Minita
(Minìta).
Iray tamin’ireo tanàna amonita 20 resin’i Jefta, taorian’ny nanaovany voady tamin’i Jehovah. (Mpts 11:30-33) Taonjato maro tatỳ aoriana, dia voalaza fa anisan’ny entam-barotr’i Tyro ny “varimbazaha avy any Minita.” (Ezk 27:2, 17) Tsy fantatra ny tena toerana nisy an’i Minita. Iray amin’ny toerana mety ho nisy azy anefa i Kirbet Hanizeh (Omm el Hanafish), tokotokony ho 6 km any atsinanana avaratratsinanan’i Hesbona.