Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mosary

Mosary

Tsy fisian-kanina mihitsy. Misy koa ny mosary ara-panahy, dia ny “faniriana handre ny tenin’i Jehovah.” (Am 8:11) Anisan’ny loza hanjo an’i Babylona Lehibe ny mosary.​—Ap 18:8.

Antony sy vokany. Anisan’ny nampisy mosary fahiny ny hain-tany, havandra nandravarava (Ek 9:23-25), bibikely mpanimba voly, voly mainan’ny rivotra mahamay sy tratran’ny aretin-javamaniry, ary ady. (Am 4:7-10; Hg 2:17) Ny valala, izay nanao andiany lehibe indraindray, no tena nanimba voly. (Ek 10:15) Indraindray koa avy ihany ny orana saingy tamin’ny fotoana fijinjana varimbazaha sy vary orza, ka simba ny voly.​—Ampit. Le 26:4; 1Sa 12:17, 18.

Voajanahary ny hoe mahatsiaro noana vetivety. Manimba ny vatana sy saina anefa ny hanoanana maharitra vokatry ny mosary. Lasa malemilemy ilay olona ary donto ny sainy sy ny fony. Ny hisakafo no mibahana ao an-tsainy. (Ampit. Ek 16:3.) Tsy miraharaha fitsipika intsony izy. (Ampit. Is 8:21.) Mety ho lasa toy ny biby mihitsy aza izy, ka hangalatra, hamono, ary hihinana olona. Mihaosa koa ny vatan’ny olona tratran’ny mosary, ka betsaka no marary sy voan’ny areti-mifindra.​—Ampit. De 32:24.

Fahiny. Ilay tamin’ny andron’i Abrama (Abrahama) no mosary voalohany resahin’ny tantara. Voatery niala tany Kanana izy ary nivahiny tany Ejipta. (Ge 12:10) Nisy mosary koa tamin’ny andron’i Isaka, nefa tsy navelan’i Jehovah nankany Ejipta izy. (Ge 26:1, 2) Tratran’ny mosary naharitra fito taona i Ejipta sy ny firenena hafa lavidavitra fony praiminisitra sy mpiandraikitra ny sakafo tany Ejipta i Josefa, matoa ‘tonga tany koa ny olona avy any amin’ny tany rehetra mba hividy sakafo taminy.’​—Ge 41:54-57.

Tsy misy soratra ejipsianina milaza fa nonina tany Ejipta ny Israely. Nisy mosary anefa tany, hoy ny soratra tranainy sasany, satria tsy niakatra firy ny Reniranon’i Neily (Nil). Voalazan’ny iray amin’ireny fa tsy niakatra nandritra ny fito taona i Nil ka lasa nisy mosary, ary nomena tany, hono, ny mpisorona rehefa tonga ny fanampiana. Tsy hay raha “noforonin’ny mpisorona tatỳ aoriana” io soratra io “mba hanaporofoana fa nanan-jo hanan-tany izy ireo”, fa ny mahaliana dia hoe nisy mosary naharitra fito taona tany Ejipta.​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 31.

Nomen’i Jehovah toky ny Israely talohan’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina fa hahavokatra be ny taniny, raha tsy mivadika aminy izy ireo. (De 28:11, 12) Anisan’ny loza hanjo azy ireo kosa ny mosary raha mivadika izy ireo. (De 28:23, 38-42) Nisy mosary tamin’ny andron’ny Mpitsara, ka nentin’i Elimeleka (avy any Betlehema) vadin’i Naomy nifindra monina tany Moaba ny vady aman-janany. (Rt 1:1, 2) Nataon’i Jehovah nisy mosary naharitra telo taona tany Israely tamin’ny andron’i Davida, satria meloka ho nandatsaka ny ran’ny Gibeonita ny ankohonan’i Saoly. (2Sa 21:1-6) Tratran’ny mosary mafy koa ny Israelita nivadika, vokatry ny hain-tany naharitra telo taona sy tapany tany Israely ho valin’ny vavak’i Elia. (Jk 5:17; 1Mp 17) Efa nisy mosary tamin’ny andron’i Elisa, nefa nanampy trotraka an’izany ny nanaovan’ny Syrianina fahirano an’i Samaria. Nisy nihinana olona mihitsy tamin’izay.​—2Mp 4:38; 8:1; 6:24-29.

