Moina
[Heb.: kôfer].
Hazo madinika misy voninkazo kely mitsitokotoko maniry eny amin’ny tendrony. Mamerovero ireo voninkazo misy felany efatra somary fotsy, ka tena tian’ny olona any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Asiana moina matetika ny fehezam-boninkazo, ary misy vehivavy manao azy io amin’ny volony sy tratrany. Efa ela koa izy io no natao fanatsarana tarehy sy bika.
Mbola maniry ho azy ny moina (Lawsonia inermis) any Palestina, ary 4 m eo ho eo ny farany avo. Ny Tononkiran’i Solomona (1:14; 4:13; 7:11) ihany no miresaka azy.
Fanatsarana tarehy sy bika ny ravina moina voatoto. Mamela loko volondaoranjy na somary mena izy io, ka azo andokoana hoho (tanana sy tongotra), tendron’ny rantsantanana, tanana, tongotra, volombava, volo, volon-katoky ny soavaly sy ny rambony, ary hoditr’olona na hodi-biby. Midika hoe ‘manosotra’ ny fototeny hebreo heverina fa niavian’ny hoe kôfer, ka angamba natao loko izy io.—Ampit. Ge 6:14.