Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpamafy, Mamafy

Mpamafy, Mamafy

Naparitaka tamin’ny tany ny masomboly ka nafafifafy fotsiny, fahiny. Nalain’ny mpamafy tao anaty akanjony na tao anaty harona ny masomboly, ary natsotrany ny tanany sady naparitany avy teo aloha nankany ankavanany na ankaviany ny masomboly. Nanomboka ny Oktobra tany ho any ka hatramin’ny tapatapaky ny Martsa ny Israelita no namafy, arakaraka ny voa nafafy.

Fitahian’i Jehovah. I Jehovah no manome ny masomboly sy izay rehetra mampitsiry azy, mbamin’ny masoandro sy orana ka mahatonga ny tany hamokatra be lavitra noho izay nafafy. (2Sa 23:3, 4; Is 55:10) Mandray soa avy amin’ny Mpamorona àry ny olon-drehetra, na olo-marina izy na tsia.​—Mt 5:45; As 14:15-17.

Tsy hoe baikoin’i Jehovah Andriamanitra mivantana anefa ny zava-drehetra mampitsiry ny masomboly. Mety hamokatra be, ohatra, ny tanin’ny ratsy fanahy indraindray, fa zara raha mamokatra kosa ny an’ny olo-marina noho ny sampona.​—Ampit. Jb 21:7-24.

Afaka mitahy sy mampisy vokatra be dia be koa anefa i Jehovah, na tsy mampisy vokatra firy, arakaraka ny hoe mankatò Azy sa tsia ilay mpamafy, sy hoe inona no mifanaraka amin’ny fikasany. Fikasan’i Jehovah, ohatra, ny hoe ho lasa firenena lehibe sy maro an’isa ny Israely ao amin’ny Tany Nampanantenaina. Notahiny àry izy ireo rehefa nankatò ka nahazo vokatra be dia be. Notahin’i Jehovah koa i Isaka tany Kanana, na dia nilan’ny Kananita vaniny aza, ka nahatratra avo zato heny noho ny voa nafafiny ny vokatra azony.​—Ge 26:12.

Arakaraka ny fifandraisan’ny Israely tamin’i Jehovah ny vokatra nojinjainy. Hoy Izy talohan’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina: “Raha manaraka hatrany ny lalàko sy mitandrina foana ny didiko ianareo ka mankatò izany, ... dia ho tratran’ny fiotazam-boaloboka ny fiasana eny am-pamoloana, ary ho tratran’ny famafazam-boa ny fiotazam-boaloboka.” Ho be ny vokatra hiakatra ka raha mbola tsy vita akory ny fijinjana dia efa hamafy indray izy ireo. (Ampit. Am 9:13.) Hoy koa anefa Andriamanitra: “Raha tsy mihaino ahy kosa ianareo, ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo, ... [dia] ho very maina fotsiny ny namafazanareo voa, satria ny fahavalonareo no handany izany” ary “tsy hahavokatra ny taninareo.” (Le 26:3-5, 14-16, 20; ampit. Hg 1:6.) Tanteraka izany tamin’ny andron’i Jeremia mpaminany. Hoy i Jehovah tamin’izay: “Varimbazaha no nafafin’izy ireo nefa tsilo no nojinjainy.”​—Je 12:13.

Lalàn’i Mosesy momba ny famafazana. Nandritra ny enin-taona ny Israelita no nahazo namafy, fa tsy nahazo namafy kosa ny taona fahafito (taona sabata) sy ny taon-jobily, araka ilay lalàna. (Ek 23:10, 11; Le 25:3, 4, 11) Fitsapana ny finoan’izy ireo izany, nefa koa fotoana nahafahan’izy ireo nifandray kokoa tamin’i Jehovah. Nahasoa ny tany koa izany.

An’i Jehovah ilay tany, ka azo lazaina hoe masina. Masina koa ny vahoakany ka tokony hanalavitra an’izay maloto. Naloto, ohatra, ny voa hafafy raha lena nefa nilatsahan’ny fatin’ny biby maloto, toy ny voalavo na androngo, satria lasa nihanaka tamin’ireo voa ny loto. Tsy naloto kosa ireo voa raha maina.​—Le 11:31, 37, 38.

Tsy azo nafafy miaraka ny karazam-boa samy hafa. Azo natao kosa ny namafy voa samy hafa teo amin’ny saha iray ihany, saingy nosarahina ny toerany. (Le 19:19; Is 28:25) Mety ho nampahatsiahy ny Israelita izany hoe tokony hiavaka sy ho tafasaraka amin’ny firenen-kafa izy ireo satria vahoakan’Andriamanitra. Raha nampifangaro voa roa karazana ny mpamboly, dia lasa “voatokana” ny vokatry ny sahany na ny tanimboalobony manontolo ka nalaina ho an’ny toerana masina.​—De 22:9; ampit. Le 27:28; No 18:14.

