Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mika, Bokin’i

Mika, Bokin’i

Bokim-paminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo misy ny teny nampilazain’i Jehovah an’i Mika momba an’i Samaria sy Jerosalema. (Jereo MIKA No. 7.) Mizara telo izy io, ary manomboka amin’ny hoe “mihainoa” na “henoy” ny fizarana tsirairay.​—Mi 1:2; 3:1; 6:1.

Talohan’ny naharesy an’i Samaria tamin’ny 740 T.K. i Mika no naminany fa horavana izy io, ary nosoratany talohan’ny nifaranan’ny fanjakan’i Hezekia ny faminaniany.

Ratsy fitondran-tena be ny vahoakan’Israely sy Joda tamin’ny andron’i Mika. Ny mpitondra koa nampahory vahoaka, indrindra fa ny mahantra. Tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hahazo vola ny mpitsara sy mpisorona ary mpaminany. Maro no nanompo sampy, nanambaka, nampahory, nanao ny tsy rariny, ary nandatsa-dra. Tsy azo natokisana na dia ny namana akaiky sy ny mpianakavy aza.​—Mi 1:7; 2:1, 2; 3:1-3, 9-12; 6:12; 7:2-6.

Notsorin’ilay mpanoratra fa be ny fahotan’ny Israely sy Joda, ka ho lasa tanàna aolo i Samaria sy Jerosalema. (Mi 1:5-9; 3:9-12) Nampanantena koa anefa izy fa mbola hiverina ny mponina tao ary hotahin’Andriamanitra.​—4:1-8; 5:7-9; 7:15-17.

Anisan’ny Baiboly ilay boky satria mifanaraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Soratra Masina. Resahiny, ohatra, fa mamindra fo sy be fitiavana i Jehovah, ary mamela fahadisoana sy heloka. (Mi 7:18-20; ampit. Ek 34:6, 7; Sl 86:5.) Efa hatry ny ela ilay boky no neken’ny Jiosy ho anisan’ny Soratra Masina. Nilaza i Mika tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka fa ho aolo i Jerosalema. Naverin’ireo anti-panahin’i Joda ny teniny 100 taona teo ho eo tatỳ aoriana, rehefa niaro an’i Jeremia mpaminany izy ireo. (Je 26:17-19; ampit. Mi 3:12.) Nisy lehiben’ny mpisorona sy mpanora-dalàna jiosy velona ela be taorian’i Mika koa tsy nisalasala nilaza fa ho teraka ao Betlehema i Kristy, satria fantatr’izy ireo ny faminanian’i Mika. (Mt 2:3-6; ampit. Mi 5:2.) Avy amin’ny fanahy masina tokoa àry ilay boky, matoa tanteraka ireo faminaniany momba an’i Samaria sy Jerosalema ary ny Mesia na Kristy. Mitovy amin’izay voalazan’ny Mika 7:6 koa ny tenin’i Jesosy hoe ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.​—Mt 10:21, 35, 36.

[Efajoro, pejy 392]

HEVITRA MISONGADINA: MIKA

Fitantarana amim-pahatsorana fa nanao ratsy ny Israely sy Joda, ho aolo i Samaria sy Jerosalema, nefa mbola hiverina ny mponina tao

Voaresaka ao izay nitranga talohan’ny naharesy an’i Samaria tamin’ny 740 T.K. sy taorian’izay angamba

Nifanohitra tamin’ny fitsipika marin’i Jehovah ny ratsy nataon’ny Israely sy Joda

Teo am-pandriana ireo mpampahory no nitetika ny haka an-keriny trano sy saha; notanterahiny ny teti-dratsiny rehefa maraina ny andro (2:1, 2)

Voaendaka ny mpandalo tsy nanampo na inona na inona; nampahorina ny zaza amam-behivavy (2:8, 9)

Toy ny biby no nitondran’ny mpitsara ny vahoaka (3:1-3)

Niantsoantso hoe “Fiadanana!” ny mpaminany sandoka, nefa niantso ady masina rehefa ‘tsy nisy nanome sakafo teo am-bavany’ (3:5)

Tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hahazo vola ny mpisorona sy mpitsara ary mpaminany, nefa nihambo ho nampian’i Jehovah (3:9-11)

Zara raha nisy olona tsy nivadika; nanao tsolotra ny andriana sy mpitsara, ary tsy azo natokisana na ny mpianakavy aza (7:1-6)

Nafahan’i Jehovah avy tany Ejipta ny vahoakany, notarihiny, narovany; tsy haharakotra ny fahotan’izy ireo na dia fanatitra maro be aza (6:3-7)

Izao no takin’i Jehovah: Manao ny rariny, tia hatsaram-panahy, ary manetry tena rehefa miara-mandeha aminy (6:8)

Nomelohina ny Israely; hahita loza koa ny Joda

Ho lasa korontam-bato miavosa i Samaria; hahita loza hatramin’i Joda sy Jerosalema (1:3-16)

Hiharan-doza ny Israely; hozarazaraina amin’ny hafa ny sahan’izy ireo (2:3-5)

Hokapohin’i Jehovah ny olony; hihinana izy ireo nefa tsy ho voky, hamafy izy ireo nefa tsy hihinana ny vokatra (6:13-16)

Hangonina indray ny sisa ary hasandratra ny fivavahana marina

Hangonina “toy ny andian’ondry ao am-bala” ny sisa amin’ny Israely, ho eo alohany ny mpanjakany ary i Jehovah no hitarika azy ireo (2:12, 13)

Hasandratra ho avo noho ireo havoana ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah any am-parany, ka hitanjozotra ho any ny olona avy amin’ny firenena maro; hampianarin’i Jehovah izy ireo ary tsy hianatra ady intsony (4:1-4)

Handeha amin’ny anaran’i Jehovah ireo niverina nody; hatanjaka eo anoloan’ny fahavalony i Ziona (4:5-13)

Hisy mpitondra ho teraka ao Betlehema, hiandry ondry amin’ny anaran’i Jehovah; hihemotra ny Asyrianina rehefa izy no mitondra; ho toy ny ando mamelombelona sy liona matanjaka ny sisa amin’i Jakoba (5:2-9)

Hodiovin’i Jehovah ny olony ka tsy hanompo sampy intsony, hovaliany ireo firenena tsy nankatò (5:10-15)

Miantehera amin’i Jehovah; tsy hifaly intsony ilay ‘vehivavy fahavalo’ rehefa karakarain’i Jehovah sy mahita zava-mahagaga ny olony nibebaka; hatahotra ireo firenena mandinika azy ireo; hamela ny fahotan’ny olony i Jehovah (7:7-20)