Mota-labena
(Mota-labèna).
Ao amin’ny teny mampiditra ny Salamo faha-9 nosoratan’i Davida, ary midika, hono, hoe “[momba] ny fahafatesan’ny zanakalahy.” Misy mpivaofy teny milaza fa izy io no ahalalan’ny mpitarika hira ny lohateny na teny fanombohana ny hira mahazatra iray, ka ny feon’ilay hira no nihirana an’ilay salamo. Mety ho izao teny mampiditra ny Salamo faha-9 ao amin’ny Targoma izao no dikan’ny hoe Mota-labena: “Rehefa maty ilay lehilahy avy teo anelanelan’ny toby”, izany hoe ny lehilahy mpiady mahery iray. Toa i Goliata izy io, ilay solontenan’ny Filistinina resin’i Davida teo anelanelan’ny tobin’ny Israelita sy Filistinina.—1Sa 17:45-51.