Mozika
Anisan’ny fanomezan’Andriamanitra, ary azon’ny olona iderana sy isaorana ny Mpamorona na ampitana fihetseham-po, toy ny alahelo sy fifaliana. Ny hira no tena misongadina eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra, nefa zava-dehibe koa ny fitendrena mozika. Nampiarahina tamin’ny feon’ny mpihira ny mozika sady nandravaka azy. Tsy mahagaga àry raha imbetsaka ny Baiboly no miresaka hoe nihira sy nitendry zavamaneno ny olona, rehefa nanompo an’i Jehovah na nanao zavatra hafa.—Ge 4:21; 31:27; 1Ta 25:1; Ap 18:22.
Tantarany. Ny mozika talohan’ny Safodrano, tamin’ny andron’ilay taranaka fahafito avy tamin’i Adama, no voalohany resahin’ny Baiboly. “[I Jobala] no nipoiran’ny mpitendry harpa sy mpitsoka sodina rehetra.” Tamin’izay angamba vao nisy zavamaneno noforonina, na nisy olona nanao ny fitendrena mozika ho asa fivelomana mihitsy.—Ge 4:21.
Toa efa nahazatra ny mozika tamin’ny andron’ny loham-pianakaviana fahiny, matoa tian’i Labana hasiana hira sy mozika rehefa hatao veloma ny zanany vavy sy Jakoba. (Ge 31:27) Nihira sy nitendry zavamaneno ny Israelita rehefa nankalaza ny nanafahana azy ireo teo amin’ny Ranomasina Mena, sy nitsena an’ireo nandresy tany an’ady, toa an’i Jefta sy Davida ary Saoly.—Ek 15:20, 21; Mpts 11:34; 1Sa 18:6, 7.
Indroa nentina tao Jerosalema ny Vata masina, ary nisy mpihira sy mpitendry zavamaneno foana tamin’izay. (1Ta 13:8; 15:16) Nankatò ny didy nomen’i Jehovah an’i Natana sy Gada mpaminany i Davida rehefa antitra, ka nanendry mpitendry zavamaneno tao amin’ny toerana masina.—1Ta 23:1-5; 2Ta 29:25, 26.
Narahina tsara io lamina napetrak’i Davida io tao amin’ny tempolin’i Solomona. Ny mpitsoka trompetra fotsiny no efa 120 rehefa notokanana ny tempoly, ka azo inoana fa tena kanto sy nanakoako ny mozika tamin’izay. (2Ta 5:12, 13) Lasa tsirambina anefa ny fivavahana marina, anisan’izany ny mozika, rehefa nivadika tamin’i Jehovah ilay firenena. Nezahina naverina tamin’ny laoniny araka ny nitiavan’i Jehovah azy ny mozika, rehefa nanao fanavaozana i Hezekia sy Josia Mpanjaka sy rehefa nody ny Jiosy natao sesitany tany Babylona. (2Ta 29:25-28; 35:15; Ezr 3:10) Nihira niaraka tamin’ny zavamaneno samihafa ny Levita mpihira rehefa notokanan’i Nehemia ny mandan’i Jerosalema, ka tena nahafaly ilay fotoana. (Ne 12:27-42) Tsy miresaka momba ny mozika tao amin’ny tempoly intsony ny Baiboly, taorian’ny andron’i Nehemia. Ny Talmoda sy ny asa soratra hafa kosa milaza fa mbola nisy mozika tao, mandra-paharavan’i Jerosalema tamin’ny taona 70.
Firy ny mpitendry mozika tao amin’ny tempolin’i Jerosalema?
