Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mikmasy

Mikmasy

(Mikmàsy) [Toerana Tsara Afina].

Toerana iray voalaza fa i Mokmas ankehitriny, izay eo amin’ny havoana iray 600 m eo ho eo ambonin’ny haabon’ny ranomasina. Tokotokony ho 11 km any avaratra avaratratsinanan’i Jerosalema no misy azy, ary eo avaratry ny Lohasaha Falehan-driaka Soveinita (Nahal Mikmas), izay lazaina fa ilay ‘hadilanana tao Mikmasy.’ (1Sa 13:23) Manomboka any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima ka hatrany amin’ny Lohasahan’i Jordana io lohasaha falehan-driaka io, noho ireo lohasaha falehan-driaka hafa mihaona aminy avy any atsimoandrefana sy avy any avaratrandrefana.

Te hanafaka ny Israely i Saoly Mpanjaka, ka nifidy 3000 lahy mba hiady tamin’ny Filistinina. Niaraka taminy tany Mikmasy sy teny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Betela ny 2000 tamin’ireo, fa ny sisa kosa niaraka tamin’i Jonatana zanany tany Gibea. Taorian’izay, dia notafihin’i Jonatana ny “toby miaramilan’ny” Filistinina tao Geba (“Gibea”, Vg) tsy lavitra teo. Namaly faty ny Filistinina ka nanangona tafika lehibe izay nisy kalesin’ady sy mpitaingin-tsoavaly. Toa noteren’izy ireo hiala tao Mikmasy hankany Gilgala i Saoly ka maro ny Israelita niafina tany an-dava-bato sy tany an-tsefatsefaky ny harambato. Ny sasany kosa nialokaloka tany ampita atsinanan’i Jordana. Iny fiparitahan’ny Israelita teo anoloan’ny Filistinina iny no nataon’i Saoly fialan-tsiny tamin’izy tsy nankatò ka nanao sorona fa tsy nahandry an’i Samoela. Nanarin’i Samoela izy satria sahisahy ratsy. Nankany amin’i Jonatana tany Geba àry izy sy ny miaramilany sisa 600 lahy teo ho eo. (1Sa 13:1-16) Toa nafindran’i Saoly tao Migrona tany akaikin’i Gibea ny tobiny, araka ny 1 Samoela 14:2.

Nitarika ny ady i Jonatana. Nisy mpandroba nanao telo toko nivoaka avy tao amin’ny tobin’ny Filistinina tao Mikmasy, ary nisy andia-miaramilan’izy ireo koa nankeo amin’ny “hadilanana ao Mikmasy.” (1Sa 13:16-23) Tapa-kevitra ny hampitsahatra an’izany fandrahonana izany àry i Jonatana ka niampita an’ilay hadilanana teo anelanelan’ny hantsana mijidina be (raha ny Lohasaha Falehan-driaka Soveinita io), teo atsinanan’i Geba (Jabaʽ). Misy havoana roa miavaka, izay mideza sy be vato eo amin’ny fiolahan’ny Lohasaha Falehan-driaka Soveinita. Mety ho ireo no “harambato miendrika nify” izay nantsoina hoe Bozeza sy Sene, saingy lasa dombodombo izy ireo rehefa nokaohin’ny riaka nandritra ny 3 000 taona teo ho eo. (1Sa 14:1-7) Tsy hahita lalana mihitsy ny vahiny raha mandeha eo anelanelan’ireo dongon-tany sy havoana ary harambato maranitra any amin’iny lohasaha falehan-driaka iny. Toa hain’i Jonatana tsara anefa iny faritanin’i Benjamina iny satria tany izy no nihalehibe. Tao Mikmasy no nisy ny tobin-drainy ary tao Geba ny azy. Azo antoka àry fa nivezivezy teo izy ka fantany tsara ilay toerana.

Nankany Mikmasy i Jonatana sy ny mpitondra fiadiany, ary niseho mba ho hitan’ireo tao amin’ny toby mpitilin’ny Filistinina. Hoy ny Filistinina rehefa nahita azy ireo: “Miakara etỳ aminay, fa ataonay mahita faisana ianareo!” Nandady i Jonatana niakatra an’ilay tehezan-kavoana mideza be mba hankanesana teny, ary nanaraka azy ilay mpitondra fiadiana. Niara-niasa tsara izy roa lahy, ka nahafaty Filistinina 20 teo ho eo teo amin’ny velaran-tany tokotokony ho ampahefatry ny hektara.​—1Sa 14:8, 11-14.

Nataon’Andriamanitra nihovotrovotra ny tany, ka nisahotaka ny tobin’ny Filistinina, ary tazan’ny mpiambin’i Saoly izany. Mandra-pahatongan’i Saoly sy ny miaramilany tany dia maro be ny Filistinina efa nifamono tao anatin’ny fisavoritahana be, fa ny sisa kosa nandositra. Azo inoana fa lasa ampy fitaovana tsara ny tafik’i Saoly, rehefa nitsimpona an’ireo fitaovam-piadian’ny Filistinina, ka nanenjika an’ireo fahavalo. Niaraka tamin’i Saoly indray ireo Israelita niafina sy ireo nomba ny Filistinina, ka “tsy nitsahatra namely an’ireo Filistinina izy ireo tamin’iny andro iny, hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona.”​—1Sa 14:15-23, 31.

Milaza ny 1 Samoela 13:5 fa nanana kalesin’ady 30 000 ny Filistinina tao Mikmasy. Be loatra anefa izany raha ampitahaina amin’izay nampiasaina tamin’ny ady maro hafa (ampit. Mpts 4:13; 2Ta 12:2, 3; 14:9), sady ahoana koa moa no ampiasana kalesin’ady maro be toy izany any amin’ny toerana be tendrombohitra. Maro àry no milaza fa fahadisoan’ny mpanao dika soratra ilay hoe 30 000. Telo arivo kosa no hita ao amin’ny Peshitta syriàka sy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo fanontana Lagarde, ary izany no hita ao amin’ny Baiboly maro. (AT; Jé; Mo) Misy aza milaza fa mbola vitsy noho izany ny tena marina.

Taonjato maro tatỳ aoriana, dia naminany i Isaia fa ‘hametraka ny fitaovany’ ao Mikmasy ny Asyrianina mpanafika. (Is 10:24, 28) Toa nonina tao Mikmasy indray ny Benjamita, rehefa niverina avy tany an-tsesitany tany Babylona ny Israelita tamin’ny 537 T.K.​—Ezr 2:1, 2, 27; Ne 7:31; 11:31.