Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mosesy

Mosesy

(Mosèsy) [Nalaina Avy Teo Amin’ny [izany hoe novonjena avy teo amin’ny rano]].

“Lehilahin’Andriamanitra”, mpitarika ny firenen’Israely, mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna, mpaminany, mpitsara, mpitari-tafika, mpahay tantara, ary mpanoratra. (Ezr 3:2) Teraka tany Ejipta tamin’ny 1593 T.K. i Mosesy. Zanak’i Amrama izy, ary zafikelin’i Kehata sady zafiafin’i Levy. Jokebeda, anabavin’i Kehata, no reniny. (Jereo anefa ny hoe JOKEBEDA.) Arona no rahalahiny ary zandrin’i Arona telo taona izy. Anabavin’izy ireo sady zokiny taona vitsivitsy i Miriama.​—Ek 6:16, 18, 20; 2:7.

Fahazazany tany Ejipta. Namoaka didy handripahana ny zazalahikely hebreo vao teraka i Farao. Tsy maty tamin’izany anefa i Mosesy, izay “tena nahafatifaty teo imason’Andriamanitra.” Nafenin-dreniny nandritra ny telo volana mantsy izy, ary avy eo nataony tao anaty vata kely zozoro, ary napetrany teny amin’ny bararata naniry teny amoron’ny Reniranon’i Neily. Teny no nahitan’ny zanakavavin’i Farao azy. Nanao tetika ny reniny sy ny anabaviny mba ho ny reniny ihany no nokaramain’ny zanakavavin’i Farao hampinono sy hitaiza azy. Natsangan’ilay zanakavavin’i Farao ho zanany i Mosesy, taorian’izay. “Nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina” izy, satria anisan’ny ankohonan’i Farao. Lasa “nahery tamin’ny teniny sy ny nataony” àry izy, izany hoe sady nahira-tsaina no natanjaka.​—Ek 2:1-10; As 7:20-22.

Lasa olona ambony izy tany Ejipta ary afaka nahazo izay niriny. Niraiki-po tamin’ny vahoakan’Andriamanitra anefa izy, na dia andevo aza izy ireo. Nanantena mihitsy aza izy hoe hampiasa azy Andriamanitra mba hanafahana an’ilay vahoaka. Nandeha nijery an’ireo Hebreo rahalahiny, izay noterena hiasa mafy, izy tamin’izy 40 taona. Tamin’izay izy no nahita Ejipsianina namely Hebreo iray toa azy. Niaro an’ilay Hebreo izy ka namono an’ilay Ejipsianina ary nandevina azy tao anaty fasika. Nandray ny fanapahan-kevitra lehibe indrindra teo amin’ny fiainany izy, tamin’izay. Hoy mantsy ny Baiboly: “Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao, rehefa nihalehibe izy. Naleony nampijalina niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, toy izay hifaly vetivety tamin’ny fahotana.” Nafoiny àry ny voninahitra sy ny harena nety ho azony tamin’izy anisan’ny ankohonan’i Farao, ilay mpanjaka mahery.​—He 11:24, 25.

Nihevitra i Mosesy fa tonga ny fotoana hamonjeny ny Hebreo sady ho vitany izany. Tsy nankasitraka an’izay nataony anefa ny Hebreo. Voatery nandositra niala tany Ejipta izy rehefa ren’i Farao fa novonoiny ilay Ejipsianina.​—Ek 2:11-15; As 7:23-29.

Nipetraka 40 taona tany Midianina. Nandeha lavitra namakivaky tany efitra i Mosesy ary tonga mba hialokaloka tany Midianina. Nisongadina indray koa tamin’izay hoe be herim-po sy vonon-kanampy an’izay niharan’ny tsy rariny izy. Nanampy azy fito vavy zanak’i Jetro (Regoela) izy teo amin’ny lavadrano iray. Noroahin’ny mpiandry ondry mantsy izy ireo sy ny andian’ondriny, ka nanafaka azy ireo i Mosesy ary nampisotro rano ny andian’ondry. Nampiantrano an’i Mosesy àry i Jetro, ary nokaramainy hiandry ny ondriny izy. Nanambady an’i Zipora zanakavavin’i Jetro izy tatỳ aoriana, ary niteraka an’i Gersoma sy Eliezera.​—Ek 2:16-22; 18:2-4.

Nampiofanina hiantsoroka andraikitra. Marina fa nikasa ny hampiasa an’i Mosesy mba hanafaka ny Hebreo Andriamanitra, nefa mbola tsy tamin’izay fotoana izay. I Mosesy koa tamin’izay mbola tsy dia nahay nikarakara ny vahoakan’Andriamanitra. Nila nampiofanina 40 taona fanampiny izy. Nila niezaka izy mba hanana faharetana, fandeferana, fanetren-tena, fahari-po, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena bebe kokoa. Nila nianatra bebe kokoa niandry an’i Jehovah koa izy. Amin’izay ihany izy vao hahay hitondra ny vahoakan’Andriamanitra. Nila nampiofanina koa izy mba ho vonona hiatrika hakiviana, fahadisoam-panantenana, ary olana. Nila nianatra ho tsara fanahy sy be fitiavana, sy ho tony, ary tsy ho mora kivy koa izy, satria tsy maintsy ho maro be ny olana eo anivon’ny firenena lehibe. Efa niana-javatra maro sy efa tsara ofana tao amin’ny ankohonan’i Farao izy, ka azo inoana fa olona mendri-kaja, natoky tena, nahay nandanjalanja, ary tena nahay nandamin-javatra sy nahay nampihatra fahefana. Ilay asa tsotsotra nataony tamin’izy niandry ondry tany Midianina anefa no nampiofana azy hanana toetra tsara maro, ary izany toetra tsara izany aza no tena hanampy azy hiantsoroka ny andraikitra niandry azy. Toy izany koa i Davida. Efa voahosotra ho mpanjaka izy, nefa mbola nila fampiofanana be. Notsapaina sy nosedraina koa i Jesosy Kristy mba ho lasa Mpanjaka sy Mpisoronabe lavorary, ary hanao izany mandrakizay. “Nianatra nankatò avy tamin’ny zavatra niaretany [izy]. Ary rehefa avy natao lavorary izy, dia nahatonga an’izay rehetra mankatò azy hahazo famonjena mandrakizay.”​—He 5:8, 9.

