Moaba
(Moàba), Moabita (Moabìta).
1. Zanakalahin’i Lota naterany tamin’ny zanany vavimatoa. Teraka i Moaba sy Amona rahalahiny, rehefa avy nandao an’i Zoara i Lota sy ireo zanany vavy, ka nipetraka tao anaty lava-bato teny amin’ny faritra be tendrombohitra teny akaiky. Razamben’ny Moabita i Moaba.—Ge 19:30-38.
2. Nantsoina hoe “Moaba”, “faritr’i Moaba”, na “sahan’i Moaba” ny faritra nonenan’ny Moabita fahiny. (Ge 36:35; No 21:20; Rt 1:2; 1Ta 1:46; 8:8; Sl 60:8) Ny Emima no voalohany nonina tany, saingy toa noroahin’ny Moabita izy ireo. (De 2:9-11; ampit. and. 18-22.) Toa ireto avy ny sisin-tanin’i Moaba, rehefa hifarana ny dian’ny Israely tany an-tany efitra: Ny lohasaha falehan-driakan’i Zareda tany atsimo, ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona tany avaratra (nielanelana 50 km teo ho eo ireo lohasaha ireo), ny Ranomasina Maty tany andrefana, ary ny Tany Efitr’i Arabia tany atsinanana (tsy voafaritra tsara izy io). (No 21:11-13; De 2:8, 9, 13, 18, 19) Lembalemba elanelanin’ny hadilanana ilay faritra, ary mitsatoka midina mankany amin’ny Ranomasina Maty. Mirefy 900 m eo ho eo ny haavony ambonin’ny Ranomasina Mediterane. Niraoka ahitra teny ny andian’ondry maro (2Mp 3:4), ary nisy tanimboaloboka sy saham-boankazo teny. (Ampit. Is 16:6-10; Je 48:32, 33.) Naniry teny koa ny varimbazaha.—Ampit. De 23:3, 4.
Anisan’i Moaba fahiny ny ‘lemaka karakaina tany Moaba, teny ampitan’i Jordana sady tandrifin’i Jeriko’ tany avaratr’i Arnona. (No 22:1) Lasan’i Sihona mpanjakan’ny Amorita anefa io lemaka io, talohan’ny nahatongavan’ny Israelita. I Arnona indray àry no sisin-tanin’i Moaba tany avaratra. (No 21:26-30; Mpts 11:15-18) Resin’i Sihona koa ny Amonita ka nikisaka nianavaratra sy niantsinanana. Nampisaraka ny tanin’ny Moabita sy Amonita ireo faritany azon’ny Amorita tamin’ireo firenena roa ireo. Ny tanin’ny Amorita àry no tany avaratr’i Moaba, ary ny an’ny Edomita kosa no tany atsimony. (Mpts 11:13, 21, 22; ampit. De 2:8, 9, 13, 14, 18.) Efa nisy fotoana nahatratra 100 km teo ho eo ny lavan’i Moaba hatrany avaratra ka hatrany atsimo, ary 40 km ny sakany.
Mbola nantsoina hoe “tany Moaba” ihany ilay faritr’i Moaba lasan’ny Amorita. (De 1:5) Teo amin’io faritra io ny Israelita no nitoby talohan’ny niampitany an’i Jordana. (No 31:12; 33:48-51) Teo indray no nosoratana anarana ny lehilahy israelita 20 taona no ho miakatra. (No 26:2-4, 63) Teo koa no nanomezana ireo didin’Andriamanitra sy didim-pitsarany momba ny tanànan’ny Levita sy ny tanàna fialokalofana ary ny anjara lova. (No 35:1–36:13) Teo i Mosesy no namela hafatra farany sy nanao fifanekena tamin’ny Israely, mba handrisihana azy ireo tsy hivadika amin’i Jehovah. (De 1:1-5; 29:1) Farany, niakatra teo amin’ny Tendrombohitra Nebo i Mosesy mba hitazana ny Tany Nampanantenaina, ary maty teo. Nisaona azy 30 andro teo amin’ilay lemaka karakaina tany Moaba ny Israely.—De 32:49, 50; 34:1-6, 8.