Nampitandrina an’ireo Jodianina ny mpaminanin’Andriamanitra fa ho fatin’ny mosary sy areti-mandringana ary sabatra izay mivadi-pinoana, nefa naleon’izy ireo nihaino ny tenin’ny mpaminany sandoka hoe tsy hitranga izany. (Je 14:11-18; Ezk 5:12-17) Tanteraka anefa ny tenin’ny mpaminanin’Andriamanitra. Mafy be ny mosary tao Jerosalema tamin’izy io nataon’ny Babylonianina fahirano (609-607 T.K.), ka nisy vehivavy nahandro sy nihinana ny zanany.​—Ft 4:1-10; 5:10; 2Mp 25:1-3; Je 52:4-6; ampit. De 28:51-53.

Nilaza tamin’ny Israely i Jehovah fa hisy andiana bibikely hanimba ny taniny, ka hitondra mosary mafy alohan’ny “andron’i Jehovah.”​—Jl 1.

Naminany i Jesosy tatỳ aoriana fa anisan’ny famantarana ny fifaranan’ny “rafitr’ity tontolo ity” ny mosary. (Mt 24:3, 7; ampit. Ap 6:5, 6.) Nisy mosary lehibe tokoa tamin’ny andron’i Klaodio Mpanjaka (41-54 A.K.), araka ny tenin’i Agabo mpaminany kristianina. (As 11:28) Tratran’ny mosary mafy koa i Ejipta izay nisy Jiosy maro, tamin’ny taona 42. “Mafy ny fahoriana” tany Jodia sy Jerosalema noho ny fahirano nataon’ny Jeneraly Titus sy ny tafika romanina, izay nandrava an’i Jerosalema tamin’ny taona 70. (Lk 21:23) Mafy be ny mosary tao tamin’izay, hoy i Josèphe, ka nihinana hodi-biby, ahitra, mololo ny olona, ary nisy mihitsy aza vehivavy nanatsatsika sy nihinana ny zanany lahy. (Ny Adin’ny Jiosy, VI, 193-213 [iii, 3, 4]) Tsy mialoha ny handravana an’i Jerosalema ihany anefa no nolazain’i Jesosy hoe hisy mosary, fa rehefa lasa mpanjaka ny Zanak’olona ka hiverina amim-boninahitra.​—Lk 21:11, 27, 31; ampit. Ap 6:5, 6.

Tsy hisy mosary intsony. Nanome toky i Kristy Jesosy fa hovalian’Andriamanitra ny vavak’ireo mpanompony mangataka ny sakafo ilainy isan’andro, ary hokarakarainy ireo mikatsaka an’ilay Fanjakana aloha. (Mt 6:11, 33; ampit. Sl 33:19; 37:19, 25.) Mety hijaly noho ny hanoanana ihany anefa izy ireo indraindray, noho ny afitsoky ny mpanohitra sy mpanenjika. (Mt 25:35, 37, 40) Nitantara ny apostoly Paoly fa imbetsaka izy no noana sy nangetaheta rehefa tojo zava-tsarotra nandritra ny fanompoany. (1Ko 4:11-13; 2Ko 11:27; Fi 4:12) Natoky anefa izy fa tsy hahasaraka an’ireo Kristianina amin’ny fitiavan’Andriamanitra mihitsy ny hanoanana, raha tsy mivadika izy ireo.​—Ro 8:35, 38, 39; ampifan. Lk 6:25.

Ho afa-po foana ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana (Mt 5:6; Jn 6:35), anisan’izany ny “vahoaka be” izay manantena ny ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe.” “Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo.” (Ap 7:9, 13-17) Ho tondraka koa ny sakafo rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, ka tsy hisy ho noana intsony.​—Sl 72:16; Is 25:6.