Notendrena ho mpanafaka. Niandry ny ondrin’i Jetro tany akaikin’ny Tendrombohitra Horeba i Mosesy, indray andro, ary gaga nahita voaroy nirehitra nefa tsy nety levona. Efa hifarana ny 40 taona nipetrahany tany Midianina, tamin’izay. Nanatona izy mba hijery akaiky izany. Niteny taminy avy teo anaty afo ny anjelin’i Jehovah hoe tonga ny fotoana hanafahan’Andriamanitra ny Israely. Naniraka an’i Mosesy tamin’ny anarany àry i Jehovah, dia ilay anarana hahatsiarovana Azy. (Ek 3:1-15) Nanendry azy ho mpaminaniny sy ho solontenany Andriamanitra tamin’izay. Azo nantsoina hoe ilay “Voahosotra”, na mesia, na “Kristy” i Mosesy, noho izany. (He 11:26, jereo koa Prot.) Nampiasa an’ilay anjely i Jehovah ka nanome porofo azon’i Mosesy naseho an’ireo anti-panahin’ny Israely mba hinoan’izy ireo azy. Afaka nanao fahagagana telo i Mosesy ho famantarana. Izy no olona voalohany resahin’ny Soratra Masina hoe nomena hery hanaovana fahagagana.​—Ek 4:1-9.

Tsy nailik’Andriamanitra na dia niahotra aza. Niahotra hanao an’ilay asa anefa i Mosesy, ary nilaza fa tsy nahay nandaha-teny. Tena niova i Mosesy. Hafa mihitsy ilay Mosesy nanapa-kevitra samirery hanafaka an’ireo Israelita, 40 taona talohan’izay. Izao anefa izy nanda foana, ary niangavy an’i Jehovah mba haniraka olon-kafa. Tezitra Andriamanitra, nefa tsy nanilika azy fa naniraka an’i Arona rahalahiny mba ho mpitondra tenin’i Mosesy. Solontenan’Andriamanitra i Mosesy ka nanjary “Andriamanitra” teo anatrehan’i Arona, ary i Arona kosa no niteny hisolo azy. Nihaona tamin’ny anti-panahin’ny Israely sy tamin’i Farao izy roa lahy taorian’izay. I Mosesy no nilazan’Andriamanitra ny toromarika sy ny baiko, ary i Mosesy kosa nilaza izany tamin’i Arona. I Arona àry no tena niteny tamin’i Farao (mpandimby an’ilay Farao nandosiran’i Mosesy 40 taona talohan’izay). (Ek 2:23; 4:10-17) Nolazain’i Jehovah hoe ‘mpaminanin’i’ Mosesy i Arona, taorian’izay. Midika izany fa i Mosesy no tokony hilaza aminy izay holazainy. I Mosesy koa mantsy mpaminanin’Andriamanitra, izany hoe Andriamanitra no nilaza taminy izay tokony holazainy. Ary inona no dikan’ny hoe ‘natao Andriamanitra eo anatrehan’i Farao’ i Mosesy? Nomen’Andriamanitra hery sy fahefana hampiharina tamin’i Farao izy, ka tsy tokony hatahotra an’io mpanjakan’i Ejipta io.​—Ek 7:1, 2.

Nisalasala hanao ilay asa goavana i Mosesy ka nibedy azy Andriamanitra. Tsy nanendry olon-kafa hanafaka an’ireo Israelita anefa Izy. Nahoana i Mosesy no nanda rehefa nirahina? Tsy hoe niamboho adidy izy, na dia efa 80 taona aza. Mbola natanjaka mantsy izy, 40 taona tatỳ aoriana, tamin’izy 120 taona, sady mbola tao tsara ny sainy. (De 34:7) Nanam-potoana tsara nisaintsainana kosa izy, tamin’izy nipetraka 40 taona tany Midianina. Tsapany fa diso izy rehefa nanapa-kevitra samirery hanafaka an’ireo Hebreo. Takany koa fa tsy nanana ny toetra sy ny fahaizana nilaina izy tamin’izany. Nanda izy rehefa nirahina, satria azo inoana fa tampoka be taminy ilay andraikitra nampanaovina azy. Tsy nikarakara raharaha mahakasika ny besinimaro mantsy izy, nandritra ireo 40 taona ireo.

Hoy ny Baiboly tatỳ aoriana: “Tamin’ny olona teto ambonin’ny tany, dia i Mosesy no lehilahy be fandeferana indrindra.” (No 12:3) Izany toetrany izany no nanampy azy hiaiky fa olombelona tsy lavorary sy nanana fahalemena ihany izy. Tsy nanandra-tena ho mpitarika tsy mety resy izy. Tsy hoe natahotra an’i Farao àry izy raha nanda an’ilay iraka, fa tena tsapany kosa hoe nisy fetrany ihany ny zavatra vitany.

Teo anatrehan’i Farao tany Ejipta. Toy ny hoe nisy adin’ireo andriamanitra tany Ejipta, ary nandray anjara lehibe tamin’izany i Mosesy sy Arona. Nanambatra ny herin’ireo andriamanitra rehetran’i Ejipta mba hanohitra ny herin’i Jehovah Andriamanitra i Farao, rehefa nampiantso an’ireo mpisorona nampiasa herin’ny maizina. Toa i Jana sy Jambra no lehiben’ireo mpisorona ireo. (2Ti 3:8) Nasain’i Mosesy nanao ny fahagagana voalohany teo anatrehan’i Farao i Arona, ka hita fa nahery noho ireo andriamanitr’i Ejipta i Jehovah. Vao mainka anefa i Farao nikiribiby tamin’ny heviny. (Ek 7:8-13) Niseho ny loza fahatelo tatỳ aoriana, ary na ireo mpisorona aza voatery niaiky hoe: “Rantsantanan’Andriamanitra ity!” Tena voa mafy izy ireo rehefa namely ilay loza nahatonga vay, ka tsy afaka niseho teo anatrehan’i Farao akory aza izy ireo mba hanohitra an’i Mosesy.​—Ek 8:16-19; 9:10-12.