Nisy Levita 4000 notendren’i Davida ho mpitendry zavamaneno tao amin’ilay tempoly vao haorina. (1Ta 23:4, 5) “Nampianarina hihira ho an’i Jehovah” ny 288 tamin’ireo, ‘ka efa tena nahay izy rehetra.’ (1Ta 25:7) I Asafa sy Hemana ary Jedotona (na Etana), izay samy mpitendry zavamaneno matihanina, no niandraikitra ny mpitendry rehetra. Samy nanana solontena àry ireo fianakaviana levita lehibe satria taranak’i Gersoma sy Kehata ary Merary, zanak’i Levy, izy telo lahy. (1Ta 6:16, 31-33, 39-44; 25:1-6) Niisa 24 ny zanakalahin’izy telo, ary anisan’ireo mpitendry tena nahay 288 izy rehetra. Natao ny antsapaka ka voafidy ho lehiben’ny fizarana iray avy nisy mpitendry zavamaneno izy 24. Ny fizarana tsirairay kosa nisy mpitendry 11 ‘tena nahay’, nofidina avy tamin’ny zanakalahin’ilay lehibe sy ny Levita hafa. Notsinjaraina ho 24, toa an’ireo mpisorona, àry ireo Levita 288 ([1 + 11] × 24 = 288) tena nahay nitendry zavamaneno. Raha nozaraina 24 ireo 3712 sisa ‘vao nianatra’, dia niampy lehilahy 155 teo ho eo ny fizarana tsirairay. Nampianatra sy nampiofana Levita 13 teo ho eo avy àry ny mpitendry tena nahay tsirairay. (1Ta 25:1-31) Nisy mpisorona mpitsoka trompetra koa nanampy an’ireo Levita mpitendry zavamaneno.—2Ta 5:12; ampit. No 10:8.
Zavamaneno. Karazana zavamaneno 12 mahery no resahin’ny Baiboly, saingy tsy lazainy ny bikabikan’izy ireny na ny fomba nanamboarana azy. Ny zavamaneno hitan’ny mpikaroka tany amin’ireo firenena nanodidina an’i Israely àry no tena nanampy an’ireo manam-pahaizana hahalala ny mombamomba azy ireny. Mety ho tsy azo ianteherana foana anefa ny zavatra hitan’ny mpikaroka, satria avo lenta kokoa noho ny an’ireo firenena ireo ny mozikan’ny Israely. Misy indray mihevitra fa razamben’ireo zavamaneno fampiasa ankehitriny any Israely sy ny firenena manodidina azy, ny zavamaneno resahin’ny Baiboly. Tombantombana fotsiny koa anefa izany.
Azo sokajina ho toy izao ny zavamaneno resahin’ny Baiboly:
Tendrena: Harpa, mandôlinina, valiha vata.
Tsofina: Sodina tsotra na misy kitapon-drivotra, trompetra, (angamba) nehilota.
Velezina: Kipantsona, korintsana, ampongatapaka.
Misy fanazavana fanampiny ny lahatsoratra momba ny zavamaneno tsirairay.
Tsy azo lazaina hoe faran’izay tsotra ny bikabikan’ny zavamaneno tany Israely, sy ny fanamboarana azy ary ny feony. Vita tamin’ny hazo algoma tena tsara nohafarana avy tany an-tany hafa mantsy ny harpa sy lokanga, ary volafotsy ny trompetra. (1Mp 10:11, 12; No 10:2) Izay mpanao asa tanana nahay indrindra koa no nampanaovina an’ireo zavamanenon’ny tempoly.
Tsara ny zavamaneno nampiasain’ny Israelita ary nahay nitendry izy ireo, rehefa jerena ny Baiboly sy ireo sora-tanana tsy ara-baiboly talohan’i Kristy. Milaza, ohatra, ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty fa notsofina hanao feo sarotra samihafa ny trompetra maromaro mba haneno toy ny “feo iray ihany.” Tsy ho vita izany raha tsy hoe tena nahay ny mpitsoka, ary arifomba ireo trompetra mba ho azo novaovana sy nampifanarahana ny feony. Nirindra tsara ny mozika tamin’ny fitokanana ny tempolin’i Solomona, matoa voalaza fa ‘indray niredona [“toy ny feo iray no fandrenesana”, Prot.] ny mpitsoka trompetra [120] sy ny mpihira.’—2Ta 5:12, 13.
