataon’ny olona mitana angadinomby, raha manaiky hohelingelenina amin’ny asany izy. Tsy ho mendrika ny Fanjakan’Andriamanitra koa ny mpianatr’i Kristy, raha manaiky hohelingelenin-javatra hafa fa tsy mifantoka amin’ny andraikiny. Mbola zava-dehibe noho ny fatoram-pianakaviana mihitsy aza ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, araka ny modely nomen’ny Zanak’Andriamanitra.​—Mr 3:31-35; 10:29, 30.