Sady nanohina fo no nanamafy fo ireo loza. Nilaza mialoha i Mosesy sy Arona isaky ny hiseho ny tsirairay tamin’ireo Loza Folo. Nitranga araka ny nambaran’izy ireo tokoa izany, ka voaporofo fa tena solontenan’Andriamanitra i Mosesy. Nambara eran’i Ejipta sy lasa ambentin-dresaka tany ny anaran’i Jehovah. Inona no vokany? Sady nanohina ny fon’ny Israelita sy ny Ejipsianina sasany mba ho tia an’ilay anarana izany, no nanamafy ny fon’i Farao sy ny mpanolo-tsainy ary ireo mpomba azy mba ho vao mainka hankahala an’ilay anarana. (Ek 9:16; 11:10; 12:29-39) Tsy nieritreritra ny Ejipsianina hoe nampahatezitra an’ireo andriamaniny izy ireo. Fantany kosa fa i Jehovah no nitsara an’ireo andriamaniny. Rehefa nifarana ny loza fahasivy, dia lasa “lehilahy tena nalaza teo amin’ny tany Ejipta” i Mosesy, “na teo imason’ny mpanompon’i Farao izany, na teo imason’ny vahoaka.”​—Ek 11:3.

Niova be koa ireo Israelita. Nino an’i Mosesy mantsy izy ireo tamin’ny voalohany, nefa nimenomenona taminy kosa rehefa nasain’i Farao niasa mafy kokoa. Kivy mihitsy i Mosesy ka nitaraina tamin’i Jehovah. (Ek 4:29-31; 5:19-23) Nampahery azy ilay Avo Indrindra ary nilaza fa tonga ny fotoana hanatanterahany an’izay nantenain’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, izany hoe haharihariny amin’izay ny dikan’ilay anarany hoe Jehovah ka hanafaka ny Israely izy sady hanao azy ho firenena lehibe ao amin’ny Tany Nampanantenaina. (Ek 6:1-8) Mbola tsy nihaino an’i Mosesy ihany anefa ireo Israelita. Taorian’ilay loza fahasivy kosa, dia niova izy ireo ka nanohana tanteraka sy nanaiky an’i Mosesy. Afaka nandamina azy ireo àry i Mosesy taorian’ny loza fahafolo, ary afaka nitarika azy ireo nilamina tsara sy “nilahatra toy ny tafika” rehefa niala tany Ejipta.​—Ek 13:18.

Nilana herim-po sy finoana ny fihaonana tamin’i Farao. Tsy nahavita an’izay nampanaovina azy i Mosesy sy Arona, raha tsy noho ny herin’i Jehovah sy ny fanahiny masina. Alao sary an-tsaina ange i Farao tao an-dapany e! Zavatra kanto daholo no nanodidina azy. Izy no mpanjakan’ilay firenena natanjaka indrindra tamin’izany! Nirehareha erỳ izy ary noheverina ho andriamanitra mihitsy! Nanodidina azy ny mpanolo-tsainy, mpitari-tafiny, mpiambina azy, ary mpanompony. Tsy izay ihany fa teo koa ireo mpitondra fivavahana sy mpisorona nampiasa ny herin’ny maizina. Ireo mpisorona ireo no tena mpanohitra an’i Mosesy. Olona nahery indrindra tany Ejipta ireo rehetra ireo, ary tsy lazaina intsony i Farao. Nilahatra teo anilan’i Farao ireo olona mampahatahotra rehetra ireo, mba hanohana azy sy ireo andriamanitr’i Ejipta. Tonga teo anatrehan’i Farao i Mosesy sy Arona, ary tsy indray mandeha ihany fa imbetsaka mihitsy. Nihamafy fo foana anefa i Farao, satria tena tsy te handefa an’ireo mpanompony hebreo. Tena nilainy mantsy izy ireo. Noroahiny tsy ho eo anatrehany mihitsy aza i Mosesy sy Arona rehefa nanambara ny loza fahavalo. Nilaza koa izy, taorian’ny loza fahasivy, fa ho faty izy roa lahy raha mbola mitady hifanatri-tava aminy.​—Ek 10:11, 28.

Tsy mahagaga raha niangavy an’i Jehovah imbetsaka i Mosesy mba hahazo toky sy homena hery. Na izany aza, dia tsara homarihina fa notanterahiny an-tsakany sy an-davany izay rehetra nasain’i Jehovah nataony. Nambarany tamin’i Farao daholo izay teny nasain’i Jehovah nolazainy. Tena nahay nitondra vahoaka i Mosesy, matoa rehefa niseho ny loza fahafolo, dia voalaza fa “nanao araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy Arona ny zanak’Israely rehetra. Izany indrindra no nataon’izy ireo.” (Ek 12:50) Niavaka ny finoan’i Mosesy ka voalaza fa modely ho an’ny Kristianina izy. Hoy ny apostoly Paoly momba azy: “Finoana, fa tsy tahotra ny fahatezeran’ny mpanjaka, no nandaozany an’i Ejipta, satria tsy azo nohozongozonina mihitsy izy, toy ny mahita an’Ilay tsy hita.”​—He 11:27.

Nankalaza ny Paska voalohany i Mosesy, talohan’ny loza fahafolo. (Ek 12:1-16) Rehefa tonga teo amin’ny Ranomasina Mena ny vahoaka, dia toa tapi-dalan-kaleha sy toa ho ripaky ny tafika ejipsianina. Nimenomenona tamin’i Mosesy indray àry izy ireo. Hita hoe mpitarika nahay sy nanam-pinoana ary niantehitra tamin’ny tana-maherin’i Jehovah i Mosesy. Nanome toky an’ireo Israelita izy fa horinganin’i Jehovah ilay tafika nanenjika azy ireo. Toa niantso vonjy tamin’i Jehovah izy tamin’izay, matoa nilaza Andriamanitra hoe: “Nahoana ianao no mitaraina amiko foana?” Hoy ihany i Jehovah: “Ingao ny tehinao ka atsory eo ambonin’ny ranomasina ny tananao. Dia saraho ny rano.” (Ek 14:10-18) Afaka niampita ny Ranomasina Mena ny Israelita taorian’izay. Hoy ny apostoly Paoly, taonjato maro tatỳ aoriana: “Teo ambanin’ny rahona avokoa ny razantsika, ary namakivaky ny ranomasina izy rehetra, ary natao batisa ka tafaray tamin’i Mosesy izy rehetra, fony teo anatrehan’ny rahona sy namakivaky ny ranomasina.” (1Ko 10:1, 2) Nanao batisa azy ireo Andriamanitra. Tsy maintsy nanaiky an’i Mosesy ho mpitarika sy nanaiky hotarihiny hamakivaky ny ranomasina izy ireo, mba tsy ho ringan’ireo mpanenjika. Toy ny hoe naroboka àry ny fiangonan’Israely, izany hoe natao batisa mba ho tafaray amin’i Mosesy, izay mpanafaka sy mpitarika azy.

