Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Moka

Moka

1. [Heb.: kerets]. Bibikely manana elatra roa, loha boribory, ary tongotra lava sy manify misy tonony dimy. Toy ny fantsona lavalava ny vavan’ny mokavavy, ka afaka manindrona hoditr’olona sy hodi-biby mba hitsentsefana ny rany. Ao amin’ny Jeremia 46:20 ihany no misy ny anarana avy amin’ny teny hebreo nadika hoe “moka” (TV), izay manondro an’ireo Babylonianina notarihin’i Nebokadnezara. Izy ilay fahavalo avy any avaratra tonga hanaikitra an’i Ejipta izay ‘ombivavy kely tsara tarehy.’

2. [Heb.: ken, mr.: kinnim; gr.: kônôps]. Bibikely madinika manana elatra roa, ary mpitsentsitra ra ny ankamaroany. Samihafa ny nandikana ny hoe kinnim (na kinnam [heb.]) izay teny nilazana ny loza fahatelo tany Ejipta. (Ek 8:16-18; Sl 105:31) Nisy nanao hoe “moka” (TV), “hao” (JM), “fihitra” (DIEM), “lalitra” (Prot.), na “lalibe” (Kat.).

Nadika hoe “moka” (TV; Prot., f.a.p.) ny hoe ken (heb.) ao amin’ny Isaia 51:6. Endriny milaza tokana amin’ny hoe kinnim (na kinnam) ilay hoe ken eo, fa tsy ilay teny hebreo mitovy aminy, izay midika hoe “ny fomba mety, io fomba io, izany hoe.” Midika hoe “toy ny” na “toy ny fomba” ny teny eo alohany hoe kemôh ao amin’ilay andininy.

Ny hany andinin-teny hafa ahitana azy io dia ny tenin’i Jesosy, tamin’izy nanameloka ny mpanora-dalàna sy Fariseo izay nanatantavana ny moka tamin’ny zava-pisotrony, nefa nitelina rameva. Sarotsarotiny erỳ ny mpitondra fivavahana jiosy satria notantavaniny ny zava-pisotrony, sao izy nahatelina moka ka naloto. (Le 11:21-24) Tsy niraharaha izay mavesa-danja kokoa tao amin’ny Lalàna anefa izy ireo, ka toy ny hoe nitelina rameva, izay biby maloto koa.​—Le 11:4; Mt 23:23, 24.