Mina, Farantsa
(mìna, faràntsa).
Lanja sady sandam-bola. (1Mp 10:17; Ezr 2:69; Ne 7:71) Sekely 60 ny mina (mane) iray, araka ny Ezekiela 45:12 amin’ny soratra hebreo. Sekely 50 anefa ny ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. (Jereo CT, Li.) Mety ho sekely 50 tokoa ny mina iray taloha, matoa azo zaraina amin’ny 50 ny isa ambony ampiarahina amin’ny sekely ao amin’ny Baiboly.—Ge 23:15; Ek 30:24; 38:29; No 31:52; 1Sa 17:5.
Porofoin’ny voka-pikarohana fa sekely 50 tokoa ny mina iray. Raha zaraina mina valo misy sekely 50 avy, ohatra, ilay vatomizana 4565 g teo ho eo tsy misy soratra hita tany Tell Beit Mirsim, dia milanja 11,4 g ny sekely iray. Mitovy lanja amin’izany, amin’ny antsalany, ny tsirairay amin’ireo sekely 45 eo ho eo misy soratra hita tany Palestina. Sekely 50 na 1⁄60 talenta, izany hoe 570 g, àry ny mina iray ao amin’ny Soratra Hebreo, raha ny ato amin’ity boky ity. Mitentina 110,10 dolara ny mina volafotsy, ary 6422,50 dolara ny mina volamena.
Mety ho nisy karazany roa toy ny hakiho koa ny mina: Ny mina fampiasa tao an-dapa angamba (ampit. 2Sa 14:26) sy ny mina mahazatra.—Ampit. Ezk 40:5.
Drakma 100 ny farantsa (mna) iray ao amin’ny Soratra Grika Kristianina (Lk 19:13-25), rehefa jerena ny asa soratry ny Grika fahiny. Vola be ny farantsa iray, satria efa hitovy amin’ny denaria iray ny drakma iray. Mitentina 65,40 dolara ny farantsa iray, izay tokotokony ho ampahefatry ny karama herintaona noraisin’ny mpamboly tamin’ny taonjato voalohany.