Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mizana

Mizana

Fitaovana fandanjana. Tsotra ny mizana fahiny: Tsivalan-kazo mihantona amin’ny hazokely na tady ny eo afovoany, ary misy lela-mizana na faraingo mihantona eo amin’ny andaniny roa. Natao teo amin’ny lela-mizana iray (na nahantona tamin’ny faraingo, ohatra raha kitapom-bola kely) ny zavatra nolanjaina, ary teo amin’ny lela-mizana ilany kosa ny vatomizana. (Je 32:10; Is 46:6; Ge 23:15, 16; Ezk 5:1; jereo VOLA.) Na ny sakafo aza nolanjaina tsara rehefa nisy mosary. Nitana mizana ilay nitaingina soavaly mainty resahin’ny Apokalypsy 6:5 “mba handanjana mofo. Midika izany hoe ... ho sarotra ny fiainana satria ho lafo be ny sakafo.”​—Ny Fanazavana ny Testamenta Grika, nataon’i W. Nicoll, 1967, Boky Faha-5, p. 390.

Notakin’i Jehovah ny hanaovana ny marina sy hampiasana mizana marina. (Le 19:35, 36) Maharikoriko azy mantsy ny mizana mandainga (Oh 11:1; 16:11; Ezk 45:10), ohatra hoe tsy mitovy ny halavan’ireo fihantonan’ny lela-mizana, na somary fohy ka tsy mihetsika firy ny lela-mizana, na matevina sy mavesatra kokoa ilay hazo mitsivalana. Nisy Israelita nangala-danja (Ho 12:7; Am 8:5), na namitaka satria vatomizana hafa no nampiasainy rehefa nividy ary hafa rehefa nivarotra.​—Oh 20:23.

Voaresaka koa ny mizana an’ohatra, toy ilay noresahin’i Joba hoe: “Atao eo amin’ny mizana ny loza manjo ahy.” (Jb 6:2) Tena bitika ny olombelona matoa voalaza hoe maivana noho ny fofonaina eo amin’ny mizana. (Sl 62:9) Toy ny vovoka manify eo amin’ny mizana koa ireo firenena amin’i Jehovah, izay afaka mandanja ny havoana rehetra amin’ny mizana. (Is 40:12, 15) Ilazana fitsarana marina koa ny hoe mizana indraindray.​—Jb 31:6; Da 5:27.