Fifandraisan’ny Moabita tamin’ny Israely. Havan’ny Israelita ny Moabita, satria taranak’i Lota zana-drahalahin’i Abrahama. Nitovy be ny fitenin’izy ireo, araka ny hita eo amin’ilay Vato Moabita. Toa nifora koa ny Moabita, toy ny Israelita ihany. (Je 9:25, 26) Tena nankahala ny Israely anefa ny Moabita afa-tsy ny vitsivitsy taminy ihany, toa an’i Rota sy Jitma lehilahy maherin’i Davida Mpanjaka.—Rt 1:4, 16, 17; 1Ta 11:26, 46.
Talohan’ny nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Voalazan’ny hiran’i Mosesy fa ho tora-kovitra “ny mpitondra jadon’i Moaba”, rehefa mandre fa naringan’i Jehovah tao amin’ny Ranomasina Mena ny tafik’i Ejipta. (Ek 15:14, 15) Natahotra tokoa ny Moabita matoa tsy namela ny Israely handalo tao amin’ny taniny, 40 taona teo ho eo tatỳ aoriana. (Mpts 11:17) Tsy navelan’Andriamanitra hanafika azy ireo anefa ny Israelita. Nihodidina an’i Moaba àry ny Israelita rehefa tonga teo amin’ny sisin-taniny atsimo, teo amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Zareda. (No 21:11-13; De 2:8, 9; Mpts 11:18) “Tsy nanampy” azy ireo ny Moabita ‘ka tsy nanome azy mofo sy rano’ (De 23:3, 4), raha tsy nomena vola. Nivarotra sakafo sy rano taminy mantsy ny Moabita. (De 2:26-29) Midika izany fa tsy nandray tsara azy ireo ny Moabita.
Nifanandrina tamin’ny tafik’i Sihona mpanjakan’ny Amorita (ilay naka ny tanin’ny Moabita avaratr’i Arnona) ny Israely, rehefa avy niampita ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona. Resin’izy ireo io mpanjaka io sy Oga mpanjakan’i Basana, noho ny fanampian’Andriamanitra. Nitoby teo amin’ny lemaka karakaina tany Moaba izy ireo avy eo. (No 21:13, 21–22:1; De 2:24–3:8) Nihorohoro sy raiki-tahotra mafy ny Moabita sy Balaka mpanjakany noho ny hamaroan’ny Israelita. Natahotra i Balaka sao ho lasan’ny Israelita koa ny taniny, na dia tsy notakiny aza ny hamerenana ny faritanin’ny Moabita lasan’ny Amorita ary avy eo lasan’ny Israelita. Naka hevitra tamin’ny anti-panahin’ny Midianina àry izy, ka naniraka an’ireo anti-panahin’i Moaba sy Midianina haka an’i Balama mpaminany sy hanakarama azy hanozona ny Israely. (No 22:2-8; ampit. Mpts 11:25.) Toy izany ny fomba ‘niadian’i’ Balaka tamin’ny Israelita. (Js 24:9) Navadik’i Jehovah ho tsodrano anefa ny ozon’i Balama, ary nasainy nanambara izy fa ho resin’ny Israely i Moaba. (No toko 23, 24; Js 24:10; Ne 13:1, 2; Mi 6:5) Narahina avy eo ny soso-kevitr’i Balama, ka notaomin’ny vehivavy moabita sy midianita hijangajanga sy hanompo an’i Balan’i Peora ny lehilahy israelita. Maro ny Israelita resin’ilay fakam-panahy, ka nampahatezitra an’i Jehovah. Nisy 24 000 àry no maty. (No 25:1-3, 6, 9; 31:9, 15, 16) Tsy nahazo niditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah ny Moabita, “na hatramin’ny taranany fahafolo aza”, satria tsy nanome mofo sy rano ho an’ny Israelita sady nanakarama an’i Balama hanozona azy.—De 23:3, 4; jereo AMONITA (Nifanambady tamin’ny Israelita).
