Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifosa, Manendrikendrika

Mifosa, Manendrikendrika

Lazaina hoe mifosa izay miresadresaka momba ny hafa, na manely tsaho. Manendrikendrika kosa izay te hanaratsy ka manoso-potaka, na am-bava izany na an-tsoratra.

Tsy voatery ho ratsy ny miresaka olona. Mety ho resaka natao hiderana olona iray na maromaro mihitsy aza izany indraindray. Mety tsy hanan-kevi-dratsy koa ilay miresaka fa mitantara zava-misy fotsiny, noho ny fiahiana ny hafa. Mety hivadika mora foana anefa ilay resaka ka ho lasa fifosana na resaka mandrava fihavanana. Mampitandrina ny Soratra Masina fa sarotra folahina ny lela, sady “feno ny tsy fahamarinana rehetra, satria manisy pentimpentina ny vatana manontolo sy mandrehitra ny fizotran’ny fiainana manontolo.” Tena mampidi-doza ny lela satria voalaza koa fa “arehitry ny Gehena” izy io. (Jk 3:6) Imbetsaka ny Soratra Masina no mampitandrina fa mampidi-doza ny tsy mifehy vava. Lazainy, ohatra, fa ny adala sy ny tsisy saina no manao izany (Oh 15:2), ary fandrika izany ka mety hanimba tena ilay miteny. (Oh 13:3; 18:7) “Ny teny maro tsy ilaozan’ota”, hoy ny ohabolana, fa malina kosa ny olona mahafehy ny vavany. (Oh 10:19) Voalaza koa fa “miaro ny tenany tsy hahita fahoriana ny olona mitandrina ny teny aloaky ny vavany.” Izany dia fampitandremana mba tsy handefalefa teny tsy voahevitra, sy hitandrina ny teny aloaky ny vava.​—Oh 21:23.

Hoy i Jesosy Kristy: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Mt 12:34) Ny zavatra ataon’ny olona ambentin-dresaka àry no ahalalana izay iraiketan’ny fony. Mampirisika antsika ny Soratra Masina mba hiaro ny fontsika, ary hieritreritra sy hiresaka zavatra marina, zava-dehibe, mahitsy, madio, mahatehotia, tsara laza, misy hatsarana, ary mendri-piderana. (Oh 4:23; Fi 4:8) “Izay mivoaka avy amin’ny vavany no mandoto” ny olona, hoy i Jesosy Kristy. Nilaza koa izy fa anisan’ny zavatra mivoaka avy amin’ny vava, nefa avy ao am-po raha ny marina, ny “eritreri-dratsy” sy ny “fijoroana ho vavolombelona mandainga.”​—Mt 15:11, 19.

Mety hanjary hanendrikendrika ny olona rehefa mifosa, ka ho ratsy ny vokany. Tena marina mihitsy ilay hoe: “Ny molotry ny adala kosa hitera-pahavoazana ho an’ny tenany. Hadalana no anombohany ny teniny, ary hadalana mampidi-doza koa no amaranany azy. Be resaka loatra ny olona adala.”​—Mpto 10:12-14.

Resadresaka momba izay ataon’ny hafa sy ny fiainany no atao hoe fifosana. Marina fa mety tsy ho fantatr’ilay olona na marina na diso ny zavatra lazainy, nefa tompon’andraikitra foana izy raha manaparitaka izany ka lasa mpanely tsaho. Mety hiresaka momba ny fahadisoan’olon-kafa ilay mifosa. Na marina aza izay lazainy, dia tsy mety ny ataony sady hita hoe tsy manam-pitiavana izy. Hoy ny ohabolana: “Izay manarona fahadisoana dia mitady fitiavana, fa izay mbola miresaka momba ny raharaha efa nivalona kosa mampisaraka ny tena mpinamana.”​—Oh 17:9.

Tsy nanan-tokantrano hokarakaraina ny mpitondratena tanora sasany sady tsy variana tamin’ny fanompoana ny hafa koa izy ireny. Hoy i Paoly momba azy ireny tamin’i Timoty mpiandraikitra kristianina: “Tsy manao na inona na inona koa izy ireny, ka mitety tranon’olona, eny, tsy vitan’ny hoe tsy manao na inona na inona, fa mpifosafosa sy mitsabaka amin’ny fiainan’ny olona koa, ka miresaka zavatra tsy tokony horesahiny.” (1Ti 5:13) Tsy mety amin’ny Kristianina izany. Nilaza i Paoly fa nisy Kristianina “tsy laitra fehezina” tany Tesalonika, ‘ka tsy niasa mihitsy fa nitsofotsofoka tamin’ny raharaha tsy nahakasika azy.’ (2Te 3:11) Notanisain’ny apostoly Petera niaraka tamin’ny mpamono olona sy ny mpangalatra ary ny mpanao ratsy ireo “mpitsabaka amin’ny raharahan’olona.”​—1Pe 4:15.