Ireto ny zavamaneno efatra tena resahin’ny Baiboly fa nampiasaina tao amin’ny tempoly: Trompetra, harpa, lokanga (heb.: nevalim), ary kipantsona. Toy ny hoe tsy ampy ireo raha ampitahaina amin’ny orkesitra ankehitriny. Tsy natao hitendrena mozika kilasika anefa ireo, fa nampiarahina kosa tamin’ny hira tao amin’ny tempoly, ka nety tsara tamin’izay nilana azy.—2Ta 29:25, 26; Ne 12:27, 41, 42.
Oviana no nampiasaina ireo zavamaneno masina ireo? Hoy ny Baiboly momba ny trompetra: “Amin’ny andro ifalianareo, sy amin’ny fotoanan’ny fetinareo, ary isaky ny fiandohan’ny volana, dia hitsoka trompetra eo ambonin’ny fanatitra dorana sy ny sorona iombonana atolotrareo ianareo.” (No 10:10) Azo inoana koa fa tamin’izay sy tamin’ny fotoan-dehibe hafa no notendrena ny zavamaneno hafa, rehefa voalamina ny asan’ny mpitendry zavamaneno tao amin’ny tempoly. Toa manamarina izany sy ahafantarana ny zavamaneno nampiasaina tamin’ireo fotoana ireo ny fizotran’ny fanompoana masina natao tao indray, taorian’ny nanadiovan’i Hezekia Mpanjaka ny tempoly. Hoy ny Baiboly: “Tamin’ny fotoana nanombohan’ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny hira ho an’i Jehovah. Notsofina koa ny trompetra, izay nampifanarahina tamin’ny feon’ireo zavamaneno namboarin’i Davida mpanjakan’ny Israely. Koa niankohoka ny fiangonana manontolo, rehefa nanakoako ny hira sady naneno mafy ny feon’ny trompetra. Tsy nijanona izany rehetra izany mandra-pahavitan’ny fanatitra dorana.” (2Ta 29:27, 28) Tsy natao hanaronana ny feon’ny “zavamaneno namboarin’i Davida” ireo trompetra, fa “nampifanarahana” tamin’ireny kosa. “Teo atsinanan’ny alitara” ny mpitendry zavamaneno rehetra.—2Ta 5:12.
Feon’ny mpihira. Lehilahy levita daholo no mpihira tao amin’ny tempoly fa tsy nisy vehivavy, rehefa jerena ny Baiboly. Milaza ny Targoma iray (ao amin’ny Mpto 2:8) fa tsy anisan’ny antoko mpihira tao ny vehivavy. Nisy faritry ny tempoly mantsy tsy azon’ny vehivavy naleha, ka tsy ho nanana andraikitra tao mihitsy izy ireo.—2Ta 5:12; Ne 10:39; 12:27-29.
Nitana toerana lehibe ny hira tao amin’ny tempoly, matoa resahin’ny Baiboly imbetsaka ny mpihira. “Tsy nomena andraikitra” fanaon’ny Levita hafa koa izy ireo, mba ho afaka hifantoka tanteraka amin’ny fanompoany. (1Ta 9:33) Mbola antokona Levita manokana foana izy ireo na dia taorian’ny sesitany aza, matoa navahana tao amin’ny lisitr’ireo nody avy tany Babylona. (Ezr 2:40, 41) Na i Artaksersesy (Lava Tanana) mpanjakan’i Persa aza tsy nampandoa “hetra na haba na hetran-dalana” azy ireo sy ny antokon’olona manokana hafa. (Ezr 7:24) Nandidy ny hisian’ny “fandaharana raikitra hanomezana an’ireo mpihira ny zavatra ilainy isan’andro” koa ilay mpanjaka. Azo inoana kokoa anefa hoe i Ezra no namoaka an’io didy io, noho ny fahefana nomen’i Artaksersesy azy. (Ne 11:23; Ezr 7:18-26) Tsy mahagaga àry raha avahan’ny Baiboly ny mpihira amin’ilay hoe ‘ny mpihira sy ny Levita’, na dia Levita koa aza ny mpihira.—Ne 7:1; 13:10.