Tamin’ny andron’ny Mpitsara. Toa nitarin’ny Moabita tany avaratr’i Arnona ny taniny, tamin’ny andron’ny Mpitsara. Nobodoin’i Eglona mpanjakany koa ny faritanin’ny Israelita teo andrefan’i Jordana hatrany Jeriko, “ilay tanàna be hazo palmie.” (Mpts 3:12, 13; ampit. De 34:3.) Nofehezin’i Moaba nandritra ny 18 taona ny Israely, mandra-pamonon’i Ehoda (Benjamita kavia) an’i Eglona Mpanjaka, tamin’izy niresaka nitokana taminy. Notarihin’i Ehoda hiady tamin’ny Moabita avy eo ny Israelita. Resiny ny Moabita ka 10 000 teo ho eo no matiny.—Mpts 3:14-30.
Nisy mosary tany Joda tamin’izany fotoana izany. Nifindra monina tany Moaba àry i Elimeleka sy Naomy vadiny, mbamin’i Malona sy Kiliona zanany mirahalahy. Nanambady an’i Rota sy Orpa vehivavy moabita izy roa lahy tany. Maty tany anefa izy mirahalahy sy ny rainy. Tsy nisy mosary intsony koa tany Israely, ka niverina tany Betlehema i Naomy, niaraka tamin’i Rota. Efa tsy nanompo an’ireo andriamanitry ny Moabita intsony i Rota fa lasa mpivavaka tamin’i Jehovah. Lasa razamben’i Davida sy Jesosy Kristy i Rota Moabita, rehefa naka azy ho vady i Boaza, havan’i Elimeleka.—Rt 1:1-6, 15-17, 22; 4:13, 17.
Mpts 10:6; No 21:29; Je 48:46) Nanaraka ny fivavahan-dison’ireo firenena nanodidina izy ireo ka tsy nankasitrahan’i Jehovah. Nampahorin’ny fahavalony àry izy ireo. (Mpts 10:7-10) Mbola nampijalin’ny Moabita foana ny Israelita nivadika, tamin’ny andron’i Samoela.—1Sa 12:9-11.
Nanomboka nanompo an’ireo andriamanitry ny Moabita, toa an’i Kemosy, anefa ny Israely tamin’ny andron’ny Mpitsara. (Tamin’ny andron’i Saoly, Davida, ary Solomona Mpanjaka. Mbola nampahory ny Israely foana ny Moabita, taona maro tatỳ aoriana. Resin’i Saoly, mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely, anefa izy ireo. (1Sa 14:47) Fahavalon’izy ireo i Saoly, ka tsy mahagaga raha navelan’ny mpanjakany hipetraka tany Mizpe tany Moaba ny ray aman-drenin’i Davida. Nataon’i Saoly fahavalom-pirenena mantsy i Davida tamin’izay.—1Sa 22:3, 4.
Niady tamin’ny Israely koa i Moaba rehefa lasa mpanjaka i Davida. Resy tanteraka anefa ny Moabita ka nandoa hetra taminy. Toa ny roa ampahatelon’ny miaramila moabita no novonoina, rehefa vita ilay ady. Mety ho nasain’i Davida nitsotra tamin’ny tany izy ireo ary norefesina tamin’ny tady, ka natokana hovonoina ny roa ampahatelony, fa ny ampahatelony kosa tsy novonoina. (2Sa 8:2, 11, 12; 1Ta 18:2, 11) Toa tamin’io ady io koa i Benaia zanak’i Joiada no “nahafaty an’ireo roa lahy zanak’i Ariela avy any Moaba.” (2Sa 23:20; 1Ta 11:22) Anisan’ny nanatanteraka ilay faminaniana nambaran’i Balama 400 taona mahery talohan’izay àry i Davida. Hoy ilay faminaniany: “Hisy kintana hivoaka avy amin’i Jakoba, ary hisy tehim-panjakana hipoitra avy amin’ny Israely. Hovakiny ny fihirifan’i Moaba, sy ny karandohan’ny zanak’ireo tia ady.” (No 24:17) Toa io fandresena io koa no tian’ny mpanao salamo horesahina rehefa nilaza izy hoe ‘koveta isasan’Andriamanitra’ i Moaba.—Sl 60:8; 108:9.
