Migdola
(Migdôla) [Tilikambo].
1. Toerana iray tany Ejipta teo akaikin’i Pihahirota, izay nitobian’ny Israely farany talohan’ny hiampitany ny Ranomasina Mena. Tokony hitoby ‘teo akaikin’i Pihahirota, eo anelanelan’i Migdola sy ny ranomasina tandrifin’i Bala-zefona’ mantsy izy ireo. (Ek 14:2; No 33:5-8) Milaza ny manam-pahaizana maro fa angamba notononin’ny Ejipsianina hoe Migdola ny teny hebreo hoe migdal, izay midika hoe “tilikambo.” Toby miaramila na tilikambo teo amin’ny sisin-tanin’i Ejipta, hono, izy io. Nisy toerana maromaro antsoina hoe Migdola anefa teo amin’ny sisin-tanin’i Ejipta. Na ankehitriny aza mbola misy tanàna kely telo antsoina hoe Mashtol (Migdola amin’ny teny ejipsianina kôpta ankehitriny). (Jereo koa No. 2.) Misy anarana hoe Ma-ag-da-li ao amin’ny takelaka iray hita tao Amarna, saingy tsy voalaza ao hoe taiza izy io. Tsy fantatra koa ankehitriny izay toerana nisy an’i Pihahirota sy Bala-zefona, ka tsy fantatra hoe taiza ho aiza i Migdola. Misy mihevitra hoe teo an-tampon’i Jebel ʽAtakah angamba izy io, ary tazana avy eo ny tendrony avaratry ny Hoalan’i Suez. Tsy misy porofo anefa hoe teo tokoa no nisy an’i Migdola. Na izany aza, dia toerana nety tsara ho an’ny toby miaramila na tilikambo teo.
2. Ilay Migdola noresahin’i Jeremia sy Ezekiela mpaminany, 900 taona teo ho teo taorian’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. Mety ho ilay Migdola voaresaka etsy ambony ihany izy io. Milaza anefa ny ankamaroan’ny mpivaofy teny ara-baiboly fa tanàna hafa tany Ejipta izy io.
Naminany i Ezekiela fa handravarava an’i Ejipta i Babylona, ka hamely azy “hatrany Migdola ka hatrany Syena sy ny sisin-tanin’i Etiopia.” (Ezk 29:10; 30:6) I Syena no farany atsimon’i Ejipta fahiny. Toa i Migdola àry no farany avaratra. Izany no nahatonga ilay fitenenana hoe “hatrany Migdola ka hatrany Syena”, mitovitovy amin’ilay hoe “hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba” mba hilazana ny farany avaratra sy farany atsimon’i Palestina. (Mpts 20:1) Nisy Jiosy mpitsoa-ponenana nipetraka tany Migdola, Tapanesa, Nofa (Memfisa) ary Patrosa, rehefa rava i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Hitondra “sabatra handripaka” an’i Migdola sy ny toeran-kafa anefa i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona.—Je 44:1; 46:13, 14.
Maro no mihevitra fa tanàna voaro mafy io Migdola io, dia ilay tanàna noresahin’ny soratra ejipsianina miendrika kisarisary hoe niaro an’i Ejipta tamin’ny fanafihana avy tany avaratratsinanana. Miresaka momba ny toerana iray antsoina hoe Magdolo ny Lisitry ny Tanàna Nosoratan’i Antonin
(Itinerarium Provinciarum Antonini Augusti) tamin’ny taonjato fahatelo. Tany akaikin’i Péluse izy io, ary i Péluse kosa teo amoron-tsirak’i Mediterane, teo amin’ilay toerana nantsoina hoe fidirana mankany Ejipta raha avy tany Filistia. Misy manam-pahaizana manombantombana hoe i Tell el-Heir, 10 km eo ho eo atsimo atsimoandrefan’i Péluse (Tell el Farame), i Migdola, ilay tanàna voaro mafy teo amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.