Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mofo

Mofo

Sakafo vita amin’ny varimbazaha na voamadinika hafa nototoina, asiana lalivay na tsia, ary andrahoina anaty lafaoro. Foto-tsakafon’ny firenena maro fahiny ny mofo (heb.: lehem; gr.: artôs), ary nahay nanao mofo ny Israelita, Ejipsianina, Grika, Romanina, ary firenen-kafa. Ny mofo no mbola foto-tsakafo any amin’ny faritra sasany any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Ilazan’ny Baiboly ny sakafo amin’ny ankapobeny ny hoe “mofo” indraindray, toy ny ao amin’ny Deoteronomia 8:3 sy ao amin’ilay vavaka modely hoe: “Omeo anay anio izay mofo sahaza anay anio.”​—Mt 6:11, f.a.p.

Lafarinina varimbazaha na lafarinina vary orza no nanaovan’ny Hebreo mofo. Lafo kokoa ny varimbazaha, ka matetika mofo vita tamin’ny vary orza no nohanin’ny olona, toy izay resahin’ny Mpitsara 7:13 sy 2 Mpanjaka 4:42 ary Jaona 6:9, 13 (f.a.p.). Nisy lafarinina tsy dia tsara toto, toy izay nampiasana fanoto sy laona, nefa nisy koa “tsara toto.” (Ge 18:6; Le 2:1; 1Mp 4:22) Nototoin’ny Israelita tamin’ny vato fikosoham-bary na tao anaty laona ny mana nomen’i Jehovah Andriamanitra azy tany an-tany efitra.​—No 11:8.

Nitoto vary sy nanao mofo isan’andro ny Hebreo. Matetika no tsy nasiana lalivay (heb.: mats·tsah) ny lafarinina, fa nafangaro rano fotsiny. Novolavolaina ilay koba avy eo. Ampahany kely tamin’ilay koba kosa no nalaina ka navela hiotrika, nopotipotehina tao anaty rano, ary nafangaro tamin’ny lafarinina hafa mba hanaovana mofo misy lalivay. Novolavolaina ilay koba vaovao, ary navela hitombo.​—Ga 5:9; jereo LALIVAY.

Boribory matetika ny mofo. (Mpts 7:13; 1Sa 10:3) Midika ara-bakiteny hoe “zavatra boribory” ny teny hebreo hoe kikkar (mofo boribory). (1Sa 2:36) “Mofo boribory” (heb.: ʽogôht) no nasain’i Abrahama nataon’i Saraha ho an’ny anjely nitafy nofo tonga nitsidika azy. (Ge 18:6; jereo koa No 11:8; 1Mp 19:6; Ezk 4:12.) Nisy isan-karazany anefa ny endriky ny mofo. “Mofo boribory misy lavaka eo afovoany” (heb.: hallôht), ohatra, no nampiasaina rehefa napetraka teo amin’ny toerany ny mpisorona (Ek 29:2, 23, f.a.p.), ary nanao “mofo miendrika fo” (heb.: levivôht) i Tamara. (2Sa 13:8) Manana endriny 30 mahery ny karaza-mofo resahin’ny taratasy papyrus ejipsianina iray.

Boribory manify, boribory lavalava, telozoro, lavalava matevina, na nanana endriny hafa ny mofo fahiny hita tany Palestina. Toa tsy dia fahita tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane ireo mofo matevina fihinan’ny Tandrefana. Mbola manify foana ny mofon’ny Tatsinanana ankehitriny: 1 ka hatramin’ny 2,5 sm ny hateviny, ary 18 sm eo ho eo ny savaivony.

Efa nanify ireo mofo ary mora niparasaka raha tsy nisy lalivay, ka notapahina fa tsy nodidiana tamin’ny antsy. Tsy misy heviny manokana àry ilay hoe ‘notapahin’i’ Jesosy ny mofo nandritra ny Sakafo Harivan’ny Tompo (Mt 26:26), satria notapahina foana ny mofo rehefa hohanina.​—Mt 14:19; 15:36; Mr 6:41; 8:6; Lk 9:16.

