Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misrefota-maima

Misrefota-maima

(Misrefòta-màima) [Fandoroana eo Amin’ny Rano].

Tonga hatrany amin’io toerana io ny Israelita rehefa nanenjika an’ireo tafiky ny mpanjaka kananita tany avaratra izay niray dina tamin’i Jabina, ka resy teo amin’ny ranon’i Meroma. (Js 11:1-5, 8) Anisan’ny tany mbola tsy azo ny faritra nanomboka tany Libanona ka hatrany Misrefota-maima, rehefa nozaraina ho lovan’ny Israelita ny Tany Nampanantenaina. (Js 13:2, 6) Misy milaza an’i Misrefota-maima ho ilay tanàna rava fahiny ao Kirbet el-Mosheirefeh (Horvat Mashref), tokotokony ho 20 km any avaratra avaratratsinanan’i Ako (ʽAkko). Raha teo tokoa no nisy an’i Misrefota-maima, dia mora tamin’ny mponina tao ny nankao amin’ireo tanàna teo amin’ny Lemak’i Ako sy ny Debok’i Hola. Angamba ireo loharano mafana tokotokony ho 180 m avy eo amin’ilay toerana no nahatonga ilay anarana hoe Misrefota-maima (midika hoe “Fandoroana eo Amin’ny Rano”).