Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mileto

Mileto

(Milèto).

Tanàna teo amin’ny morontsiraka andrefan’i Azia Minora. Efa rava izy io ankehitriny. Teo akaikin’ny vinanin’ny Reniranon’i Meandra (Menderes) no nisy azy io, ary nanana seranana efatra izy io fahiny. Tamin’ny taonjato fahafito T.K., dia toa nataon’ny Ionianina izay hahatonga an’i Mileto hiroborobo ara-barotra sy hanana zanatany maro tany amin’ny Ranomasina Mainty sy tany Ejipta. Lasa nalaza be ny zavatra vita tamin’ny volonondry tany Mileto. Manamarina izany ny Ezekiela 27:18 ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Voalaza ao fa anisan’ny entam-barotr’i Tyro ny “volonondry avy any Mileto.” Avy any Mileto ny filozofa malaza toa an-dry Thalès (t. 625-547 T.K.). Voalaza fa izy no niavian’ny jeometria sy astronomia ary filozofia grika. Tamin’ny taonjato fahadimy T.K. dia notafihin’ny Persianina sy noravany i Mileto satria nandray anjara tamin’ny fikomiana. Naorina indray ilay tanàna tatỳ aoriana, ary resin’i Aleksandra Lehibe tamin’ny 334 T.K. Maro be ny asa fanorenana natao tao Mileto, tamin’ny andron’ny Grika sy tamin’ny andron’ny Romanina. Iray tamin’ireny ny kianja lehibe filalaovana tantara an-tsehatra teny an-kalamanjana, izay efa rava ankehitriny.

Tsy dia nalaza intsony ilay tanàna, rehefa nandeha ny fotoana. Tototry ny antsanga nentin’ny Reniranon’i Meandra mantsy ireo seranany. Toa teo amin’ny tendrontany miroso mankany amin’ny ranomasina i Mileto fahiny, tendrontany teo atsimon’ny Hoala Latmika. Tokotokony ho 8 km any afovoan-tany anefa ankehitriny ilay tanàna rava, ary farihy sisa no eo amin’ilay nisy hoala taloha.

Nandalo tany i Paoly. Tamin’ny taona 56 tany ho any ny apostoly Paoly no tany Mileto. Te ho tonga tany Jerosalema tamin’ny andro Pentekosta izy, ka toa sambo mandalo an’i Efesosy fotsiny no nalainy tao Aso, mba tsy ho lany fotoana any Azia Minora izy. Tsy nataony an-tsirambina anefa ny zavatra nilain’ny fiangonana tany Efesosy. Rehefa tao Mileto i Paoly, dia naniraka olona hankany Efesosy (tokotokony ho 50 km avy eo) mba hampiantso ny anti-panahin’ny fiangonana tany. Kely kokoa angamba ny fotoana nilaina mba hahatongavan’ny hafatra tany Efesosy sy hankanesan’ireo anti-panahy tany Mileto (angamba 3 andro fara fahakeliny), raha ampitahaina amin’ny fotoana ho lanin’i Paoly raha izy mihitsy no nankany Efesosy. Nijanonjanona be angamba ny sambo avy tao Aso nankany Efesosy, raha oharina amin’ny sambo tonga dia nankany Mileto. Nefa koa mety ho nihazona an’i Paoly ela kokoa ny zava-nisy tany Efesosy, raha nankany izy.​—As 20:14-17.

Naverin’i Paoly notantaraina tamin’ny anti-panahin’ny fiangonan’i Efesosy ny fanompoany tany Efesosy, ary nilaza izy hoe “tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra.” Nampitandrina azy ireo momba an’ireo “amboadia masiaka” miditra eo anivon’ny fiangonana koa izy, ary nampirisika azy ireo mba hiambina hatrany sy hitadidy ny modely navelany. Nitomany mafy ireo anti-panahy ireo rehefa nandre azy nilaza hoe tsy hahita azy intsony. “Namihina ny vozon’i Paoly” izy ireo “ka nanoroka azy tamim-pitiavana”, ary nanatitra azy teny an-tsambo.​—As 20:18-38.

Toa niverina kely tany Mileto i Paoly, taorian’ny nigadrany voalohany tany Roma. Voalaza mantsy fa navelan’i Paoly tany Mileto i Trofimo fa narary. Io Trofimo io ilay efa niaraka taminy tamin’izy avy tany Mileto nankany Jerosalema.​—Ampit. As 20:4; 21:29; 2Ti 4:20.