Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Moleka

Moleka

(Môleka) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mpanjaka” (melek) na “manjaka”, kanefa nasiana an’ireo zanatsoratra avy amin’ny teny hoe bôshet, midika hoe “henatra”, mba hilazana rikoriko].

Andriamanitry ny Amonita (1Mp 11:5, 7, 33), ary mety ho i Moloka (As 7:43; ampit. Am 5:26) na i Milkoma. (1Mp 11:5, 33) Mety ho i Bala koa i Moleka, raha jerena ny Jeremia 32:35, na mety hisy ifandraisany izy roa ireo. Anaram-boninahitra ny hoe “Moleka”, fa tsy anaran’andriamanitra iray, hoy ny manam-pahaizana maro. Mety ho andriamanitra maromaro àry, hono, no nantsoina hoe “Moleka.”

Maro no mihevitra fa ny sarivongan’i Milkoma, na Moleka, andriamanitry ny Amonita, ilay Malkama resahin’ny 2 Samoela 12:30 sy 1 Tantara 20:2, na dia azo adika hoe “mpanjakan’izy ireo” koa aza ilay teny hebreo. (Ampit. Prot.; Kat.) Efa voalaza mantsy fa Hanona no anaran’ilay mpanjaka amonita. (2Sa 10:1-4) Tokony hoe Hanona àry fa tsy Malkama no hita eo amin’ireo andininy roa ireo, raha ilay mpanjaka no tiana horesahina. Tsy hisy mpanjaka koa hahazaka satroboninahitra milanja 34 kg eo ho eo! Mety ho nataon’i Davida vetivety teo ambony lohany fotsiny àry ilay satroboninahitr’i Malkama, ho mariky ny fandreseny an’ilay andriamani-diso. Milaza ny Targoma fa nisy vatosoa iray monja io satroboninahitra io, ary miombon-kevitra amin’izany ny mpandika teny maro. Mety ho ilay vatosoa ihany àry, hono, no natao teo ambony lohan’i Davida, fa tsy ilay satroboninahitra.

Ankizy natao sorona ho an’i Moleka. Nosazin’ny lalàn’Andriamanitra ho faty izay Israelita na mpivahiny nanolotra ny taranany ho an’i Moleka. (Le 20:2-5) Nampandalo ny zanany tao anaty afo anefa ny Israelita nivadi-pinoana tany amin’ny fanjakan’ny Joda sy ny fanjakan’ny foko folo.​—2Mp 17:17, 18, f.a.p.; Ezk 23:4, 36-39.

Misy mihevitra fa fombafomba fanadiovana an’ireo ankizy natolotra na natokana ho an’i Moleka no dikan’ilay hoe ‘nampandalovina tao anaty afo.’ Ny hafa indray mihevitra fa tena natao sorona ireo ankizy. Tena nanao sorona an’ireo zanany ny Kananita sy ny Israelita nivadi-pinoana. (De 12:31; Sl 106:37, 38) “Nandoro ny zanany tao anaty afo”, ohatra, i Ahaza mpanjakan’ny Joda. (2Ta 28:3) Hoy koa ny 2 Mpanjaka 16:3, andininy mifanitsy amin’ny 2 Tantara 28:3: “Nandoro [“nampandalo”, f.a.p.] ny zanany tao anaty afo [izy].” Midika hoe natao sorona àry indraindray ilay hoe ‘nampandalovina tao anaty afo.’ Mety ho tsy nitovy koa anefa ny fomba nivavahana tamin’i Moleka, tany amin’ny toerana samy hafa. Nanorina toerana avo ho an’i Moleka sy ny andriamani-kafa, ohatra, i Solomona Mpanjaka, rehefa voataonan’ireo vadiny hafa firenena. (1Mp 11:7, 8) Efa tamin’ny andron’i Ahaza anefa vao nisy ankizy natao sorona. Azo antoka fa ho nomelohina niaraka tamin’ny fanompoan-tsampy tamin’ny andron’ireo mpanjaka nifandimby ilay fanao maharikoriko, raha efa nisy talohan’izay. Misy àry mpivaofy teny mihevitra fa fombafomba fanadiovana ilay hoe ‘nampandalovina tao anaty afo’, fa tatỳ aoriana vao lasa fanaovana sorona.

Natolotra na natokana ho an’i Moleka ireo ankizy voalazan’ny Levitikosy 18:21 (f.a.p.) fa ‘natao sorona’ ho azy. Toy izao avy no nandikana an’io andininy io: “Aza misy hatokanao ho an’i Moloka ny zanakao.” (Prot., f.a.p.) “Aza misy omenao hatolotra hodorana hankalazana an’i Moloka ny zanakao.” (Kat.) “Aza misy atokana ho an’i Moleka ny taranakao.”​—TV.

I Ahaza sy Manase irery no mpanjakan’ny Joda nandoro ny zanany tao anaty afo. Lasa nanao sorona ankizy koa anefa ny ankamaroan’ny Israelita, rehefa nahita azy ireo nazoto nanao izany. (2Mp 16:3; 21:6; Je 7:31; 19:4, 5; 32:35; Ezk 20:26) Novonoina aloha ilay ankizy indraindray vao nodorana.​—Ezk 16:20, 21.

Nolotoin’i Josia Mpanjaka i Tofeta, foiben’ny fivavahana tamin’i Moleka tany Joda, mba tsy hisy olona handoro ny zanany tao anaty afo intsony teo. (2Mp 23:10-13) Tsy fongotra anefa ilay fanao fa mbola nisy ihany tamin’ny andron’i Ezekiela, izay nanomboka naminany 16 taona taorian’ny nahafatesan’i Josia.​—Ezk 20:31.

Misy milaza fa nanana vatan’olona sy lohan’omby ilay Moleka nanaovana sorona ankizy. Sarivongana nohafanaina be, hono, ilay izy ary nitsotra ny tanany, ka natsipy teo ireo ankizy ary nilatsaka tao anaty lafaoro nisy afo niredareda. Hoatran’izany mantsy ny bikabikan’i Kronos, na i Moloka, andriamanitry ny mponin’i Carthage, hoy i Diodore avy any Sicile, Grika mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany T.K.​—Diodore avy any Sicile, XX, 14, 4-6.

Misy ifandraisany amin’ny fanandroana ny fivavahana tamin’i Moleka.​—Jereo MPANANDRO.