Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mordekay

Mordekay

(Môrdekày).

1. Lehilahy israelita anisan’ireo niverina tany Jerosalema sy Joda tamin’ny 537 T.K., rehefa tapitra ireo 70 taona nanaovana sesitany tany Babylona. (Ezr 2:1, 2) Nitana andraikitra lehibe izy sady mpitarika nanampy an’i Zerobabela. Anisan’ireo voasoratra anarana tao amin’ny tetirazan’ireo tafaverina voalohany tany Joda izy.​—Ne 7:5-7.

2. “Zanak’i Jaira, zanak’i Simey, zanak’i Kisy Benjaminita.” (Es 2:5) Zanak’olo-mpirahalahy izy sy Estera. Izy no zokiny kokoa, sady nitaiza an’i Estera. (Es 2:7) Ny bokin’i Estera ihany no miresaka momba azy. Voatantara ao fa nitana toerana ambony tao amin’ny Fanjakana Persianina izy, tamin’ny taonjato fahadimy T.K. Asehon’ny porofo fa izy no nanoratra ny bokin’i Estera.

Misy milaza fa tsy marina ny tantara ao amin’io boky io, na tsy tena nisy izany Mordekay izany. Mihevitra mantsy izy ireo fa anisan’ireo natao sesitany tany Babylona niaraka tamin’i Jekonia Mpanjaka i Mordekay, raha jerena ny Estera 2:5, 6. Tokony ho 120 taona àry, hono, fara fahakeliny, i Mordekay, ary zandriny 100 taona be izao ilay tovovavy tsara tarehy zanaky ny rahalahin-drainy. Tsy ny tantaran’i Mordekay anefa no resahin’ireo andininy ireo, fa ny taranaka niaviany. Mety ho rain’ny raiben’i Mordekay i Kisy, na mety ho razambeny taloha kokoa “natao sesitany.” Azo eritreretina koa ny hoe anisan’ireo nentina natao sesitany tamin’ny 617 T.K. i Mordekay, satria efa tao an-kibon’ny razambeny izy. Teraka tany an-tsesitany izy avy eo.​—Ampit. He 7:9, 10.

Mpanompo tsy nivadika tamin’ny mpanjaka. Mpanompon’ny mpanjaka i Mordekay na dia Jiosy natao sesitany aza. Reny fa nolavin’i Ahasoerosy mpanjaka persianina tsy ho vadiny intsony i Vasty, ary nasaina nangonina daholo ny tovovavy virjiny tsara tarehy eran’ilay fanjakana, mba hahitana izay ho solony. Anisan’ireo natolotra hofidina àry i Estera (zanaky ny rahalahin-drain’i Mordekay), izay “sady tsara bika no tsara tarehy”, saingy tsy nolazalazainy hoe Jiosy izy. (Es 2:7, 8) Izy no voafidy ho vadin’ny mpanjaka. Mbola nanohy ny fanompoany ihany i Mordekay, ka “nipetraka teo am-bavahadin’ny mpanjaka.” Reny, indray andro, fa nitady hamono an’i Ahasoerosy Mpanjaka i Bigtana sy Taresy tandapany. Nampandre an’i Estera izy mba hahafahan’i Estera mampitandrina ny mpanjaka. Nosoratana tao amin’ny “boky mirakitra ny tantaran’ny mpanjaka” izany.​—Es 2:21-23.

Tsy nety niankohoka teo anatrehan’i Hamana. Nanendry an’i Hamana Agagita ho praiminisitra i Ahasoerosy taorian’izay. Namoaka didy izy avy eo fa tokony hiankohoka eo anatrehan’i Hamana izay rehetra teo am-bavahadin’ny mpanjaka. Tsy nety mihitsy anefa i Mordekay, ary nohazavainy fa noho izy Jiosy no antony. (Es 3:1-4) Midika izany fa te hifandray tsara amin’i Jehovah Andriamaniny foana izy. Efa vahoaka voatokana ho an’Andriamanitra mantsy ny Jiosy. Marina fa niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka ny Israelita fahiny, ho fanekena ny toerana ambony notanan’izy io. (2Sa 14:4; 18:28; 1Mp 1:16) Fantatr’i Mordekay anefa fa tsy midika ho fanekena ny toeran’i Hamana fotsiny ny fiankohofana teo anatrehany. Azo inoana mantsy fa Amalekita i Hamana, nefa efa nilaza i Jehovah fa hiady amin’ny Amalekita “hatramin’ny taranany fara mandimby” Izy. (Ek 17:16; jereo HAMANA.) Noho i Mordekay tsy te hivadika tamin’Andriamanitra àry no nahatonga azy tsy hiankohoka, fa tsy noho izy te hanohitra ny tenin’ny mpanjaka akory.

Tezitra be i Hamana, indrindra rehefa fantany hoe Jiosy i Mordekay. Lasa halany i Mordekay. Tsy nisy nahafaly azy intsony ny voninahitra sy fahefana nananany, raha mbola hitany nipetraka teo am-bavahady sy tsy nety niankohoka teo anatrehany koa i Mordekay. Nitady fomba hamaliana faty àry i Hamana. Tsy i Mordekay irery anefa no tiany hasiana, fa ny firenen’i Mordekay tao amin’ny fanjakan’i Persa mihitsy. Nangataka tamin’ny mpanjaka àry izy mba hamoaka didy handripahana azy rehetra.​—Es 3:5-12.

