Mibara
(Mibàra) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mifidy”].
Zanak’i Hagry sady lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida. (1Ta 11:26, 38) Andininy mifanitsy amin’ny 1 Tantara 11:38 ny 2 Samoela 23:36. Misy milaza hoe tsy mitovy ny lisitra ao amin’ireo, satria Mibara no resahin’ny 1 Tantara, fa Bany Gadita kosa no ao amin’ny 2 Samoela. Ny antony, hoy izy ireo, dia satria nisy niova kely ilay teny hebreo midika hoe “avy any Zoba” ka lasa hoe Mibara. Ny nahatonga ilay hoe zanak’i Hagry ao amin’ny 1 Tantara 11:38 koa, hoy izy ireo, dia satria nanjary novakina hoe ben-hagri (zanak’i Hagry) ny hoe bani haggadi (Bany Gadita). Mbola iadian-kevitra anefa izany.