Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mika

Mika

(Mìka) [fanafohezana ny hoe Mikaela na Mikaia].

1. Lehilahy iray tany Efraima. Nandika ny didy fahavalo tamin’ny Didy Folo i Mika (Ek 20:15), satria nalainy ny volan-dreniny, izay farantsa volafotsy 1100. Nibaboka anefa izy, ary naveriny tamin-dreniny ilay vola. Hoy ny reniny: “Tsy maintsy hamasiniko ho an’i Jehovah io volafotsy avy amiko io ho an-janako, mba hanaovana sary sokitra sy harendrika ho sarivongana. Koa iny haveriko aminao ilay izy.” Naka farantsa volafotsy 200 tamin’ireo ny reniny ka nomeny ny mpanefy volafotsy. Nataon’ilay mpanefy ho ‘sary sokitra sy narendriny ho sarivongana’ ilay izy, ary natao tao an-tranon’i Mika. Nanana “tranon’andriamanitra” izy, ary nanamboatra efoda sy terafima. Nomeny fahefana ny iray tamin’ireo zanany lahy mba ho mpisorony. Marina fa mety hoe natao hanomezam-boninahitra an’i Jehovah io zavatra nataony io, kanefa tena fandikana an-kitsirano an’ilay didy mandrara ny fanompoan-tsampy (Ek 20:4-6), ary fanaovana tsinontsinona ny tranolay masin’i Jehovah sy ny asan’ny mpisorony. (Mpts 17:1-6; De 12:1-14) Nalain’i Mika ho any an-tranony i Jonatana taranak’i Gersoma zanak’i Mosesy, ary nokaramainy mba ho mpisorony io Levita tanora io. (Mpts 18:4, 30) Afa-po i Mika, ka hoy izy: “Fantatro tokoa ankehitriny fa hanisy soa ahy i Jehovah.” Diso hevitra anefa izy. (Mpts 17:7-13) Ankoatra izany, dia tsy taranak’i Arona i Jonatana, ka tsy afaka ny ho mpisorona mihitsy. Vao mainka nanampy trotraka ny fahadisoan’i Mika izany.​—No 3:10.

Nitady toerana honenana ny Danita tamin’izay, ka naniraka lehilahy dimy hijery taratra ny tany. Tonga tany Efraima izy ireo tamin’ny farany, “tonga hatrany an-tranon’i Mika, ka natory indray alina tao.” Tamin’izy ireo nanakaiky ny tranon’i Mika, dia fantany ny feon’i Jonatana, ka nanontaniany izy hoe inona no nataony tany. Nasain’izy ireo nanontany an’Andriamanitra àry izy mba hahalalana raha ho tontosa soa aman-tsara ny diany. Hoy ilay mpisorona: “Mandehana soa aman-tsara, fa mitsinjo anareo i Jehovah amin’izao dianareo izao.” (Mpts 18:1-6) Nijery taratra an’i Laisy ireo Danita ireo avy eo, ary niverina ka nitantara ny diany tamin’ireo rahalahiny. Nirongo fiadiana àry izy dimy lahy niaraka tamin’ny Danita 600 hafa, mba hanafika an’i Laisy. Rehefa nandalo ny tranon’i Mika izy ireo, dia nolazain’ireo mpitsikilo tamin’ireo rahalahiny fa nisy zavatra fampiasa amin’ny fivavahana tao, ary nandroso hevitra izy ireo ny hakana izany. Nalain’ny Danita ireo fitaovana ireo, ary noresen’izy ireo lahatra ilay Levita hoe tsy aleony ve lasa mpisorona ho an’ny foko sy fianakaviambe teo amin’ny Israely, toy izay mpisorona ho an’olona iray fotsiny. Nentin’izy ireo àry ilay Levita, ny efoda, ny terafima, ary ilay sarivongana, dia nanohy ny diany izy ireo.​—Mpts 18:7-21.

Nanenjika an’ireo Danita i Mika niaraka tamin’ny lehilahy maro, taoriana kelin’izay. Rehefa tratra izy ireo dia nanontaniany an’i Mika ny antony nanenjehany azy. Namaly i Mika hoe: “Nalainareo ny andriamanitro izay namboariko, ary nentinareo koa ny mpisorona, dia lasa ianareo, ka inona intsony no mba ho ahy?” Nandrahona an’i Mika ny taranak’i Dana avy eo hoe raha mbola manaraka azy ireo izy na manohitra azy, dia hataony mahita faisana. Niverina nody i Mika satria hitany fa matanjaka kokoa noho izy ny Danita. (Mpts 18:22-26) Notafihin’ny Danita i Laisy taorian’izay ary nodorany. Nanorina ny tanànan’i Dana teo izy ireo avy eo. Nataon’ireo Danita ireo mpisorona teo aminy i Jonatana sy ny zanany lahy, ary “notehirizin’izy ireo ilay sary sokitra namboarin’i Mika, ka najorony ho azy ireo nandritra ny andro rehetra naha tao Silo ny tranon’ilay tena Andriamanitra”, izany hoe ny tranolay masina.​—Mpts 18:27-31.

