Miniamina
(Miniàmina) [Avy Amin’ny Tanana Havanana].
1. Anisan’ny Levita nanompo teo ambany fifehezan’i Kore. Mendri-pitokisana izy ka andraikiny ny nizara ny fanomezana masina tamin’ireo rahalahiny, tany amin’ny tanànan’ny mpisorona, tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka.—2Ta 31:14, 15.
2. Iray tamin’ireo fianakaviamben’ny mpisorona tamin’ny andron’i Joiakima Mpisoronabe. (Ne 12:12, 17) Mety ho ilay “Miamina” resahin’ny Nehemia 12:5 no razamben’io fianakaviambe io.
3. Anisan’ireo mpisorona nitondra trompetra rehefa notokanana ilay mandan’i Jerosalema voaorina indray, tamin’ny andron’i Nehemia. (Ne 12:40, 41) Mety ho izy ihany ilay mpisorona atao hoe “Miamina” resahin’ny Nehemia 10:7.