I Solomona zanak’i Davida kosa tsy niraharaha ny lalàn’Andriamanitra, fa nanambady vehivavy moabita tsy nanompo an’i Jehovah. Nanorina toerana avo ho an’i Kemosy andriamanitry ny Moabita izy mba hampifaliana azy ireny. Efa tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka, 300 taona teo ho eo tatỳ aoriana, vao nozimbazimbaina ilay toerana avo mba tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony.—1Mp 11:1, 7; 2Mp 23:13.
Talohan’ny nanaovana sesitany ny Jodianina. Toa azon’ny Moabita indray ny faritra tany avaratr’i Arnona, rehefa nisaraka tamin’ny Joda ny Israely. Voalazan’i Mesa mpanjakan’i Moaba ao amin’ilay Vato Moabita (vatovy na bazalta mainty) mantsy, fa nalain’i Omry mpanjakan’ny Israely ny faritr’i Medeba. Tao amin’ny faritanin’i Robena ny lembalemban’i Medeba (Js 13:15, 16), nefa toa lasan’ny Moabita. Voatery naka azy io indray àry i Omry tatỳ aoriana.
Mbola nofehezin’ny Israely i Moaba tamin’ny andron’i Omry sy Ahaba Mpanjaka. “Nandoa hetra ho an’ny mpanjakan’ny Israely” i Mesa mpanjakan’i Moaba, “dia zanak’ondry iray hetsy sy ondrilahy iray hetsy mbola tsy nohetezana.” Nikomy anefa i Mesa rehefa maty i Ahaba. (2Mp 1:1; 3:4, 5) Natao ho fahatsiarovana an’io fikomiana io ilay Vato Moabita. (SARY, Boky 1, p. 946) Raha mifanitsy amin’ny toerana resahin’ny Baiboly ireo resahin’ilay Vato, dia tao amin’ny faritanin’ny Israely avaratr’i Arnona ny 10 tamin’ireo tanàna nolazain’i Mesa Mpanjaka fa nofeheziny na nobaboiny na naoriny (indray): Dibona, Atarota, Aroera, Kiriataima, Nebo, Bala-meona (No 32:34, 37, 38), Medeba, Bamota-bala, Jahaza (Js 13:9, 17-19), ary Bezera (Js 20:8).
Fieboeboana fotsiny anefa ny an’i Mesa. Milaza mantsy ny Soratra Masina fa resy tanteraka ny Moabita. Nampian’i Josafata mpanjakan’ny Joda sy ny mpanjakan’i Edoma i Jorama (lasa mpanjakan’ny Israely roa taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Ahaba), ka nandeha nanafika an’i Moaba. Nianatsimo namakivaky ny Tany Efitr’i Edoma izy ireo. Saika maty anefa ireo tafika telo sy ny soavaliny satria tsy nisy rano. Nitady vonjy tamin’i Elisa mpaminany àry izy ireo. Nanampy azy ireo i Jehovah noho ny amin’i Josafata, ka nataony feno rano ilay lohasaha falehan-driaka, araka ny faminanian’i Elisa. Toy ny ra no fahitan’ny Moabita ilay rano ny ampitso maraina, rehefa notarafin’ny masoandro. Nihevitra izy ireo fa nifamono ireo mpanafika ka sahiny ny niditra tao an-tobin’ny Israelita. Efa nandrasan’ny mpanafika anefa izy ireo ka vaky nandositra. Noravana ny tanànany, nofenoina vato izay tany tsara rehetra, nokapaina ny hazo, ary notampenana ny loharano. Tsy afa-nivoaka tao amin’ny tanànan’i Kira-haresa i Mesa Mpanjaka. Niezaka mafy nanavatsava ho any amin’ny mpanjakan’i Edoma izy sy ny miaramila 700, nefa tsy nahomby. Farany, nalainy ny zanany lahimatoa ka natolony ho fanatitra dorana teo ambony manda. ‘Niharan’ny fahatezerana mafy ny Israely’ noho izany na noho ny antony hafa, ka tsy nanao fahirano an’ilay tanàna intsony.—2Mp 3:6-27.