Mpto 2:8; Ezr 2:65; Ne 7:67) Maro ireny mpihira tsy Levita ireny tany Israely. Nasaina nihira izy ireny rehefa fety, na nanao hira fisaonana rehefa fotoam-pahoriana. (2Sa 19:35; 2Ta 35:25; Je 9:17, 20) Toa mbola fanao ny nanakarama mpihira matihanina tamin’ny andron’i Jesosy, rehefa nisy fifaliana na fahoriana.—Mt 11:16, 17.
Miresaka mpihira hafa ankoatra an’ireo tao amin’ny tempoly ny Baiboly. Nanana mpihira lahy sy vavy, ohatra, i Solomona tao an-dapany. Nisy mpihira lahy sy vavy 200 teo ho eo koa nody avy tany Babylona, ankoatra ny Levita mpitendry zavamaneno. (Miresaka momba ny mozika koa ny Soratra Grika Kristianina, na dia tsy misongadina be toy ny ao amin’ny Soratra Hebreo aza. Tsy ara-bakiteny ny zavamaneno ampiasaina amin’ny fivavahana marina voaresaka ao. (Ap 14:2) Toa zatra nihira anefa ny mpanompon’Andriamanitra. Nanao hira fiderana, ohatra, i Jesosy sy ny apostoliny taorian’ny Sakafo Harivan’ny Tompo. (Mr 14:26) Nihira koa i Paoly sy Silasy tao am-ponja, ary nampirisihin’i Paoly hihira fiderana ho an’i Jehovah ny mpiray finoana taminy. (As 16:25; Ef 5:18, 19; Kl 3:16) Toa nihira tsy tapaka ny fiangonana kristianina, araka ny tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 14:15. Hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana koa ireo zavaboary tany an-danitra nihira ho an’Andriamanitra sy Kristy.—Ap 5:8-10; 14:3; 15:2-4.
Karazana mozika resahin’ny Baiboly. Azo inoana fa kanto kokoa noho ny an’ireo firenena tamin’ny androny ny mozikan’ny Israely fahiny. Tsara kokoa mantsy ny fitondran-tenany sy ny asa sorany, araka ny hita amin’ireo tononkalo sy tantara ao amin’ny Soratra Hebreo. Tsara kokoa noho ny an’ireo firenena nanodidina azy àry ny aingam-panahiny tamin’izy namorona mozika. Mahaliana fa lehilahy sy vehivavy mpitendry zavamaneno no hetra notakin’i Sankeriba Mpanjaka tamin’i Hezekia Mpanjaka, araka ny asehon’ny sary mivohitra asyrianina iray.—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 288.
Nisy nihevitra hatramin’izay fa feon-kira fotsiny ny mozika hebreo, fa tsy nisy naoty. Tsy mitombina anefa izany satria be mpampiasa tany Israely ny harpa sy ny zavamaneno hafa notendrena. Tsy maintsy ho voamariky ny olona iray mahay mitendry zavamaneno misy tadiny fa mahafinaritra ny mihaino ny feo avoakan’ilay izy, rehefa atambatambatra ny feo samihafa na ampifandimbiasina ny naoty maromaro. Hoy i Curt Sachs, manam-pahaizana momba ny tantaran’ny mozika: “Diso hevitra izay milaza fa ny olona niaina [tamin’ny taona 500-1500] sy ny Tandrefana ankehitriny ihany no mahay mampirindra mozika sy feo roa na maromaro.” Mampiasa naoty telo, efatra, na dimy sy oktavy (elanelam-peo fahavalo) ary manana antoko mpihira koa, hoy izy, na dia ireo firenena lazaina fa ‘tsy mivoatra’ aza, anisan’izany ny foko Pygmée sasany. Nanao hira nifamaly izy ireny, ary tatỳ aoriana lasa nahay nanao hira nifanenjika (izany hoe tsy niara-nanomboka andalana iray) nefa nanao feo samy hafa.
