Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mikaia

Mikaia

(Mikaià) [Iza no Tahaka An’i Jehovah?].

1. Vadin’i Rehoboama Mpanjaka, ary zanak’i Oriela avy any Gibea. Renin’i Abia mpanjakan’ny Joda izy, ary antsoina koa hoe “Maka.”​—2Ta 11:18, 20; 13:1, 2.

2. Zanakalahin’i Jimla, ary mpaminanin’i Jehovah tany amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, tamin’ny andron’i Ahaba Mpanjaka. (1Mp 22:8) Nitsidika an’i Ahaba i Josafata mpanjakan’ny Joda, ka nasain’i Ahaba hiaraka aminy hanafika ny Syrianina mba haka indray an’i Ramota-gileada. Nanaiky i Josafata, nefa nasainy nanontaniana ny tenin’i Jehovah. Nampiantso mpaminany 400 àry i Ahaba ka nanontany hoe: “Handeha hanafika an’i Ramota-gileada ve aho, sa tsy handeha?” Nasain’izy ireo nandeha izy, fa hatolotr’i Jehovah eo an-tanany, hono, ilay tanàna. Nila toky fanampiny anefa i Josafata ka voatery naniraka olona haka Mikaia i Ahaba, na dia naminany zava-dratsy foana ho azy aza i Mikaia. Nasain’ilay iraka hilaza teny toy ny an’ireo mpaminany hafa i Mikaia, ka nanao izany tokoa. Nampianiana azy ‘hilaza ny marina amin’ny anaran’i Jehovah’ anefa i Ahaba, ka hoy izy: “Ireny fa hitako miparitaka eny an-tendrombohitra, tahaka ny ondry tsy misy mpiandry, ny Israelita rehetra.”​—1Mp 22:1-17; 2Ta 18:1-16.

Hitan’i Mikaia tao amin’ny fahitana i Jehovah nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra, ary nanontany an’ireo anjely tafavory hoe: “Iza no hamitaka an’i Ahaba mba hiakarany any Ramota-gileada ka hahalavo azy any?” Nanolo-tena ny iray mba ho “fanahy mamitaka” tao am-bavan’ny mpaminanin’i Ahaba rehetra. Hoy àry i Jehovah: “Ho voafitakao izy, ary hahomby tokoa ianao amin’izany. Mandehana àry, ka ataovy izany.” Nasian’Andriamanitra fanahy mamitaka tao am-bavan’ireo mpaminany, hoy i Mikaia tamin’i Ahaba. “Nilaza anefa i Jehovah fa loza no hanjo anao.” Namely tehamaina azy i Zedekia mpaminany sandoka, ka naneso sady nanontany hoe: “Taiza ny lalana nivoahan’ny fanahin’i Jehovah tamiko mba hiteny tamin’ialahy?” Sahy namaly i Mikaia hoe: “Ho hitanao ny lalany amin’ny andro hidiranao ao amin’ny efitra anatiny indrindra mba hiafina ao.” Nasain’i Ahaba nogadraina sy nomena mofo sy rano kely fotsiny izy, mandra-piveriny soa aman-tsara. Tsy niverina anefa i Ahaba satria “nisy lehilahy nandefalefa zana-tsipìka anjoanjo fotsiny” tamin’ilay ady tao Ramota-gileada, ka voa izy ary maty. Ny nahafatesany no porofo fa tena mpaminanin’i Jehovah i Mikaia, satria izao no teniny farany tamin’i Ahaba: “Raha tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy i Jehovah no niteny tamiko.”​—1Mp 22:18-37; 2Ta 18:17-34.

3. Anisan’ireo andriana nirahin’i Josafata Mpanjaka hampianatra eran’i Joda, niaraka tamin’ny Levita sy mpisorona. Nitondra “ny boky misy ny lalàn’i Jehovah” izy ireo tamin’izany.​—2Ta 17:7-9.

4. Rain’i Akbora (Abdona) izay anisan’ireo nirahin’i Josia Mpanjaka hanontany an’i Jehovah momba ny teny tao amin’ilay bokin’ny Lalàna vao hita. Antsoina koa hoe Mika izy.​—2Mp 22:12, 13; 2Ta 34:20, 21.

5. “Zanak’i Gemaria, zanak’i Safana.” Tao amin’ny efitra fisakafoan’i Gemaria rain’i Mikaia i Baroka no namaky an’ilay horonana nanoratan’i Jeremia ny fanamelohan’i Jehovah ny Israely sy Joda ary ny firenena rehetra. Tao koa i Mikaia tamin’izay, ary avy eo notateriny tamin’ny mpitan-tsoratra sy andrianan’i Joiakima Mpanjaka izay reny.​—Je 36:2, 9-13.

6. Razamben’i Zakaria mpisorona, izay anisan’ireo nitondra trompetra rehefa notokanana ny mandan’i Jerosalema voaorina indray. Antsoina koa hoe Mika izy.​—Ne 11:22; 12:31, 35.

7. Mpisorona anisan’ireo nitsoka trompetra tao amin’ny ‘antoko mpihira [iray] mpanao hira fisaorana’ nanao filaharam-be, rehefa notokanana ny mandan’i Jerosalema voaorina indray, tamin’ny andron’i Nehemia.​—Ne 12:40, 41.