Nanafaka an’ireo Jiosy. Rehefa nahare momba ilay didy i Mordekay, dia nilaza tamin’i Estera fa mba hanafahana ny Jiosy no nanandratana azy ho vadin’ny mpanjaka. Nasehony fa nanana andraikitra mavesatra i Estera, ary nasainy nitalaho famindram-po sy fanampiana tamin’ny mpanjaka. Nanaiky i Estera na dia nety ho nahatandindomin-doza ny ainy aza izany.​—Es 4:7–5:2.

Tamin’izay indrindra koa no nisy fitahiana tsy nampoizina ho an’i Mordekay sy ny Jiosy (noho i Mordekay tsy nivadika tamin’ny mpanjaka). Tsy nahita tory mantsy i Ahasoerosy Mpanjaka indray alina, ka nasainy nentina teo aminy ny boky mirakitra ny tantaran’ny fanjakany (azo inoana fa Andriamanitra no nahatonga izany). Nanjary tsaroany fa mbola tsy novalian-tsoa i Mordekay tamin’izy nampahafantatra ny teti-dratsin’i Bigtana sy Taresy. Naniry hanome voninahitra azy àry ilay mpanjaka. I Hamana no nasainy nikarakara sy nanambara izany ampahibemaso, ka tena nahatsiaro ho menatra sy afa-baraka izy.​—Es 6:1-12.

Sahin’i Estera ny nilaza tamin’i Ahasoerosy fa nanasoketa sy nanendrikendrika an’ireo Jiosy i Hamana, sady nitetika ny hitondra fahavoazana ho an’ny mpanjaka. Tezitra be ilay mpanjaka, ka nomelohiny ho faty i Hamana. Ilay tsato-kazo mirefy 22 m saika hanantonan’i Hamana an’i Mordekay ihany no nanantonana azy.​—Es 7:1-10.

I Mordekay indray àry no lasa praiminisitra, ary nomen’ny mpanjaka azy ny peratra fanombohan-kaseny. Notendren’i Estera hiandraikitra ny tao an-tranon’i Hamana koa izy, satria efa nomen’ny mpanjaka an’i Estera izany. Nahazo alalana tamin’ny mpanjaka i Mordekay avy eo hamoaka didy mamela an’ireo Jiosy hiaro tena. Azo lazaina ho nisy tara-pahazavana sy fifaliana ho an’ny Jiosy tamin’izay. Olona maro tao amin’ilay Fanjakana Persianina no niandany tamin’izy ireo. Vonona hifanandrina tamin’ireo fahavalony àry izy ireo, rehefa tonga ny 13 Adara, izay andro tokony handripahana azy. Nanampy azy ireo avokoa ny manam-pahefana noho ny toerana ambony notanan’i Mordekay. Navela hitohy ny ampitso ilay fifandonana tao Sosana. Maherin’ny 75 000 ireo fahavalon’ny Jiosy maty nanerana an’ilay fanjakana, anisan’izany izy folo lahy zanak’i Hamana. (Es 8:1–9:18) Rehefa nahazo alalana tamin’i Estera i Mordekay, dia namoaka didy fa hankalazaina isan-taona, isaky ny faha-14 sy faha-15 Adara, ny “Porima.” Ho andro fifaliana sy fanasambe ho an’ny Jiosy izy io. Hifanolotra fanomezana izy ireo ary hanome ho an’ny mahantra koa. Nanaiky ny hankalaza azy io ireo Jiosy, ary nodidiany hanao toy izany koa ny taranany sy izay rehetra miaraka aminy. Nohajain’ireo Jiosy i Mordekay satria izy no manam-pahefana ambony indrindra tao amin’ilay fanjakana, nanarakaraka an’i Ahasoerosy. Nitady foana an’izay hahasoa an’ilay vahoaka voatokana ho an’Andriamanitra koa izy.​—Es 9:19-22, 27-32; 10:2, 3.

Lehilahy nanam-pinoana. Olona nanam-pinoana toa an’ireo notanisain’ny apostoly Paoly ao amin’ny Hebreo toko faha-11 i Mordekay, na dia tsy voatonona ao aza ny anarany. Be herim-po sy nahay nanapa-kevitra izy, ary tsy nivadika tamin’Andriamanitra sy ny olony. Narahiny koa ilay toro lalana nolazain’i Jesosy tatỳ aoriana hoe: ‘Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.’ (Mt 22:21) Samy avy amin’ny fokon’i Benjamina izy sy Estera. Naminany toy izao momba an’io foko io i Jakoba: “Hamiravira foana toy ny amboadia i Benjamina. Hihinana ny rembiny izy amin’ny maraina, ary hizara izay nobaboiny izy amin’ny hariva.” (Ge 49:27) Toy ny hoe efa hariva tokoa tamin’izay ho an’ny firenen’Israely, satria efa lasa teo ambany fahefan’ny hafa firenena izy io sady tsy nitondra intsony ireo mpanjakany. Mety ho i Mordekay sy Estera Benjaminita no nanatanteraka ny fikasan’i Jehovah, ka nandripaka an’ireo Amalekita sisa tavela tamin’izany. Nitady izay hahasoa ny mpiray tanindrazana taminy i Mordekay. Porofo izany fa nino izy hoe avy amin’ny zanak’Israely no hiavian’ilay Taranak’i Abrahama, izay hitondra fitahiana ho an’ny firenena rehetra ambonin’ny tany.​—Ge 12:2; 22:18.