Moreseta
(Moresèta), Moreseta-gata [Fananan’i Gata].
Tanàna toa niavian’i Mika mpaminany. (Je 26:18; Mi 1:1) Misy milaza azy io ho i Tell el-Jodeideh (Tel Goded), tokony ho 35 km any atsimoandrefan’i Jerosalema ary 10 km eo ho eo any atsimoatsinanan’i Gata. Toa nisy nifandraisana tamin’i Gata (tanàna filistinina) ilay tanàna, rehefa jerena ilay fitambaran’anarana hoe Moreseta-gata. (Mi 1:14) Angamba i Moreseta-gata niankina tamin’io tanàna filistinina io, satria nisy toeran-kafa nofehezin’ny Filistinina, ankoatra an’ireo tanànany dimy lehibe (anisan’ireny dimy ireny i Gata).—1Sa 6:18; 27:5.
Misy indray mihevitra fa manao tsilalaon-teny ny Mika 1:14 rehefa manonona ny hoe Moreseta (midika hoe “Fananana”). Ny teny hebreo nadika hoe “fanomezana ho fanaovam-beloma” ao amin’io andininy io mantsy dia manondro olona na fananana izay nomena nandritra ny fotoana kelikely na nomena tanteraka. Tsy ho tanànan’i Ziona (Mi 1:13) intsony àry i Moreseta, izay natao “fanomezana ho fanaovam-beloma.”