Mirta
(mìrta) [heb.: hadas].
Hazo madinika na lehibe fahita any Israely sy Libanona ny mirta (Myrtus communis), izay maniry tsara amin’ny tany be vato, ary mety hahatratra 9 m, fa mazàna 2 ka hatramin’ny 3 m ihany. Maitsoririnina izy io, be sampany, maitso be ny raviny matevina sy mangirana, ary lasa voany manga mainty ny voninkazony fotsy manitra mitsitokotoko. Saika ilay hazo manontolo no ahazoana menaka manitra fanao ranomanitra. Manitra ny voany nefa azo hanina. Any Galilia Ambony sy eny amin’ny lohasahan’i Jordana no Za 1:8-11, 16.
tena misy mirta maniry ankehitriny, nefa misy koa ny faritr’i Jerosalema, toy ny tamin’ny fotoana nahazoan’i Zakaria fahitana.—Nanaovan’ny Hebreo trano rantsankazo ho an’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo ny sampan’ny mirta manitra sy ny an’ny hazo hafa. (Ne 8:14, 15) Haniry ho solon’ny tsilo sy haniry any an-tany efitra ny hazo mirta manitra sy tsara tarehy, hoy ny faminaniana, rehefa mody any amin’ny taniny ny Israelita.—Is 41:19; 55:13.
Nanana anarana hebreo hoe Hadasa, midika hoe “Mirta”, i Estera vadin’i Ahasoerosy mpanjakan’i Persa.—Es 2:7.