Nisy nataon’ny Israelita tao anaty lafaoro ny fanatitra ho an’i Jehovah. (Le 2:4-13) Tsy azo nasiana lalivay ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, fa azo nasiana kosa ny fanatitra sasany tsy nodorana teo ambony alitara. (Le 7:13; 23:17) Tsy azo nohanina nandritra ny Paska sy ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay taorian’izy io ny mofo misy lalivay.​—Ek 12:8, 15, 18; jereo MOFO ASEHO.

Nihinana mofo isan’andro ny Israelita fahiny, matoa resahin’ny Baiboly imbetsaka ny mofo. “Nitondra mofo sy divay”, ohatra, i Melkizedeka, rehefa hitso-drano an’i Abrahama. (Ge 14:18) “Naka mofo sy siny hoditra feno rano” i Abrahama ka ‘nanome izany an’i Hagara’, rehefa nalefany i Hagara sy Ismaela. (Ge 21:14) Nomena “mofo iray” isan’andro i Jeremia tao am-ponja. (Je 37:21) Indroa i Jesosy Kristy no nampitombo mofo tamin’ny fomba mahagaga mba homena vahoaka be. (Mt 14:14-21; 15:32-37) Nampianarin’i Jesosy hivavaka ka hangataka ‘izay mofo ilaina anio’ ny mpianany. (Lk 11:3, f.a.p.) Voalaza koa fa i Jehovah Andriamanitra no manome “mofo ho tohan’aina.”​—Sl 104:15.

“Mofo tsy misy lalivay” (tsy misy leviora; heb.: mats·tsôht) no nohanin’ny Israelita rehefa nankalaza ny Paska. Nankalaza “ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay” koa izy ireo taorian’izay. (Ek 12:8, 15, 17-20; 13:3-7; 23:15; 34:18; De 16:3, 8, 16) Anisan’ny fanatitra natolony ho an’i Jehovah Andriamanitra ny mofo boribory tsy misy lalivay sady nafangaro menaka, na mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka. (Le 2:4-7, 11, 12) Natolotra niaraka tamin’ny sorona iombonana koa ny mofo boribory misy lalivay.​—Le 7:13.

Rehefa voatitra tao Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena, dia ‘nizaran’i Davida mofo boribory [heb.: hallat] sy mofo antrendry [heb.: ʼeshpar] ary mofo vita tamin’ny voaloboka maina [heb.: ʼashishah] ny olona rehetra, dia ny vahoakan’Israely manontolo, na lahy na vavy. Dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra avy eo.’ (2Sa 6:19) Voaloboka maina noporetina no nanaovana ny ʼashishah, nefa mety ho nisy koa fahiny natao tamin’ny voaloboka sy lafarinina.

Nanompo sampy ny tao Joda sy Jerosalema tamin’ny andron’i Jeremia, ka nisy vehivavy ‘namolavola koba hanaovana mofo atao fanatitra ho an’ny “mpanjakavavin’ny lanitra.”’ (Je 7:18) Miresaka momba an’io sampy io sy ny ‘mofo natolotra ho sorona’ (heb.: kavvanim) ho azy io koa ny Jeremia 44:19. Tsy fantatra hoe mofo inona ilay mofo, izay natao fanatitra teo ambony alitara.​—Jereo MPANJAKAVAVIN’NY LANITRA.

Ireto avy ny mofo hafa resahin’ny Baiboly: ‘Mofo vita tamin’ny aviavy noporetina [na maina]’ (heb.: develim [1Sa 30:12; Is 38:21]), “mofo mamy” (heb.: lashad; No 11:8), “mofo fisaka” (heb.: tsappihit; Ek 16:31), “mofo boribory” (heb.: tselol; Mpts 7:13), ‘mofo vita tamin’ny voaloboka maina’ (heb.: tsimmokim; 1Sa 25:18) ary “mofomamy” (heb.: nikkodim; 1Mp 14:3). Midika hoe “tsy misy lalivay” ny hoe azymôs (gr.), ary ilazana “mofo tsy misy lalivay” sy “fetin’ny mofo tsy misy lalivay” raha amin’ny endriny milaza maro sady ilazana zavatra.​—1Ko 5:8; Mr 14:1.

