Mosera
(Môsèra), Moserota (Môserôta).
Toerana nitobian’ny Israelita tamin’ny fotoana nahafatesan’i Arona. (De 10:6) Azo inoana fa teo akaikin’ny Tendrombohitra Hora (ilay nahafatesan’i Arona) i Mosera, fa tsy tena fantatra ny toerana nisy azy io. (No 33:38) Hita ao amin’ny Nomery 33:30, 31 ny hoe “Moserota” izay endriny milaza maro amin’ny hoe Mosera. Toa midika izany fa efa nitoby teo ny Israelita taloha.