Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Milka

Milka

(Milkà).

1. Zanakavavin’i Harana rahalahin’i Abrahama (Abrama). I Nahora rahalahin’i Abrahama no vadin’i Milka, izany hoe nanambady ny dadatoany izy. Anabavin’i Lota i Milka. (Ge 11:27, 29) Nanan-janakalahy valo izy, ary anisan’izany i Betoela izay lasa rain’i Rebeka.​—Ge 22:20-23; 24:15, 24, 47.

2. Anisan’izy dimy vavy zanak’i Zelofada. Nomena lova tao amin’ny faritanin’i Manase izy ireo, rehefa maty ny rainy.​—No 26:33; 27:1-4; 36:10-12; Js 17:3, 4.