Mpanelanelana tamin’ny Fifaneken’ny Lalàna. Nasehon’i Jehovah tamin’ny Israelita rehetra, tamin’ny volana fahatelo taorian’ny nanafahana azy ireo avy tany Ejipta, fa nomeny fahefana sy andraikitra lehibe i Mosesy mpanompony ary tena akaiky azy. Nasainy niakatra tany amin’ny Tendrombohitra Horeba, teo anatrehan’ny Israelita rehetra nitoby teo am-pototr’ilay tendrombohitra, i Mosesy. Niresaka tamin’i Mosesy tamin’ny alalan’ny anjely iray i Jehovah. Tatỳ aoriana, dia niaina zavatra faran’izay nampitolagaga koa i Mosesy, ary mbola tsy nisy olona niaina zavatra toy izany talohan’ny nahatongavan’i Jesosy Kristy teto an-tany. Irery tany an-tendrombohitra izy tamin’izay, ary nataon’i Jehovah nahazo fahitana momba ny voninahiny. Notakonany tamin’ny ‘felatanany’ i Mosesy, ka ny ‘vohony’ ihany (izany hoe izay taratra faramparany tavela rehefa avy nandalo ny voninahiny) no navelany ho hitan’i Mosesy. Niresaka tamin’i Mosesy izy, avy eo, ary azo lazaina hoe niteny taminy nivantana mihitsy.​—Ek 19:1-3; 33:18-23; 34:4-6.

Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Tsy afaka mahita ny tavako ianao, satria tsy misy olona afaka mahita ahy ka mbola ho velona ihany.” (Ek 33:20) Hoy ny apostoly Jaona, taonjato maro tatỳ aoriana: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.” (Jn 1:18) Nilaza toy izao tamin’ny Jiosy koa i Stefana, ilay Kristianina maty maritiora: “[I Mosesy] ilay teo amin’ny fiangonana tany an-tany efitra niaraka tamin’ilay anjely niresaka taminy tany amin’ny Tendrombohitra Sinay.” (As 7:38) Anjely iray àry no nisolo tena an’i Jehovah tany amin’ilay tendrombohitra. Tena nahery anefa ny voninahitr’i Jehovah nampitain’ilay anjely, ka nanjelanjelatra ny hodi-tavan’i Mosesy ary tsy zakan’ny Israelita ny nijery azy.​—Ek 34:29-35; 2Ko 3:7, 13.

Notendren’Andriamanitra ho mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna nifanaovany tamin’ny Israelita i Mosesy. Tsy nisy olona akaiky an’i Jehovah toy izany, ankoatra an’i Jesosy Kristy, ilay Mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao. Nafafin’i Mosesy teo amin’ny bokin’ny fifanekena sy tamin’ny vahoaka (azo antoka fa ny anti-panahy no solontenan’ny vahoaka) ny ran’ny biby natao sorona. Ilay boky mantsy no toy ny hoe solontenan’i Jehovah, ary i Jehovah sy ny vahoaka no andaniny sy ankilany tamin’ilay fifanekena. Novakiny tamin’ny vahoaka ilay boky, ary hoy ny vahoaka: “Vonona hanao sy hankatò izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.” (Ek 24:3-8; He 9:19) Mpanelanelana i Mosesy ka andraikiny ny nanara-maso ny fanamboarana ny tranolay masina sy ny fitaovana tao. Andriamanitra no nanome azy ny modelin’ilay tranolay. Andraikiny koa ny nametraka ny mpisorona teo amin’ny toerany sy nanosotra an’ilay tranolay sy Arona mpisoronabe tamin’ny menaka masina. Niandraikitra ny asa fisoronana voalohany nataon’ireo mpisorona vaovao izy avy eo.​—Ek toko 25-29; Le toko 8, 9.

Mpanelanelana mahafa-po. Imbetsaka no niakatra tany amin’ny Tendrombohitra Horeba i Mosesy, ary indroa izy no nijanona 40 andro sy 40 alina tany. (Ek 24:18; 34:28) Tamin’ilay voalohany, dia nitondra takela-bato roa izy rehefa nidina avy tany. “Nosoratan’ny rantsantanan’Andriamanitra” ireo takela-bato ireo ary voasoratra teo “ny Teny Folo” na ny Didy Folo, izany hoe ireo lalàna fototra tao amin’ny fifaneken’ny Lalàna. (Ek 31:18; De 4:13) Hita tamin’izay fotoana izay hoe hain’i Mosesy tsara ny asan’ny mpanelanelana teo amin’i Jehovah sy ny Israely, ary hainy ny nitarika an’ilay firenena lehibe izay angamba nisy olona telo tapitrisa, fara fahakeliny. Nilazan’i Jehovah i Mosesy tamin’izy mbola tany an-tendrombohitra fa nanompo sampy ny vahoaka. Hoy i Jehovah: “Avelao hirehitra aminy ny fahatezerako ka haringako izy. Dia hataoko ho firenena lehibe ianao.” Namaly azy avy hatrany i Mosesy, ary hita tamin’ny teniny fa ny hanamasinana ny anaran’i Jehovah no tena zava-dehibe taminy. Tsy tia tena mihitsy izy sady tsy te halaza. Tsy ny tenany no noeritreretiny fa ny anaran’i Jehovah, izay vao avy nahazo voninahitra noho ilay fahagagana teo amin’ny Ranomasina Mena. Hita tamin’ny teniny koa fa nieritreritra momba ilay fampanantenan’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba izy. Tsy naringan’i Jehovah àry ny vahoaka. Asehon’io zava-nitranga io fa nahafa-po an’i Jehovah ny fomba nanatanterahan’i Mosesy ny asan’ny mpanelanelana. Izy no nanendry an’i Mosesy ho mpanelanelana, ary nanaja an’izany Izy. “Nanenenan’i Jehovah [àry] ny ratsy rehetra nolazainy fa hataony amin’ny olony.” Midika izany fa niova hevitra Izy ka tsy nanasazy azy ireo indray.​—Ek 32:7-14.

