Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misaela

Misaela

(Misaèla) [mety hidika hoe Iza no Tahaka An’Andriamanitra?; na Iza no An’Andriamanitra?].

1. Levita Kehatita zanakalahin’i Oziela. (Ek 6:18, 22) Novonoin’i Jehovah i Nadaba sy Abiho zanak’i Arona fa nanolotra afo tsy ara-dalàna, ka i Misaela sy Elizafana rahalahiny no nitondra ny fatin’izy ireo tany ivelan’ny toby.​—Le 10:1-5.

2. Anaran’ny iray tamin’ny Jodianina telo lahy naman’i Daniela. “Mesaka” no anarana nomen’ny lehiben’ny tandapa tao Babylona azy.​—Da 1:6, 7; jereo MESAKA.

3. Anisan’ireo nijoro teo ankavian’i Ezra mpanao dika soratra, fony izy namaky ny bokin’ny Lalàna tamin’ny Jiosy tafavory tao Jerosalema, taorian’ny sesitany tany Babylona.​—Ne 8:3, 4.