More
(Môrè).
1. Efa tamin’ny andron’i Abrahama ireo hazoben’i More no nampiavaka ny toerana iray tany akaikin’i Sekema, ary mbola toy izany ihany izy ireo taonjato maro tatỳ aoriana. (Ge 12:6; De 11:30; miresaka azy ireo koa angamba ny Ge 35:4; Js 24:25, 26; Mpts 9:6.) Misy manam-pahaizana milaza fa ilay “hazoben’i Meonenima” ihany “ireo hazoben’i More.” (Mpts 9:37) “More” angamba no anaran’ny tompon’io tany tsy lavitra an’i Sekema io tamin’ny voalohany, ary nisy hazo lehibe niavaka, na hazobe maromaro naniry teo.
2. Havoana iray teo akaikin’ilay toerana nandresen’i Gideona ny Midianita. (Mpts 7:1) Maro no mihevitra an’io havoana io ho i Jebel Dahi (Givʽat Ha-More), tandavan-kavoana mangadihady mivolondavenona, tokotokony ho 8 km any avaratry ny toerana voalaza fa nisy ny loharanon’i Haroda.