Nafana fo tamin’ny fivavahana marina i Mosesy, rehefa nisolo tena an’Andriamanitra. Niharihary izany tamin’izy nidina avy tany an-tendrombohitra. Nahita an’ireo vahoaka nanompo sampy sy nifety izy, ka nazerany ireo takela-bato ary novakivakiny. Nasainy niangona teny aminy izay niandany tamin’i Jehovah. Nanatona an’i Mosesy àry ny taranak’i Levy, ary nasain’i Mosesy namono an’ireo nanompo sampy, ka lehilahy 3000 teo ho eo no maty. Niverina tany amin’i Jehovah i Mosesy, avy eo, ary niaiky hoe nanao fahotana lehibe ny vahoaka. Niangavy izy hoe: “Raha mba vonona hamela ny helony mantsy ianao...! Fa raha tsy izany dia vonoy ao amin’ny boky nosoratanao re ny anarako e!” Nanao ny asan’ny mpanelanelana indray i Mosesy teo. Nankasitrahan’Andriamanitra izany, saingy hoy Izy: “Ny anaran’izay nanota tamiko ihany no hovonoiko ao amin’ny bokiko.”​—Ek 32:19-33.

Mpanelanelana tamin’ilay fifanekena i Mosesy ka imbetsaka izy no nisolo tena an’i Jehovah ary nandidy ny hanarahana ny fivavahana madio sy marina. Ankoatra izany, dia nampihatra didim-pitsarana tamin’izay tsy nankatò izy. Imbetsaka koa anefa izy no nisolo tena ny firenen’Israely na ny olona sasany teo anivon’izy io, ka niangavy an’i Jehovah mba tsy handringana.​—No 12; 14:11-21; 16:20-22, 43-50; 21:7; De 9:18-20.

Tsy tia tena, nanetry tena, ary nandefitra. Ny anaran’i Jehovah sy izay hahasoa ny vahoakany no tena zava-dehibe tamin’i Mosesy. Tsy naniry voninahitra na toerana ambony izy, vokatr’izany. Rehefa nahazo fanahy masina, ohatra, ny anti-panahy sasany tao an-toby ka nanao hoatran’ny mpaminany, dia tian’i Josoa, mpanampy an’i Mosesy, horarana izy ireny sao hihena ny voninahitra sy fahefan’i Mosesy. Hoy anefa i Mosesy: “Ny fahefako ve no mahasaro-piaro anao? Tsy mety izany! Satriko aza raha mpaminany daholo ny vahoakan’i Jehovah rehetra, ka homen’i Jehovah ny fanahiny!”​—No 11:24-29.

Mpitarika voatendrin’Andriamanitra hitondra an’ilay firenena lehibe i Mosesy, nefa nanaiky soso-kevitra, indrindra raha hahasoa an’ilay firenena ilay soso-kevitra. Taoriana kelin’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta, ohatra, dia nitsidika an’i Mosesy i Jetro rafozandahiny, mba hanatitra ny vadin’i Mosesy sy ny zanany lahy. Hitan’i Jetro fa niasa mafy i Mosesy, ka reraka nandamina ny olan’izay rehetra tonga teo aminy. Nanome soso-kevitra àry izy, noho ny fahendreny, ka nasainy nizara andraikitra i Mosesy mba tsy havesatra loatra aminy ny asany. Neken’i Mosesy ilay soso-kevitra ka nozarazarainy ho antoko nisy arivo, zato, dimampolo, ary folo ny vahoaka. Nanendry lehiben’ireo antoko tsirairay ireo izy mba hitsara azy ireo. Ny raharaha sarotra ihany no nentina tany aminy. Mendri-komarihina koa ny efa fanaon’i Mosesy hatramin’izay. Nohazavainy tamin’i Jetro toy izao izany: “Rehefa misy raharaha mampifanolana azy, dia entiny eto amiko. Dia mitsara ny andaniny sy ny ankilany aho, ary mampahafantatra ny didim-pitsarana sy ny lalàn’Andriamanitra.” Nasehony tamin’izany fa ny didim-pitsaran’i Jehovah no tokony hampihariny, fa tsy ny heviny. Nasehony koa fa andraikiny ny nanampy ny vahoaka hahafantatra sy hanaiky ny lalàn’Andriamanitra.​—Ek 18:5-7, 13-27.

Imbetsaka i Mosesy no nilaza hoe i Jehovah, fa tsy izy, no tena Mpitarika ny Israely. Rehefa nitaraina momba ny sakafo, ohatra, ny vahoaka, dia hoy izy: “Tsy izahay [Mosesy sy Arona] ange no imenomenonanareo fa i Jehovah e!” (Ek 16:3, 6-8) Nialona sy tsy nanaja an’i Mosesy koa i Miriama sy Arona, ary nanakiana azy sy nanohitra ny fahefany. Natahotra angamba i Miriama sao halaza kokoa noho izy ilay vadin’i Mosesy. Tena ratsy ilay zavatra nolazain’izy mianadahy, indrindra rehefa eritreretina hoe ‘i Mosesy no lehilahy be fandeferana indrindra, tamin’ny olona teto ambonin’ny tany.’ Toa tsy te hanasongadina ny fahefany i Mosesy tamin’izay, fa nandefitra sy niaritra fotsiny. Tezitra be kosa i Jehovah noho ilay fanakianana, satria izy no nokianina raha ny marina. Niditra an-tsehatra izy ary nosaziny mafy i Miriama. Nitalaho ho an’ilay anabaviny i Mosesy noho ny fitiavany azy, ka hoy izy: “Mba miangavy re, Andriamanitra ô! Mba sitrano re izy e!”​—No 12:1-15.

