Mpahita
Olona nampahafantarin’Andriamanitra ny sitrapony, na mahalala ny sitrapony. Toy ny hoe nesorina izay nanarona ny masony mba hahitany na hahatakarany an’izay tsy takatry ny ankamaroan’ny olona. Avy amin’ny fototeny midika ara-bakiteny na an’ohatra hoe “mahita” ny teny hebreo hoe rôʼeh, izay nadika hoe “mpahita.” Ny mpahita no nohatonin’izay nanana olana ka nila torohevitra. (1Sa 9:5-10) Nantsoina hoe mpahita i Samoela (1Sa 9:9, 11, 18, 19; 1Ta 9:22; 29:29) sy Zadoka (2Sa 15:27) ary Hanany (2Ta 16:7, 10).
Mitovitovy ny hoe “mpahita” sy “mpaminany” ary “mpahita fahitana” ao amin’ny Baiboly. Ny mampiavaka azy fotsiny dia hoe misy ifandraisany amin’ny fahaiza-manavaka ny hoe “mpahita.” Ny hoe “mpahita fahitana” indray manasongadina ny fomba ahafantaran’ilay olona ny sitrapon’Andriamanitra, ary ny hoe “mpaminany” kosa mpanambara ny sitrapony. Samy nantsoina hoe mpaminany i Samoela sy Natana ary Gada (1Sa 3:20; 2Sa 7:2; 24:11), nefa avahan’ny 1 Tantara 29:29 toy izao ihany izy ireo: “Ao amin’izay nosoratan’i Samoela mpahita sy Natana mpaminany ary Gada mpahita fahitana.”
‘Mpahita taloha no fiantsoana ny mpaminany.’ (1Sa 9:9) Fantatra kokoa ho mpanambara ny sitrapon’Andriamanitra mantsy ny mpaminany, tamin’ny faramparan’ny andron’ny Mpitsara sy tamin’ny andron’ny mpanjakan’ny Israely (nanomboka tamin’ny andron’i Samoela). I Samoela no voalohany tamin’ireo nantsoina hoe “ny mpaminany.”—As 3:24; 13:20; jereo MPAMINANY.