Heviny an’ohatra. Manana heviny an’ohatra ny hoe lehem (heb.) nadika hoe “mofo” na koa hoe “sakafo” na “hanina” ao amin’ny andininy maro. Nilaza, ohatra, i Josoa sy Kaleba fa ‘sakafon’ny’ Israelita ny Kananita, izany hoe mety ho resiny mora foana. Hampahery ny Israelita koa ilay fandresena. (No 14:9) Mety ho nalahelo be ny olona iray raha tsy nankasitraka azy intsony i Jehovah Mpiandry ny Israely, matoa hoe ‘ranomaso no nataony sakafony.’ (Sl 80:5) ‘Fahoriana no mofo homen’i Jehovah’ ny olony, ‘ary fampijaliana no rano homeny’ azy ireo. Tanteraka izany rehefa natao fahirano izy ireo, satria lasa nahazatra azy toy ny mofo sy rano ny fijaliana.​—Is 30:20.

“Mihinana ny mofo azo tamin’ny fanaovan-dratsy” ny olona tena ratsy fanahy, izay ‘tsy matory raha tsy manao ratsy.’ (Oh 4:14-17) Toa mivelona amin’ny fanaovan-dratsy tokoa izy ireo. ‘Tia sakafo azo tamin’ny fitaka’ koa izay manambaka na mamitaka mba hahazoana harena, “nefa ho feno vatokely ny vavany avy eo.” (Oh 20:17) Ny vady tsara sy mazoto miasa kosa “tsy mihinana ny mofon’ny hakamoana.”​—Oh 31:27.

Hoy i Jehovah: “Lasa toy ny mofo boribory masaka ila [i Efraima] noho izy tsy navadika.” (Ho 7:8) Nisy nahandro mofo teo ambony lavenona na vato mahamay. Ny ilany ihany no masaka na may raha tsy navadika ilay mofo. Toy ny mofo tsy navadika koa i Efraima (Israely), satria nifangaroharo tamin’ny firenena mpanompo sampy ka nanaraka ny fanaon’ireny ary nanao fifanekena taminy.

Manana heviny tsara koa anefa ny hoe “mofo” na “sakafo.” Tsara lavitra noho ny vola aman-karena ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah. Hoy ny Isaia 55:2: “Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy sakafo, ary misasatra amin-javatra tsy mahafa-po? Henoy tsara aho, ary mihinàna izay tsara, ka aoka ianareo hankafy sakafo matavy.”

“Nandray mofo i Jesosy”, rehefa nisantatra ny sakafo hahatsiarovana ny nahafatesany (ny 14 Nisana taona 33). “Rehefa avy nivavaka izy, dia notapahiny ilay mofo ka nomeny ny mpianatra, sady hoy izy: ‘Raiso ity, ka hano. Ity no vatako.’” (Mt 26:26) Ny vatan’i Jesosy ‘izay omena ho azy ireo’ ilay mofo.​—Lk 22:19; 1Ko 11:23, 24.

Tsy toy ny mana nohanin’ny Israelita tany an-tany efitra ilay “mofo nidina avy any an-danitra”, hoy i Jesosy Kristy, herintaona teo ho eo talohan’izay. Notsoriny avy eo hoe: “Izaho no mofon’aina” na ilay “mofo velona izay nidina avy any an-danitra.” Hoy koa izy: “Raha misy mihinana an’ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.” (Jn 6:48-51) “Mihinana” an’ilay mofo ny olona iray raha mino ny sorona lavorary nataon’i Jesosy. (Jn 6:40) Natolotr’i Jesosy an’i Jehovah Andriamanitra Rainy ny vidim-panavotana tamin’izy niakatra tany an-danitra. Azon’i Kristy atao àry ny manome fiainana ho an’ny olona rehetra mankatò. Teraka tao Betlehema (midika hoe “Tranon’ny Mofo”) i Jesosy, araka ny faminaniana (Mi 5:2; Lk 2:11), ary amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ny olona rehetra mino no mahazo an’ilay “mofo” manome fiainana.​—Jn 6:31-35.