Nankatò an’i Jehovah ary niandry Azy. Niandry an’i Jehovah foana i Mosesy. Niaiky izy fa tsy avy aminy ny lalàna nambarany, na dia nolazaina hoe mpanome lalàna ho an’ny Israely aza izy. Tsy nitsara araka izay saim-pantany fotsiny izy. I Jehovah no niangaviany hamoaka didim-pitsarana rehefa nisy raharaha sambany vao nitranga, na rehefa tsy hainy tsara ny nampihatra ny lalàna. (Le 24:10-16, 23; No 15:32-36; 27:1-11) Narahiny tsara foana ny toromarika azony. Be tsipiriany, ohatra, ny tranolay masina sy ireo fitaovana tao anatiny ary ny akanjon’ny mpisorona, nefa nanara-maso tsara ny fanamboarana azy ireny i Mosesy. Hoy ny Baiboly: “Dia nanao araka izay rehetra nandidian’i Jehovah azy i Mosesy. Eny, izany indrindra no nataony.” (Ek 40:16; ampit. No 17:11.) Voalaza matetika fa “araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy” izay zavatra natao. (Ek 39:1, 5, 21, 29, 31, 42; 40:19, 21, 23, 25, 27, 29) Nahasoa ny Kristianina ny nanaovany toy izany, satria “aloky ny zavatra any an-danitra” ireny natao taloha ireny, ary toy ny hoe sary nanazavana zavatra any an-danitra.​—He 8:5.

Nanao fahadisoana i Mosesy. Nanao fahadisoana lehibe i Mosesy, tamin’ny Israely nitoby tany Kadesy, angamba tamin’ny taona faha-40 nivezivezen’izy ireo tany an-tany efitra. Asongadin’io tantara io fa na dia nanana toerana niavaka teo anivon’ilay firenena aza i Mosesy, dia tena tompon’andraikitra teo anatrehan’i Jehovah koa izy, noho izy mpitarika sy mpanelanelana. Nila ady taminy ny vahoaka, rehefa tsy nisy rano hosotroin’izy ireo. I Mosesy no nomen’izy ireo tsiny hoe nitondra azy ireo niala tany Ejipta mba hankany an-tany efitra karakaina. Efa niaritra zavatra maro nataon’ny Israelita i Mosesy taloha, anisan’izany ny toetra ratsy sy tsy fankatoavan’izy ireo. Efa nizaka ny mafy vokatry ny nataon’izy ireo izy, ary nitalaho ho azy ireo isaky ny nanota izy ireo. Tsy nahalefitra intsony àry izy tamin’ity indray mandeha ity, ary tsy nahafehy tena. Tezitra be izy sy Arona, rehefa nijoro teo anoloan’ny vahoaka araka ny nandidian’i Jehovah azy. Noteneniny mafy ny vahoaka, ary ny tenany no nasongadiny fa tsy i Jehovah, izay nanome ny rano. Hoy i Mosesy: “Mihainoa, ry mpikomy! Tsy maintsy mamoaka rano ho anareo avy amin’ity vatolampy ity angaha izahay?” Nokapohiny ilay vatolampy ka nataon’i Jehovah nikoriana ny rano, izay ampy ho an’ny vahoaka sy ny andiam-bibiny. Tezitra tamin’i Mosesy sy Arona anefa Andriamanitra satria tsy nanome voninahitra ny anarany izy ireo, nefa izany no adidiny voalohany. ‘Tsy nanao ny adidin’izy ireo’ taminy izy roa lahy. “Nanao teny tsy voahevitra” i Mosesy. Hoy i Jehovah taorian’izay: “Noho ianareo tsy naneho finoana ahy ka tsy nanamasina ahy teo imason’ny zanak’Israely, dia tsy hitondra an’ity fiangonana ity hiditra ao amin’ilay tany homeko azy ianareo.”​—No 20:1-13; De 32:50-52; Sl 106:32, 33.

Mpanoratra i Mosesy. Izy no nanoratra ny Boky Dimy Voalohany ao amin’ny Baiboly (Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery, ary Deoteronomia). Neken’ny Jiosy foana izany, ary nantsoin’izy ireo hoe Torah na Lalàna io ampahany amin’ny Baiboly io. Matetika i Jesosy sy ireo Kristianina nanoratra ny Baiboly no nilaza fa i Mosesy no nanome ny Lalàna. Maro koa no mihevitra fa izy no nanoratra ny bokin’i Joba sy ny Salamo faha-​90, ary angamba koa ny Salamo faha-​91.​—Mt 8:4; Lk 16:29; 24:27; Ro 10:5; 1Ko 9:9; 2Ko 3:15; He 10:28.

Maty ary nalevina. Efa 123 taona i Arona rahalahin’i Mosesy, rehefa maty. Nitoby teo amin’ny Tendrombohitra Hora, teo amin’ny sisin-tanin’i Edoma, ny Israely tamin’izay, izany hoe tamin’ny volana fahadimy, tamin’ny taona faha-40 nanaovana ilay dia tany an-tany efitra. Nentin’i Mosesy niakatra tany amin’ilay tendrombohitra i Arona sy Eleazara, izay zokiny indrindra tamin’ireo zanakalahin’i Arona mbola velona. Nesorin’i Mosesy ny akanjon’ny mpisorona nanaovan’i Arona, ary nampanaoviny an’i Eleazara, izay handimby an’i Arona. (No 20:22-29; 33:37-39) Tonga teo amin’ny Lemak’i Moaba ny Israelita, enim-bolana tatỳ aoriana. Nanao lahateny vitsivitsy i Mosesy, ka nanazava ny Lalàna tamin’ilay firenena tafavory teo, saingy nampiany fanitsiana maromaro nilaina izany. Tsy hifindrafindra monina intsony mantsy ny Israelita fa honina ao amin’ny taniny. Nilaza tamin’ny vahoaka izy, tamin’ny volana faha-12 tamin’ny taona faha-40 (lohataonan’ny taona 1473 T.K.), fa i Josoa no notendren’i Jehovah ho mpitarika handimby azy. Nampirisihiny mba ho be herim-po i Josoa rehefa voatendry. (De 31:1-3, 23) Namaky tononkira sy nitso-drano an’ilay vahoaka i Mosesy, ary avy eo niakatra tany amin’ny Tendrombohitra Nebo, araka ny nandidian’i Jehovah azy. Nasaina nitazana an’ilay Tany Nampanantenaina avy teny izy, ary avy eo maty.​—De 32:48-51; 34:1-6.

