Miriama
(Miriàma) [mety hidika hoe Mpikomy].
1. Zanakavavin’i Amrama sy Jokebeda izay samy avy amin’ny fokon’i Levy. Anabavin’i Mosesy sy Arona i Miriama. (No 26:59; 1Ta 6:1-3) Azo antoka fa izy ilay lazain’ny Baiboly hoe “anabavin’ilay zaza”, na dia tsy notononina mivantana aza ny anarany ao amin’ilay fitantarana momba an’i Mosesy mbola zazakely. Nanara-maso an’ilay vata kely zozoro nisy an’i Mosesy i Miriama mba hahitana izay hanjo azy. Napetraka teny amin’ireo bararata naniry teny amin’ny reniranon’i Neily mantsy ilay vata kely. (Ek 2:3, 4) Hitan’ny zanakavavin’i Farao ilay zazakely, ka “nangoraka” azy izy, ary fantany fa “zanaky ny Hebreo” izy io. Nanontany àry i Miriama raha tokony hiantso vehivavy hebreo izy hampinono an’ilay zaza. Nanaiky ilay zanakavavin’i Farao, ary “lasa niantso ny renin’ilay zaza ilay zazavavy.” Nokaramaina mba hikarakara an’i Mosesy i Jokebeda reniny, taorian’izay, mandra-pahalehiben’ilay zaza.—Ek 2:5-10.
Nitarika an’ireo vehivavy hihira. Nanatri-maso ny nandresen’i Jehovah ny tafik’i Farao teo amin’ny Ranomasina Mena i “Miriama mpaminanivavy”, taona maro tatỳ aoriana. Nitarika an’ireo vehivavy israelita hively ampongatapaka sy handihy izy avy eo, rehefa nihira i Mosesy sy ny lehilahy israelita. Namaly an’ilay hiran’i Mosesy koa izy, ka nihira hoe: “Mihirà ho an’i Jehovah, fa nisandratra avo dia avo izy. Natsipiny tao an-dranomasina ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy.”—Ek 15:1, 20, 21.
Nanakiana an’i Mosesy. Tamin’ny Israelita tany an-tany efitra, dia nanome tsiny an’i Mosesy i Miriama sy Arona, noho ilay vehivavy kosita vadin’i Mosesy. Ankoatra izany, dia nalaza sy nanana fahefana teo amin’ny vahoaka i Mosesy, ka mety ho nialona azy izy mianadahy sady te hahazo fahefana bebe kokoa. Hoy foana izy mianadahy: “Amin’ny alalan’i Mosesy ihany angaha no itenenan’i Jehovah, fa tsy amin’ny alalanay koa?” Nihaino anefa i Jehovah ary tampoka teo dia nasainy nankeo amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy sy Miriama ary Arona. Nampahatsiahy azy mianadahy izy fa mpanompony i Mosesy, iray tam-po amin’izy ireo, ary niteny tamin’i Mosesy ‘nivantana’ Izy fa tsy nampiasa olon-kafa. Nanontany an’i Miriama sy Arona i Jehovah, avy eo, hoe: “Koa nahoana ianareo no tsy natahotra ny hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?” Tezitra be tamin’izy ireo Andriamanitra ka rehefa niala avy teo ambonin’ny tranolay ny rahona, dia hita fa “boka i Miriama ka lasa fotsy be.” Nitalaho i Arona mba hamindrana fo i Miriama. Nivavaka ho an’i Miriama àry i Mosesy. Navelan’i Jehovah hiverina tany an-toby i Miriama rehefa avy natokan-toerana sy afa-baraka nandritra ny fito andro.—No 12:1-15.
I Miriama angamba no tena atidoha nikotrika an’ilay fikomiana, matoa izy ihany no boka. (Jereo ARONA.) Samy nimenomenona tamin’i Mosesy izy mianadahy, saingy mety ho lehibe kokoa noho ny fahotan’i Arona ny an’i Miriama. Mety hoe nanohana fotsiny ny hevitr’ilay anabaviny mantsy i Arona, fa tsy mba niaro an’ilay zaobaviny. Mety ho fialonana an’io vehivavy io mihitsy aza no nahatonga an’i Miriama hanota (satria rehefa nimenomenona tamin’i Mosesy izy mianadahy, dia fanomezan-tsiny azy noho ilay vehivavy kosita vadiny no nanombohan’izy ireo izany). Mpaminanivavy mantsy i Miriama ka mety ho tiany raha izy no vehivavy nalaza indrindra teo amin’ny Israely. Natahotra angamba izy sao halaza kokoa noho izy ilay vadin’i Mosesy. Na marina anefa izany na tsia, dia tena tsy nety ny nataon’izy sy Arona tamin’izy ireo nimenomenona tamin’i Mosesy. Tsy azo nalan-tsiny mihitsy i Miriama, satria tsy nanaiky an’i Mosesy nefa ny vehivavy efa nataon’Andriamanitra hanaiky ny lehilahy. (1Ko 11:3; 1Ti 2:11-14) Notononin’i Mosesy mba ho anatra ilay fahotan’i Miriama, rehefa hifarana ilay dia tany an-tany efitra. Nasainy nanaraka tsara ny toromariky ny mpisorona momba ny habokana mantsy ny vahoaka, ary nasainy nitadidy an’izay nataon’i Jehovah tamin’i Miriama fony vao niala tany Ejipta.—De 24:8, 9.
Maty taloha kelin’i Arona i Miriama, ary nalevina tao Kadesy, tany amin’ny Tany Efitr’i Zina. (No 20:1, 28) Nanana tombontsoa i Miriama tamin’ny fotoana nialan’ny Israelita tany Ejipta, noho ny fiarahany tamin’ireo anadahiny. Niresaka momba izany i Jehovah, taonjato maro tatỳ aoriana, tamin’ny alalan’i Mika mpaminany. Hoy izy: “Nitondra anao niakatra avy tany Ejipta aho, ary avy tao amin’ny trano fanandevozana no nanavotako anao. Ary naniraka an’i Mosesy sy Arona ary Miriama aho mba handeha teo alohanao.”—Mi 6:4.
2. Olona iray anisan’ny taranak’i Joda.—1Ta 4:1, 17, 18.