Miora
Ditin-kazo manitra. (To 1:13; 4:6, 14; 5:1, 13) Tsy tena fantatra hoe avy amin’inona izy io taloha. Avy amin’ny hazo madinika be tsilo sokajina ho isan’ny Commiphora, toy ny Commiphora myrrha na Commiphora abyssinica, anefa ny ankamaroan’ny miora. Maniry amin’ny toerana be vato ireny, indrindra fa eny amin’ny havoana vatosokay. Mahery fofona ilay hazo sy ny hodiny. Mamoaka dity ny vatany sy ny rantsany matevina sy henjana, fa vao mainka mihabetsaka ilay dity rehefa tatahana ilay hazo. Malemy sy miraikidraikitra izy io, fa mihamafy rehefa mitete amin’ny tany.
Anisan’ny nanaovana ny menaka masina fanosorana ny miora. (Ek 30:23-25) Manitra izy io, ka natao tamin’ny akanjo, fandriana, na zavatra hafa. (Ampit. Sl 45:8; Oh 7:17; To 3:6, 7.) Toa nohosoran’ilay tovovavy solemita ranona miora ny vatany talohan’izy hatory. (To 5:2, 5) Anisan’ny nanorana an’i Estera ny menaka miora, rehefa nokarakaraina ny bika aman’endriny. (Es 2:12) Anisan’ny natao tamin’ny faty nokarakaraina halevina koa ny miora (Jn 19:39, 40), ary toa noheverina ho sarobidy matoa natolotra ho an’ilay nateraka ho mpanjakan’ny Jiosy.—Mt 2:1, 2, 11.