Niaiky toy izao i Sachs, rehefa avy nanao fikarohana naneran-tany: “Hita hoe nampiofanina tsara sy tena nahay ary nahalala tsara ny atao hoe mozika ireo antoko mpihira sy orkesitry ny Tempolin’i Jerosalema.” Hoy koa izy: ‘Zava-dehibe ny itadidiana fa tsy mitovy amin’ny mozika fantatry ny mpahay tantara tamin’ny taonjato faha-19, ny mozika tany amin’ny faritra atsinanan’ny Ranomasina Mediterane fahiny. Tsy tena haintsika hoe hoatran’ny ahoana ny mozika tany fahiny, nefa ampy ny porofo ilazana fa naredona sy kanto ary avo lenta ilay izy.’—Ny Niandohan’ny Mozika Fahiny tany Atsinanana sy Andrefana, 1943, p. 48, 101, 102.
Marina io voalazan’i Sachs io, rehefa dinihina ny Baiboly. Miverina in-30 mahery, ohatra, ny teny mampiditra ny Salamo hoe “Ho an’ny mpitarika.” (TV) (Sl 11 sy ny hafa) Ny Baiboly hafa kosa manao hoe “mpiventy hira” (Prot.), “mpampianatra hira” (Kat.), ary “filohan’ny antoko-mpihira” (DIEM). Toa ilazana olona nitarika an’ireo mpihira ny teny hebreo niavian’io teny io, izany hoe olona nandrindra ny feo sy mozika ary nampanao famerenana sy nampiofana ny Levita mpihira, na nitarika ny hira tao amin’ny tempoly. Mety ho ny iray tamin’ireo lehiben’ny fizarana 24 nisy mpitendry zavamanenon’ny toerana masina izy io, na ny iray tamin’ny mpitendry zavamaneno matihanina, matoa antsoina hoe “mpitarika.” (1Ta 15:21; 25:1, 7-31) Voafaritra kokoa aza ny toromarika nomena ny “mpitarika” ao amin’ny Salamo miisa 20 eo ho eo, satria miampy hoe “Ampiarahina amin’ny lokanga”, na “Atao oktavy ambany”, sy ny sisa. (Sl 4, 12, sy ny hafa; jereo SEMINITA.) Miresaka momba ny “filohan’ireo mpihira”, sy ireo “tena mahay” ary ireo “vao mianatra” koa ny Baiboly, ka hita hoe tena avo lenta ny mozika tamin’izany.—Ne 12:46; 1Ta 25:7, 8.
Toa nanao “hira nifamaly” ny mpihira maro tany Israely, araka ny voalazan’ny Baiboly. Nifandimby nihira ny antoko mpihira nizara roa, na nihira aloha ny olona iray ary “namaly” azy ny mpihira sisa. (Ek 15:21; 1Sa 18:6, 7) Hita izany amin’ny fomba nanoratana ny Salamo sasany, toy ny faha-136. Nanao hira nifamaly koa ireo antoko mpihira roa mpanao hira fisaorana tamin’ny andron’i Nehemia, rehefa jerena ny fomba ilazalazan’ny Baiboly azy ireo sy ny nataony tamin’ny fitokanana ny mandan’i Jerosalema.—Ne 12:31, 38, 40-42; jereo HIRA, II.
Tsy tena nihira ny olona nanao hira mitaraindraina, fa namerimberina teny tamin’ny feo tsy miovaova ka ny gadona no tena nisongadina. Mbola manao an’izany matetika ny fivavahana lehibe sasany ankehitriny. Ny Baiboly kosa milaza fa toa fanao tamin’ny hira fisaonana ny feo mitaraindraina, toy ilay nataon’i Davida rehefa maty i Jonatana namany sy Saoly Mpanjaka. (2Sa 1:17; 2Ta 35:25; Ezk 27:32; 32:16) Rehefa nisy hira fisaonana na fitomaniana ihany vao naleon’ny olona feo mitaraindraina toy izay feon-kira na feon’olona mikabary.—Jereo HIRA FISAONANA.