Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miteny Mafy, Mananatra Mafy

Miteny Mafy, Mananatra Mafy

Mibedy na miteny olona iray na manao zavatra mba handrarana azy. Izany matetika no dikan’ilay matoanteny hebreo hoe gaʽar. (Ge 37:10) ‘Mananatra’ na miteny mafy (Jb 11:3) no andikana ny matoanteny hebreo hafa iray, ary midika ara-bakiteny izy io hoe “mampietry.” “Fitenenana mafy [olona iray]” na “fanaovana teny henjana [aminy]” (2Mp 19:3) no andikana ny anarana hebreo iray, izay midika ara-bakiteny hoe “fananarana.” Epitimaô kosa ny teny grika ilazana ny hoe “miteny mafy [olona].” Kanefa mety hidika koa hoe ‘mandrara mafy’, ‘mibedy’ ny hoe epitimaô.​—Mt 12:16; 19:13.

“Misakana” na “mampitsahatra” no dikan’ny hoe “miteny mafy”, rehefa tsy ampiasaina amin’ny olona. Niteny mafy an’ireo voa nafafy, ohatra, i Jehovah araka ny teny tany am-boalohany, izany hoe ‘nanapotika’ an’ireo voa nafafy izy mba hisakanana azy ireny tsy hamokatra be. (Ml 2:3) Noteneniny mafy koa ny bibikely mpanimba voly. Midika izany fa nampitsahatra ny fanimbana nentin’izy ireny izy. (Ml 3:11) Noharin’ny mpanao salamo tamin’ny biby ireo fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra, ka niangavy ny Avo Indrindra izy mba hisakana azy ireo tsy hanisy ratsy. Hoy izy: “Teneno mafy ny bibidia any anaty bararata, sy ny andian’ombilahy.” (Sl 68:30) Niteny mafy ny rivotra sy ny fanaviana koa i Jesosy Kristy.​—Mr 4:39; Lk 4:39.

Midika hoe “mandrahona” koa indraindray ny hoe miteny mafy na mananatra mafy. Ilay hoe “anatra mafy nataonao” ao amin’ny Salamo 80:16, ohatra, dia midika ara-bakiteny hoe “anatra mafin’ny endrikao”, izany hoe hita eny amin’ny endriny hoe mandrahona izy.

Misy vokany ny tenin’i Jehovah rehefa miteny mafy olona na zavatra izy. Manasongadina ny hery lehibe ananany izany. Ohatra miavaka amin’izany ny nampisarahany ny Ranomasina Mena.​—Sl 106:9.

Marim-pototra na tsia. Mety hiteny mafy olona iray ny hafa. Mety ho marim-pototra na tsia ny antony anaovany izany. Niteny mafy an’i Josefa, ohatra, i Jakoba rainy, noho i Josefa nitantara nofy milaza zavatra toa tsy fanaon’ny ray aman-dreny amin’ny zanaka. (Ge 37:10) Niteny mafy an’i Jesosy koa i Petera rehefa nilaza tamin’ny mpianany izy hoe hijaly sy hovonoina ho faty. Hoy i Petera: “Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao, Tompo ô! Tsy hanjo anao mihitsy izany.” (Mt 16:22) Diso anefa i Petera, ka rariny raha niteny mafy azy toy izao i Jesosy: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy ny hevitr’Andriamanitra no eritreretinao, fa ny an’ny olombelona.”​—Mr 8:33.

Mahasoa. Marina fa mety handratra fo ny hoe tenenina na anarina mafy, nefa manoro hevitra toy izao ny Soratra Masina: “Aleo mihaino ny anatra mafy omen’olon-kendry toy izay mandre ny hiran’ny adala.” (Mpto 7:5) Hihatsara mantsy ny fitondran-tenan’ny olona iray, raha mahay mandray ny anatra mafy omen’ny olon-kendry izy ka mankatò izany. Misy vokany amin’ny olona misaina ny teny henjana indray mandeha, fa tsy mampihontsina ny adala kosa na dia kapoka injato aza. (Oh 17:10) Mety hahatonga saina ny olona iray nanota ny fandroahana, izany hoe ny fananarana mafy omen’ny fiangonana. Azo inoana fa izany no nitranga tamin’ilay lehilahy nanambady ny vadin-drainy, tany Korinto.​—2Ko 2:6, 7; 1Ko 5:1-5.