Molada
(Molàda) [avy amin’ny fototeny midika hoe “miteraka”].
Iray tamin’ireo tanàna nomena ny fokon’i Simeona tany amin’ny faritra atsimon’i Joda. An’ny fokon’i Simeona foana i Molada hatramin’ny fotoana nanjakan’i Davida, fara faharatsiny. (Js 15:21, 26; 19:1, 2; 1Ta 4:24, 28, 31) Ny taranak’i Joda no niverina nonina tao, taorian’ny sesitany.—Ne 11:25, 26.
Tsy fantatra ny tena toerana nisy an’i Molada.