2. Levita Kehatita anisan’ny fianakaviamben’i Oziela. Izy no filohan’ilay fianakaviambe, ary i Jisia rahalahiny no faharoa nanarakaraka azy rehefa nozarain’i Davida ny fanompoana nataon’ny Levita.​—1Ta 23:6, 12, 20; 24:24, 25.

3. Zanakalahin’i Mefiboseta (Meri-bala), sady zafikelin’i Jonatana zanak’i Saoly Mpanjaka. I Mika no rain’i Pitona, Meleka, Tarea, ary Ahaza.​—2Sa 9:12; 1Ta 8:33-35; 9:39-41.

4. Robenita zanakalahin’i Simey ary rain’i Reaia. Taranany ilay Bera mpiadidy teo amin’ny fokon’i Robena, izay lasa babon’i Tilgato-pilnesera mpanjaka asyrianina (Tiglato-pilesera III).​—1Ta 5:1, 3-6; 2Mp 15:29.

5. Rain’i Abdona (Akbora). Mikaia koa no iantsoana azy, ary io no endriny lava kokoa anoratana ny anarany.​—2Ta 34:20; 2Mp 22:12.

6. Iray tamin’ireo Levita (na razamben’ny Levita iray) nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” tamin’ny andron’i Nehemia.​—Ne 9:38; 10:1, 9, 11.

7. Levita taranak’i Asafa ary zanakalahin’i Zikry (antsoina koa hoe Zabdy na Zakora). I Mika no rain’i Matania ary antsoina koa hoe Mikaia izy.​—1Ta 9:14, 15; Ne 11:15, 17, 22; 12:35.

8. Mpanoratra boky iray ao amin’ny Baiboly, izay nampitondraina ny anarany ihany. Mpaminanin’i Jehovah izy tamin’ny andron’ireto mpanjakan’ny Joda ireto: Jotama, Ahaza, ary Hezekia (777-717 T.K.). I Hosea sy Isaia no mpaminany niara-belona taminy. Tsy tena fantatra ny faharetan’ny fotoana naha mpaminany azy. Toa tany amin’ny faramparan’ny andro nanjakan’i Hezekia no nifarana ny asan’ny mpaminany nataony, ary tamin’izay no vita ny bokiny.​—Mi 1:1; Ho 1:1; Is 1:1.

Avy any amin’ny tanàna kelin’i Moreseta, any atsimoandrefan’i Jerosalema i Mika. (Je 26:18) Mponina tany Sefela, faritra mahavokatra, ilay mpaminany. Tena hainy tsara àry ny fiainan’ny tantsaha, ka avy tamin’izany no nakany ny ankamaroan’ireo fanoharana nampiasainy. (Mi 2:12; 4:12, 13; 7:1, 4, 14) Tena feno korontana teo amin’ilay firenena tamin’ny fotoana naha mpaminany an’i Mika, satria nanjaka ny fanompoan-tsampy sy ny fitondran-tena maloto tany Israely sy Joda. Nanao fanavaozana koa i Hezekia Mpanjaka tamin’izay, mba hamerenana tamin’ny laoniny ny fivavahana marina. (2Mp 15:32–20:21; 2Ta 27–32) Rariny àry i Jehovah raha nampitandrina. Nilaza mantsy “ny tenin’i Jehovah izay tonga tamin’i Mika” fa hataony “korontam-bato miavosa eny an-tsaha” i Samaria, ary “hasaina toy ny saha i Ziona ..., ary ho lasa korontam-bato miavosa i Jerosalema.” (Mi 1:1, 6; 3:12) Marina fa ela be taorian’ny andron’i Mika vao rava i Joda sy Jerosalema, tamin’ny 607 T.K., kanefa azo inoana hoe nanatri-maso an’ilay fandravana efa voalaza fa hanjo an’i Samaria izy tamin’ny 740 T.K.​—2Mp 25:1-21; 17:5, 6.