Mololo
Tahona varimbazaha na vary orza efa maina, saingy ireo sisa tavela teo am-pamoloana no tena resahin’ny Baiboly. Mololo fotsiny na mololo nafangaro sakafo hafa no nomena hohanin’ny biby fiompy taloha. (Ge 24:25, 32; Mpts 19:19; 1Mp 4:28; Is 11:7; 65:25) Anisan’ny nanaovana biriky koa ny mololo. (Ek 5:7-18; jereo BIRIKY.) Oharina amin’ny mololo ireo ratsy fanahy horinganina (Jb 21:18) sy ny firenen’i Moaba izay resy sy naetry (Is 25:10-12). Toy ny mololo ny vy amin’ny voaibe, izay biby matanjaka be.—Jb 41:1, 27.
Noresahina tao amin’ny fanoharana matetika ny mololo. Maivana sy marefo ny mololo (Jb 13:25; 41:1, 28, 29), ka mora paohin’ny rivotra (Sl 83:13; Is 40:24; 41:2; Je 13:24). Ny mololo no fitaovana tsy misy vidiny indrindra satria mora main’ny afo, hoy ny apostoly Paoly, tamin’izy niresaka momba ny fanorenana ataon’ny Kristianina.—1Ko 3:12, 13.