Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Milo

Milo

(Mìlo) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mameno”].

Mety ho toerana na trano voaro mafy ny “tranon’i Milo” (“Bety-Milao”, DIEM), ary mety ho izy io ihany ilay “tilikambo tao Sekema.” Toa anisan’ireo nanao an’i Abimeleka ho mpanjaka ny olona tao amin’ny “tranon’i Milo.” Naminany i Jotama zanakalahin’i Gideona fa hitondra loza ho an’ny “tranon’i Milo” i Abimeleka. Tanteraka izany rehefa nodoran’i Abimeleka ilay efitra fandosirana tao an-tranon’i Ela-berita ka maty daholo izay rehetra niafina tao.​—Mpts 9:6, 20, 46-49.