Mitylena
(Mitylèna).
Tanàna lehibe tany amin’ny nosy Lesbos, any amin’ny Ranomasina Égée, lavidavitry ny morontsiraka andrefan’i Azia Minora. Rehefa nitodi-doha ho any Jerosalema ny apostoly Paoly (t. 56), dia nankany Mitylena ny sambo nitondra azy avy tao Aso, tao amin’ny seranan’i Azia Minora, tokony ho 45 km tany avaratra avaratrandrefana. (As 20:14) Tsy voalaza hoe nidina an-tanety i Paoly rehefa tonga tao Mitylena ilay sambo. Mety hidika izany fa niantsona tao fotsiny ilay sambo, angamba satria tsy ampy ny rivotra hanosika azy avy any avaratra. Nanohy ny diany nankany atsimo atsimoandrefana tany Kio ilay sambo ny ampitso.—As 20:15.
Voalaza fa nosy kely teo akaikin’ny morontsiraka atsinanan’i Lesbos i Mitylena tany am-boalohany. Nihalehibe anefa ilay tanàna ka lasa nisy fefiloha nampifandray azy io tamin’i Lesbos, ary nitatra nanaraka ny morontsiraka ilay tanàna. Mety ho nisy seranana tany avaratra sy atsimon’ilay fefiloha. Nalaza ilay tanàna noho izy io foiben’ny fianarana asa soratra sy noho ireo trano tsara tarehy tao.