Efa 120 taona i Mosesy rehefa maty. Mbola natanjaka izy matoa milaza ny Baiboly hoe: “Tsy nihananjavozavo ny masony, sady tsy nihena ny heriny.” Nalevin’i Jehovah tao amin’ny toerana iray mbola tsy fantatra hatramin’izao izy. (De 34:5-7) Nahoana? Azo inoana fa mba hisakanana ny Israelita tsy ho voataona hanompo sampy, ka hihevitra ny fasany ho toerana masina. Toa mitovitovy amin’izany no tian’ny Devoly hampiasana ny fatin’i Mosesy. Hoy mantsy i Joda, mpianatr’i Jesosy Kristy sady rahalahiny hafa ray: ‘Rehefa nifamaly tamin’ny Devoly sy nifanditra taminy ny amin’ny fatin’i Mosesy i Mikaela arkanjely, dia tsy sahy nanameloka azy tamin’ny teny manevateva, fa nilaza kosa hoe: “Hiteny mafy anao anie i Jehovah!”’ (Jd 9) Nisaona an’i Mosesy nandritra ny 30 andro ny Israelita, ary avy eo notarihin’i Josoa hiampita ho any Kanana.​—De 34:8.

Mpaminany “tena fantatr’i Jehovah tsara.” Hoy i Jehovah rehefa nanohitra ny fahefan’i Mosesy i Miriama sy Arona: “Raha misy mpaminanin’i Jehovah eo aminareo, dia ao amin’ny fahitana no hampahafantarako ny tenako aminy, ary ao amin’ny nofy no hitenenako aminy. Fa tsy mba toy izany ny amin’i Mosesy mpanompoko! Izy no anankinana izay rehetra ao an-tranoko. Iresahako mivantana izy, fa tsy amin’ny alalan’ny teny saro-pantarina, ary ny endrik’i Jehovah mihitsy no hitany. Koa nahoana ianareo no tsy natahotra ny hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?” (No 12:6-8) Niavaka tokoa i Mosesy tamin’i Jehovah. Miresaka momba izany ireto andininy farany ao amin’ny Deoteronomia ireto: “Mbola tsy nisy mpaminany tena fantatr’i Jehovah tsara [a.b.t.: mifanatrika] toa an’i Mosesy mihitsy anefa teo amin’ny Israely. Tena tsy nanan-tsahala izy raha jerena ny famantarana sy ny fahagagana rehetra nataony tamin’i Farao sy tamin’ny mpanompony rehetra ary tamin’i Ejipta manontolo, rehefa naniraka azy tany i Jehovah. Nampiasa hery lehibe koa izy sady nanao zava-mampahatahotra teo imason’ny Israely rehetra.”​—De 34:10-12, f.a.p.

Hita amin’ireo tenin’i Jehovah ireo fa hafa mihitsy i Mosesy, satria afaka nifandray foana tamin’i Jehovah izy, ary tamin’ny fomba nivantana kokoa sy akaiky kokoa noho ny mpaminany hafa rehetra talohan’i Jesosy Kristy, na dia mbola tsy nahita maso an’i Jehovah ara-bakiteny mihitsy aza izy. Asehon’ilay tenin’i Jehovah hoe “iresahako mivantana izy” fa afaka nifampiresaka nivantana tamin’Andriamanitra i Mosesy (nampiasa anjely Andriamanitra tamin’izany, satria ny anjely afaka mankeo anatrehany; Mt 18:10). (No 12:8) Azo lazaina hoe nifampiresaka foana izy sy Andriamanitra, noho izy mpanelanelana taminy sy tamin’ny Israely. Rehefa nisy olana lehibe teo amin’ilay firenena, dia afaka nanontany an’Andriamanitra foana izy ary nahazo valiny. Nanankinan’i Jehovah an’izay ‘rehetra tao an-tranony’ i Mosesy, ka nataon’Andriamanitra solontenany manokana handamina an’ilay firenena. (No 12:7; He 3:2, 5) Nanaraka fotsiny an’izay efa nataon’i Mosesy ireo mpaminany tatỳ aoriana.

Tena niavaka ny fomba nifandraisan’i Jehovah tamin’i Mosesy, fa tsy toy ny nifandraisany tamin’ny mpaminaniny hafa. Tsy hoe nandre an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fahitana na nofy mantsy i Mosesy, fa toy ny hoe nahita maso azy mihitsy. Taminy, dia hoatran’ny hoe tena nifanatrika tamin’i Jehovah mihitsy izy, ka toy ny hoe nahita “an’Ilay tsy hita.” (He 11:27) Azo inoana fa toy izay tsapan’i Petera rehefa nahita an’i Jesosy niova tarehy, taonjato maro tatỳ aoriana, no tsapan’i Mosesy. Tsy fahitana tsotra fotsiny ilay izy tamin’i Petera fa zavatra tena izy, ka nandray fitenenana izy nefa tsy fantany izay nolazainy. (Lk 9:28-36) Toy izany koa ny apostoly Paoly. Nahazo fahitana izy ary tena izy taminy koa izay hitany tao amin’ilay fahitana, ka hoy izy tatỳ aoriana: “Tsy fantatro na tao amin’ny vatana na tsy tao amin’ny vatana, fa Andriamanitra no mahalala.”​—2Ko 12:1-4.

Niavaka ny fahombiazan’i Josoa, satria vitany ny nitarika ny Israely ho ao amin’ny Tany Nampanantenaina. Azo antoka fa anisan’ny nanampy azy tamin’izany ny toetra tsara hitany tamin’i Mosesy sy nampianarin’i Mosesy azy. “Efa hatramin’izy mbola tanora” i Josoa no mpanompon’i Mosesy. (No 11:28) Azo inoana fa mpitari-tafika teo ambany fahefany izy (Ek 17:9, 10), ary niara-niasa matetika taminy satria mpanampy azy.​—Ek 24:13; 33:11; De 3:21.

