Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mofo Aseho

Mofo Aseho

Mofo 12 napetraka teo ambony latabatra tao amin’ny Masina, tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly, ary nosoloana isaky ny Sabata. (Ek 35:13; 39:36; 1Mp 7:48; 2Ta 13:11; Ne 10:32, 33) Midika ara-bakiteny hoe “mofo eo anoloan’ny tava” ny teny hebreo nadika hoe mofo aseho. Azo adika koa hoe ‘eo anatrehana’ (2Mp 13:23) ny teny hebreo nadika hoe ‘tava.’ Fanatitra natolotra mandrakariva teo anatrehan’i Jehovah àry ireo mofo aseho. (Ek 25:30) Antsoina koa izy ireo hoe “mofo mifanaingina” (2Ta 2:4) na “mofo atolotra” (Mr 2:26).

Andraikitry ny Kehatita ny nahandro tao anaty lafaoro ny mofo aseho “isaky ny sabata”, sy nitondra azy ireo rehefa nafindra ny tranolay masina. (No 4:7; 1Ta 9:32) Boribory ireo mofo, ary lafarinina tsara toto indroan’ny omera (0,2 efaha na 4,4 L) no nanaovana azy tsirairay. Tsy nasiana leviora izy ireo, hoy i Josèphe. (Rakitry ny Ela Jiosy, III, 142 [vi, 6]) Nesorina teo amin’ilay latabatra teo avaratry ny Masina (Ek 26:35) ireo mofo 12 ary nosoloana vaovao isan-tsabata. Nozaraina ho roa toko nisy mofo enina mifanaingina avy izy ireo, ary nasiana ditin-kazo manitra tsy misy fangarony teo ambonin’ny toko tsirairay. Natao tao anaty vilia volamena ilay ditin-kazo manitra, fa tsy tonga dia natao teo ambony mofo, hoy ny lovantsofina jiosy. Nodorana teo amin’ny alitara, hono, izy io rehefa nosoloana isan-tsabata ireo mofo aseho.​—Le 24:5-8.

Zavatra masina indrindra ireo mofo ireo, satria efa tao amin’ny Masina teo anatrehan’i Jehovah nandritra ny herinandro. Azon’ny mpisorona taranak’i Arona nohanina tao amin’ny toerana masina izy ireo. (Le 24:9) Indray mandeha monja ny Baiboly no milaza fa nisy olona tsy taranak’i Arona nihinana ny mofo efa avy nampiasaina. Nandositra an’i Saoly i Davida tamin’izay, ka nangataka mofo tamin’i Ahimeleka mpisoronabe mba hohanin’izy sy ny olony. Tsy nisy “mofo tsotra” tao aminy, ka mofo aseho efa avy nampiasaina no nomeny. Noheveriny fa nirahin’ny mpanjaka i Davida, ka naka toky aloha izy raha nadio araka ny Lalàna i Davida sy ny olony vao nomeny an’ireo mofo. (1Sa 21:1-6) Nitantara an’io zava-nitranga io i Jesosy Kristy rehefa nomen’ny Fariseo tsiny ireo mpianany nioty salohim-barimbazaha tamin’ny Sabata.​—Mt 12:3-7; Lk 6:1-4.