Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitredata

Mitredata

(Mitredàta) [avy amin’ny teny persianina, ary midika hoe “Fanomezan’i Mithra”].

1. Mpitahiry ny harenam-panjakana tamin’ny andron’i Kyrosy. Nasain’ny mpanjaka natolony an’ireo Israelita hody any Jerosalema ny fitaovana volamena sy volafotsy 5400 teo ho eo nobaboina avy tao an-tempoly.​—Ezr 1:7, 8, 11.

2. Mpanohitra an’ireo Jiosy nanorina indray ny tempoly taorian’ny sesitany. Anisan’ny nanoratra ho an’i Artaksersesy mpanjakan’i Persa izy hiampangana azy ireo.​—Ezr 4:7.