Mifanitsy amin’i Mosesy i Jesosy Kristy. Nilaza tamin’ireo mpanohitra azy i Jesosy Kristy fa nanoratra momba azy i Mosesy. Hoy izy: “Raha nino an’i Mosesy ianareo, dia ho nino ahy, satria nanoratra momba ahy i Mosesy.” (Jn 5:46) “Nohazavainy tsara” tamin’ny mpianany koa “ny hevitry ny teny momba azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra, nanomboka hatrany amin’i Mosesy sy ny Mpaminany rehetra.”​—Lk 24:27, 44; jereo koa Jn 1:45.

Anisan’ny zavatra nosoratan’i Mosesy momba an’i Kristy Jesosy ireto tenin’i Jehovah ireto: “Hanendry mpaminany ho azy aho, avy eo amin’ny rahalahiny, dia mpaminany toa anao. Ary hataoko eo am-bavany tokoa ny teniko, ka holazainy amin’izy ireo ny teny rehetra handidiako azy.” (De 18:18, 19) Nanonona an’io faminaniana io i Petera, ka hita tamin’ny teniny fa i Jesosy Kristy no nambaran’ilay faminaniana.​—As 3:19-23.

Nisy zavatra maro nitovitovy nitranga tamin’ireo mpaminany lehibe roa ireo, dia i Mosesy sy Jesosy Kristy. Samy tsy maty izy ireo, tamin’ny mbola zaza, rehefa nandidy ny handripahana ny zaza rehetra ny mpitondra tamin’ny androny. (Ek 1:22; 2:1-10; Mt 2:13-18) Nantsoina hiala tany Ejipta niaraka tamin’ny Israely, ‘lahimatoan’i Jehovah’, i Mosesy izay mpitarika an’io firenena io. Nantsoina hiala tany Ejipta koa i Jesosy, Zanaka lahimatoan’Andriamanitra. (Ek 4:22, 23; Ho 11:1; Mt 2:15, 19-21) Samy nifady hanina 40 andro tany an-tany efitra i Mosesy sy Jesosy. (Ek 34:28; Mt 4:1, 2) Samy tonga tamin’ny anaran’i Jehovah izy ireo, ary ny anaran’i Jesosy aza midika hoe “I Jehovah dia Famonjena.” (Ek 3:13-16; Mt 1:21; Jn 5:43) ‘Nanambara ny anaran’i Jehovah’ i Mosesy, ary toy izany koa i Jesosy. (De 32:3; Jn 17:6, 26) Samy niavaka izy ireo, raha ny fandeferana sy ny fanetren-tena no resahina. (No 12:3; Mt 11:28-30) Samy nampiaiky ny fahagagana maro nataon’izy ireo mba hanaporofoana fa nirahin’Andriamanitra izy ireo. Nihoatra noho i Mosesy i Jesosy Kristy, satria vitany hatramin’ny nanangana ny maty.​—Ek 14:21-31; Sl 78:12-54; Mt 11:5; Mr 5:38-43; Lk 7:11-15, 18-23.

Mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna nifanaovan’Andriamanitra sy ny firenen’Israely i Mosesy. I Jesosy koa mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao nifanaovan’Andriamanitra sy ny “firenena masina”, izany hoe ny “Israelin’Andriamanitra” (Israely ara-panahy). (1Pe 2:9; Ga 6:16; Ek 19:3-9; Lk 22:20; He 8:6; 9:15) Samy mpitsara, mpanome lalàna, ary mpitarika i Mosesy sy Jesosy. (Ek 18:13; 32:34; Da 9:25; Ml 4:4; Mt 23:10; Jn 5:22, 23; 13:34; 15:10) Nankinin’Andriamanitra tamin’i Mosesy ‘izay rehetra tao an-tranony’, ary ny firenen’Israely izany tranony izany. Tena mendri-pitokisana i Mosesy rehefa niandraikitra izany. Mendri-pitokisana koa i Jesosy rehefa miandraikitra ny ao an-tranon’Andriamanitra. Ny Israely ara-panahy izany trano nataon’ny Zanak’Andriamanitra izany. (No 12:7; He 3:2-6) Samy nataon’Andriamanitra nanjavona koa ny fatin’i Mosesy sy Jesosy.​—De 34:5, 6; As 2:31; Jd 9.

Nataon’ny anjelin’Andriamanitra nahita zava-mahagaga i Mosesy, tamin’izy niandry ny ondrin’ny rafozandahiny. Efa hifarana ny 40 taona nipetrahany tany an-tany efitra tamin’izay. Nahita voaroy nirehitra izy teo am-pototry ny Tendrombohitra Horeba, ary teo i Jehovah no naniraka azy hankany Ejipta mba hanafaka ny vahoakany. (Ek 3:1-15) Notendren’Andriamanitra ho mpaminaniny sy solontenany àry i Mosesy, ka azo nantsoina hoe ilay “Voahosotra”, na “Kristy.” Tsy afaka nanao izany izy raha tsy namoy ny “zava-tsarobidin’i Ejipta”, ary nanaiky “nampijalina niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra”, ka nolatsaina. Taminy anefa, dia harena lehibe noho ny zava-tsarobidin’i Ejipta izany “latsa nozakain’ilay Voahosotra” izany.​—He 11:24-26.

Toy izany koa i Jesosy Kristy. Nanambara ny hahaterahany tany Betlehema ny anjely iray, ary nilaza fa ho lasa “Mpamonjy” izy. Lasa Kristy, na ilay Voahosotra izy, rehefa nanao batisa azy tao amin’ny Reniranon’i Jordana i Jaona mpaminany. (Lk 2:10, 11; 3:21-23; 4:16-21) Niaiky i Jesosy tatỳ aoriana fa izy no “Kristy” na Mesia. (Mt 16:16, 17; Mr 14:61, 62; Jn 4:25, 26) Nanao toa an’i Mosesy koa i Jesosy Kristy, ka nibanjina an’ilay loka, ary tsy nitandro henatra na dia nanala baraka azy aza ny olona. (Fi 2:8, 9; He 12:2) Toy ny nanaovana batisa ny fiangonan’Israely ka tafaray tamin’i Mosesy no nanaovana batisa ny fiangonana kristianina ka tafaray amin’i Jesosy Kristy ilay Mpaminany, Mpanafaka, ary Mpitarika nambara mialoha.​—1Ko 10:1, 2.