Ahoana kosa raha misy manao ratsy ka lasa afa-baraka ny fiangonana? Tsy diso izay mitatitra izany any amin’ireo natao hiandraikitra sy hanitsy ny tsy mety. Tsy mifosa na manendrikendrika izay mitatitra izany. Misy tantara ao amin’ny Baiboly manamarina izany. Niady sy nanindrahindra olona, ohatra, ny Kristianina tao Korinto ka lasa nitsitokotoko ary tsy niray hina. Nahalala izany ny olona sasany tao amin’ny ankohonan’ny Kristianina atao hoe Kloa, ary nanahy sao hisy vokany tamin’ny fiangonana izany. Nilaza izany tamin’i Paoly izy ireo ka nanao zavatra avy hatrany i Paoly, na dia tsy teo an-toerana aza. Nanoratra avy tany Efesosy izy mba hanitsiana izany.​—1Ko 1:11.

Miresaka olona sa mifosa sa manendrikendrika?

Tsy hoe rehefa miresaka olona dia mifosa foana, ary tsy ratsy foana ny miresaka olona. Mety hanjary hanendrikendrika anefa ny olona raha mifosa, ary ratsy foana ny manendrikendrika. Sady mandratra fo izy io no mampiady. Marina fa mety tsy ho ratsy saina ny olona manendrikendrika, nefa tsy tian’Andriamanitra izany ataony izany. Anisan’ny zavatra halan’Andriamanitra mantsy ny “mampisy fifandirana eo amin’ny samy mpirahalahy.” (Oh 6:16-19) Diabôlôs no teny grika midika hoe “mpanendrikendrika” na “mpiampanga”, ary io no iantsoan’ny Baiboly an’i Satana “Devoly”, ilay mpanendrikendrika an’Andriamanitra. (Jn 8:44; Ap 12:9, 10; Ge 3:2-5) I Satana àry no voalohany niampanga sy nanala baraka an’Andriamanitra.

Manafintohina ny endrikendrika sady mampihemotra olona, indrindra fa ilay nendrikendrehina. Hoy ny lalàna nomen’Andriamanitra ny Israely: “Aza mandehandeha manendrikendrika olona eo amin’ny firenenao. Aza mitsangana handatsaka ny ran’ny namanao.” (Le 19:16) Tena ratsy àry ny manendrikendrika satria mety hisy olona tsy manan-tsiny hanjary hovonoina ho faty noho ny vavolombelona mandainga. Efa nitranga imbetsaka izany.​—1Mp 21:8-13; Mt 26:59, 60.

Indraindray misy resaka tsiambaratelo, nefa faly erỳ ny mpanendrikendrika mamoaka izany amin’izay tsy manan-jo hahalala izany. (Oh 11:13) Tiany erỳ raha izy no ahalalan’ny olona zava-mahaliana. Tsy vitan’ny hoe diso izay mihaino ny tenin’ny mpanendrikendrika, fa manimba tena koa. (Oh 20:19; 26:22) Mety hanjary hihatakataka amin’ny namany ny olona iray raha misy mpanendrikendrika manaratsy an’ilay namany, ary mety hifankahala sy hisara-bazana mihitsy izy ireo.​—Oh 16:28.

Efa nilaza ny Soratra Masina fa ho tia manendrikendrika ny olona amin’ny “andro farany.” (2Ti 3:1-3) Tokony hahitsin’ny mpiandraikitra sy hanariny izay mpanendrikendrika eo anivon’ny fiangonana, na lahy na vavy. (1Ti 3:11; Tit 2:1-5; 3Jn 9, 10) Mampisy fifandirana ny endrikendrika (Oh 16:28), ka mahatonga “asan’ny nofo” toy ny fankahalana, fifandirana, ary fisaratsarahana. Tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra àry ilay mpanendrikendrika sy izay voataonany hanao ratsy. (Ga 5:19-21) Mety ho fetsifetsy sy ho tia mamitaka ny mpanendrikendrika, nefa tsy maintsy hibaribary eo anivon’ny fiangonana ny toetra ratsiny. (Oh 26:20-26) Nahariharin’i Jesosy tamin’ireo apostoliny, ohatra, fa mpanendrikendrika i Jodasy, (Jn 6:70) ary nasainy nandeha avy eo. Nanjary zanaky ny fandringanana i Jodasy noho izay nataony taorian’izay.​—Mt 26:20-25; Jn 13:21-27; 17:12.

Karazana fanendrikendrehana ny fanevatevana, ka tokony hesorina tsy ho eo anivon’ny fiangonana izay zatra manevateva, satria milaza ny Soratra Masina fa meloka izy ireny ka tsy mendrika ny hiaina mandrakizay. (1Ko 5:11; 6:9, 10) Matetika ny mpanendrikendrika sy ny mpanevateva no manjary mikomy amin’Andriamanitra sy amin’ireo nomeny fahefana sy notendreny hitondra ny fiangonana. Ohatra ny amin’izany i Kora sy ny namany: Nanendrikendrika an’i Mosesy sy Arona izy ireo ary nikomy sady tsy nanaiky ny fanendren’Andriamanitra. (No 16:1-3, 12-14) Izay nanjo an’ireo mpikomy ireo sy izay niafaran’izy ireo no nentin’i Joda nampitandremana ny Kristianina mba tsy hanevateva, na himenomenona, na hitaraina, na hanao “teny fireharehana.”​—Jd 10, 11, 14-16.