Ravarava sy simba i Moaba taorian’iny fahareseny iny, ka ela be vao tafarina indray. Vao nanjaka kelikely àry angamba i Josafata no niray dina tamin’i Amona sy ny avy amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira i Moaba, mba hanafika an’i Joda. Nataon’i Jehovah nifamely sy nifandringana anefa ireo tafika telo ireo. (2Ta 20:1, 22-24) Io zava-nitranga io no tian’ny Salamo 83:4-9 horesahina, hoy ny manam-pahaizana sasany.—Ampitahao ny 2Ta 20:14 sy Sl 83, t.m.
Mbola nankahala ny Israely foana i Moaba tatỳ aoriana. Nisy Moabita mpandroba tonga nanafika an’i Israely matetika, rehefa maty i Elisa 2Mp 13:20) Anisan’ireo nandravarava an’i Joda koa ny Moabita mpandroba tamin’ny andron’i Joiakima, 200 taona teo ho eo tatỳ aoriana. (2Mp 24:2) Nialokaloka tany Moaba ny Jiosy, rehefa noravana i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Niverina tany Joda indray anefa izy ireo, rehefa voatendry ho governora i Gedalia.—Je 40:11, 12.
mpaminany. (Taorian’ny sesitany. Nanambady vehivavy moabita ny Israelita sasany niverina avy tany Babylona tamin’ny 537 T.K. Nanaraka ny torohevitr’i Ezra anefa izy ireo ka nandroaka an’ireny vadiny ireny sy ny zanak’ireny. (Ezr 9:1, 2; 10:10, 11, 44) Mbola maro koa ny Israelita nanambady vehivavy moabita tatỳ aoriana, tamin’ny andron’i Nehemia.—Ne 13:1-3, 23.
Faminaniana momba an’i Moaba. Nanohitra ny Israely hatry ny ela i Moaba, ka voatonona miaraka amin’ireo fahavalon’ny vahoakan’i Jehovah. (Ampit. Is 11:14.) Nomelohina izy noho izy nandatsa ny Israely sy nirehareha ary nanambony tena. Ho lao toa an’i Sodoma koa àry izy. (Ze 2:8-11; jereo koa Je 48:29.) Hahita loza i Moaba, hoy i Amosa tamin’ny faramparan’ny taonjato fahasivy T.K., satria “nandoro ny taolan’ny mpanjakan’i Edoma mba hahazoana sokay.” (Am 2:1-3) Misy mihevitra fa ny lahimatoan’ny mpanjakan’i Edoma, fa tsy ny zanakalahin’i Mesa Mpanjaka, no nolazain’ny 2 Mpanjaka 3:26, 27 hoe nataony sorona. Tsy mitombina anefa izany. Misy kosa lovantsofina jiosy milaza fa taorian’iny ady tamin’i Mesa iny no nofongarin’ny Moabita ny taolambalon’ny mpanjakan’i Edoma, ka nodorany mba hahazoana sokay. Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe oviana no tanteraka ilay faminaniana.
Nosoratana taloha na taoriana kelin’ny nahafatesan’i Ahaza Mpanjaka ny bokin’ny Isaia (toko 15, 16) tamin’ny taonjato fahavalo T.K., ary i Asyria no firenena natanjaka indrindra tamin’izay. Resahin’ireo toko ireo fa hiharan-doza ny tanàna moabita maromaro. Hoy ny andininy farany: “Izao kosa no lazain’i Jehovah ankehitriny: ‘Ao anatin’ny telo taona, araka ny taona iasan’ny mpikarama, dia ho afa-boninahitra i Moaba sady hisy sahotaka isan-karazany ao aminy, ary olona vitsy dia vitsy tsy matanjaka no sisa hiangana.’”—Is 16:14.
Tsy resahin’ny tantara hoe oviana marina no tanteraka ny faminanian’i Isaia sy Amosa. Voaporofo anefa fa nofehezin’ny Asyrianina i Moaba. Nilaza, ohatra, i Tiglato-pilesera III mpanjaka asyrianina fa anisan’ireo nandoa hetra taminy i Salamano mpanjakan’i Moaba. I Sankeriba kosa nilaza fa nandoa hetra taminy i Kamosonadbi mpanjakan’i Moaba. I Esara-hadona sy Asorobanipala mpanjaka asyrianina indray nilaza fa nofehezin’izy ireo i Mosori sy Kamashalto mpanjaka moabita. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 282, 287, 291, 294, 298) Nahita porofo koa ny mpikaroka fa nafindra monina ny mponina tany amin’ny toerana maro tany Moaba, tamin’ny taonjato fahavalo T.K. tany ho any.
