Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Moza

Moza

(Mòza).

[1, 2: Fialana]

1. Taranak’i Joda, ary zanakalahin’i Kaleba tamin’i Efaha vadikeliny.​—1Ta 2:46.

2. Benjamita taranak’i Saoly Mpanjaka. Zanak’i Zimry izy ary rain’i Binea.​—1Ta 8:33-37; 9:42, 43.

3. [Noritina (Noporetina; Nofiazana)]. Tanàna benjamita. (Js 18:21, 26) Heverina fa tao Kalonyah (Mevasseret Ziyyon) na teo akaikiny no nisy azy io. Tanàna kely i Kalonyah, tokotokony ho 7 km any andrefana avaratrandrefan’ny tendrombohitra nisy ny tempoly tany Jerosalema. Misy soratra hoe Moza eo amin’ny tahon’ny siny maromaro hita tany Jeriko sy Tell en-Nasbeh.