Mikala
(Mikàla) [mety hidika hoe Iza no Tahaka An’Andriamanitra?].
Ilay zandriny tamin’ny zanakavavin’i Saoly Mpanjaka, ary lasa vadin’i Davida. Saika homen’i Saoly ho vadin’i Davida i Meraba zokin’i Mikala, nefa nomeny ho vadin’olon-kafa indray avy eo. “Raiki-pitia tamin’i Davida” anefa i Mikala, ka nilaza i Saoly fa homeny ho vadin’i Davida izy raha afaka nanome tsitsy nesorina tamin’ny lehilahy filistinina zato i Davida. Nanantena mantsy i Saoly fa ho faty i Davida raha nitady hamono fahavalo be dia be toy izany. Nanaiky an’ilay fanamby i Davida, ary tsitsy nesoriny tamin’ny lehilahy filistinina 200 no natolony an’i Saoly, ka nomena ho vadiny i Mikala. Vao mainka anefa “nihamafy ny tahotr’i Saoly an’i Davida”, taorian’izay, ka nanjary fahavalon’i Davida foana izy. (1Sa 14:49; 18:17-29) Rehefa tena tafahoatra ny fankahalan’i Saoly azy, dia voatery nandositra izy, ary nanampy azy i Mikala. Nomen’i Saoly ho vadin’i Palty, zanak’i Laisy avy any Galima, i Mikala rehefa tsy teo elaela i Davida.—1Sa 19:11-17; 25:44.
Te hanao fifanekena tamin’i Davida i Abnera, tatỳ aoriana, nefa tsy nety izy raha tsy nentin’i Abnera niaraka taminy i Mikala. Nandefa iraka tany amin’i Isboseta zanak’i Saoly i Davida mba hangataka ny hamerenana an’i Mikala. Nalaina tany amin’i Paltiela (Palty) vadiny àry i Mikala ary naverina tamin’i Davida.—2Sa 3:12-16.
Voasazy satria tsy nanaja an’i Davida. Nentina tao Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena, araka ny baikon’i Davida. Faly be izy ka nandihy tamin’ny heriny manontolo. “Nanao efoda rongony nisy fehikibony” izy tamin’izay. Nahatazana azy avy teo am-baravarankely i Mikala ka “nanamavo azy anakampo.” Rehefa tonga tao an-trano i Davida, dia naneso azy i Mikala. Tsy tiany ny fomba nampisehoan’i Davida zotom-po ho an’ny fivavahana tamin’i Jehovah, ary te hilaza izy hoe nanala baraka tena i Davida. Nibedy azy i Davida avy eo, ary azo inoana fa nanasazy azy ka tsy nanao firaisana taminy intsony. Tsy niteraka mihitsy àry izy mandra-pahafatiny.—2Sa 6:14-23.
Nitaiza an’ireo zana-drahavaviny. Miresaka momba “ny zanak’i Mikala zanakavavin’i Saoly, dia izy dimy lahy naterany tamin’i Adriela” ny 2 Samoela 21:8. Anisan’ny ankohonan’i Saoly izay natolotr’i Davida ho an’ny Gibeonita izy dimy lahy ireo, mba ho fandrakofana ny fahotan’i Saoly satria nitady handripaka tanteraka an’ireo Gibeonita izy. (2Sa 21:1-10) Toa mifanipaka ny 2 Samoela 21:8 sy ny 2 Samoela 6:23 izay milaza fa maty tsy niteraka i Mikala. Mifanaraka anefa ireo, satria milaza ny mpivaofy teny sasany fa zanak’i Meraba, rahavavin’i Mikala, izy dimy lahy, saingy maty tanora i Meraba ka i Mikala no nitaiza azy ireo.—Jereo MERABA.