Naminany i Jeremia tamin’ny taonjato fahafito T.K. hoe ho avy ny fotoana hanaovan’i Jehovah ampamoaka an’i Moaba (Je 9:25, 26), amin’ny alalan’i Nebokadnezara mpanjakan’ny Babylonianina. (Je 25:8, 9, 17-21; 27:1-7) Ho aolo àry ny tanàna maro any Moaba. (Je 48) Toa niteny toy izao mantsy ny Moabita, rehefa navelan’i Jehovah horavan’ny Babylonianina i Joda: “Hay sahala amin’ny firenen-drehetra ihany ny taranak’i Joda!” Tsy fantatr’izy ireo anefa fa nampiharina tamin’i Joda ny didim-pitsaran’Andriamanitra ary vahoakany ny mponina tao. Hahita loza àry ny Moabita ka ‘ho fantany i Jehovah.’—Ezk 25:8-11; ampit. Ezk 24:1, 2.
Nilaza i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, fa niverina niady tamin’i Cœlésyrie sy Amona ary Moaba i Nebokadnezara, dimy taona taorian’ny nandravany an’i Jerosalema. Nanafika an’i Ejipta izy avy eo. (Rakitry ny Ela Jiosy, X, 181, 182 [ix, 7]) Nahita porofo ny mpikaroka fa lao tokoa i Moaba. Hoy Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny: “Voamarin’ny mpikaroka fa nafindra monina ny mponina maro tany Moaba nanomboka teo am-piandohan’ny taonjato fahenina t., sy ny mponina tany amin’ny toerana maro nanomboka tamin’ny taonjato fahavalo t. Nivezivezy eran’ilay tany àry ireo mpifindrafindra monina, nanomboka tamin’ny taonjato fahenina. Efa tamin’ny taonjato faharoa na voalohany T.K. tany ho any vao afaka nanorim-ponenana indray izy ireo, rehefa nilamina ny toe-draharaha politika ary nihatsara ny toe-karena.”—Nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-3, p. 418; ampit. Ezk 25:8-11.
Azo inoana fa namela ny Moabita tany an-tsesitany hody i Kyrosy, ilay nandresy an’i Babylona. Tanteraka tamin’izay ny Jeremia 48:47.
Tsy azo lavina fa tanteraka tokoa ireo faminaniana momba an’i Moaba. Tsy nisy intsony ny firenena moabita, an’arivony taona lasa izay. (Je 48:42) Efa ravarava izao i Nebo, Hesbona, Aroera, Beti-gamola, ary Bala-meona, izay heverina fa tanàna moabita. Tsy fantatra koa ankehitriny ireo tanàna hafa tany Moaba.
Ny Baiboly ihany no manazava hoe nahoana no nanjavona ny Moabita. Hoy Ny Rakipahalalana Britannica (Boky Faha-15, p. 629), fanontana 1959: “Mbola natanjaka ny firenen’Israely rehefa nanjavona i Moaba. Marina fa nanafika an’i Moaba foana ireo foko avy any an-tany efitra. Tena mora notafihina koa ilay tany matoa ahitana toerana voaro mafy sy lapa maro efa ravarava, ary voatery nanorina azy ireny mihitsy aza ny Romanina. Ny tantaran’ny Israely, indrindra fa ireo faminaniana, anefa no tena manazava ny antony nanjavonan’ny Moabita.”
Daniela 11:41 hoe anisan’ireo firenena mbola hisy “amin’ny fotoanan’ny farany” i Moaba. (Da 11:40) Firenena tsy voafehin’ny “mpanjakan’ny avaratra” no tiana holazaina amin’ny hoe Moabita.
Manana heviny an’ohatra àry ilay filazan’nyMisy fanazavana momba an’ilay Vato Moabita ao amin’ny MESA No. 2.