Heviny an’ohatra. Hoy ny mpanao salamo momba ireo Jiosy sisa nampodian’i Jehovah avy tany Babylona noho ny anarany: “Izay mamafy amin-dranomaso, dia hijinja amim-pihobiana. Izay mivoaka mitondra masomboly eran’ny harona, eny, manao izany amin-dranomaso, dia tsy maintsy hody amim-pifaliana satria hitondra amboaram-bokatra.” (Sl 126:1, 5, 6) Faly be izy ireo fa nafahana, nefa mety ho nitomany koa rehefa namafy teo amin’ilay tany ngazana tsy novolena nandritra ny 70 taona. Nikarakara sy nitahy azy ireo anefa i Jehovah ka nahazo ny valin-kasasarany ireo namafy sy ireo nanorina indray ny tanàna. Nisy fotoana izy ireo nampiato ny fanorenana ny tempoly, ka tsy nomen’i Jehovah vokatra. Nazoto nanorina indray anefa izy ireo rehefa nampirisihin’i Hagay sy Zakaria mpaminany, ka nankasitrahan’Andriamanitra.​—Hg 1:6, 9-11; 2:15-19.

Niresaka momba ny voa nafafy ka mitsiry i Jehovah, rehefa nilaza fa tsy maintsy ho tanteraka ny teniny.​—Is 55:10, 11.

Fahazotoana sy fahalalahan-tanana. Ilaina ny malala-tanana sy mazoto miasa, araka ilay toro lalana nomen’i Solomona hoe: “Izay mandinika ny rivotra dia tsy hamafy, ary izay mijery ny rahona, tsy hijinja.” Tsy homen’Andriamanitra na inona na inona izay miandry ny fotoana heveriny fa mety tsara indrindra hanaovana ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy, na mitady hevitra tsy hanaovana ilay izy. Andriamanitra no “manao ny zava-drehetra” (and. 5), nefa tsy takatry ny olona ny fomba fiasany rehetra. Ilaina àry ny mazoto miasa. Hoy i Solomona: “Mamafaza voa amin’ny maraina, ary aza atsahatra ny tananao mandra-paharivan’ny andro, satria tsy fantatrao izay ho vanona, na itsy na irỳ, na samy ho vanona izy roa.”​—Mpto 11:4-6.

Toa nitovy hevitra tamin’izany ny apostoly Paoly, rehefa nampirisihiny ny Kristianina tany Korinto mba halala-tanana tamin’ireo rahalahiny tany Jerosalema, izay nenjehin’ny Jiosy ka nijaly sy namoy fananana maro. Hoy izy: “Izay kahihitra ka mamafy kely dia hijinja kely, fa izay malala-tanana ka mamafy be kosa dia hijinja be. ... Hain’Andriamanitra ampitomboina be dia be ho anareo ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa rehetra, mba hanam-be foana ianareo amin’ny zava-drehetra. Etsy an-danin’izany, dia anananareo be dia be koa izay ilaina mba hanaovana ny asa tsara rehetra. ... Ary ilay manome voa betsaka ho an’ny mpamafy sy mofo betsaka hohanina, dia hanome sy hampitombo ny voa hafafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo.” Hankasitrahan’Andriamanitra sy homeny zavatra be dia be izay malala-tanana, hoy i Paoly. Ireo ampiana kosa hisaotra sy hankalaza Azy, ary ho tia an’ireo malala-tanana sady hivavaka ho azy. Hitombo koa ny fitiavana eo anivon’ny fiangonana.​—2Ko 9:6-14.

Fitoriana ny vaovao tsara. Toy ny mamafy voa ny mitory ny teny na ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, hoy i Jesosy Kristy. Izy ilay Mpamafy voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana, ary namafy koa i Jaona Mpanao Batisa. Nirahin’i Jesosy ny mpianany hijinja an’izay nafafy sy masaka hojinjaina. Hoy izy avy eo: “Efa mahazo karama sahady ny mpijinja sady efa mamory ny vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay, mba hiara-miravoravo ny mpamafy sy ny mpijinja. ... Ny iray mpamafy, ary ny iray kosa mpijinja. Naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo aho. Ny hafa no nisasatra [namafy], nefa ianareo no [nijinja ka] nanjary nandray soa tamin’izay nisasarany.”​—Jn 4:35-38.

Nanao fanoharana momba ny mpamafy koa i Jesosy. Ny mpitory no mpamafy, ary ny “teny momba ilay fanjakana” no voa, hoy izy. Arakaraka ny tany sy ny zava-misy no mampitsimoka sy mampitombo ny voa ao am-pon’ny olona.​—Mt 13:1-9, 18-23; Lk 8:5-15.

Ny vary sy ny tsimparifary. Nolazain’i Jesosy tao amin’ny fanoharana hafa fa toy ny mpamafy voa tsara ny tenany, ary ny voa dia ny “zanak’ilay fanjakana.” Ny Devoly kosa no fahavalo namafy tsimparifary teo an-tanimbary. Te hilaza i Jesosy hoe hisy mpivadi-pinoana eo anivon’ny fiangonana kristianina, dia olona mihambo ho mpanompon’Andriamanitra nefa mitady handoto ny fiangonana sy hitaona ny mpianatra hanaraka azy.​—Mt 13:24-30, 36-43; ampit. As 20:29; 2Ko 11:12-15; 2Te 2:3-9; 1Ti 4:1; 2Ti 4:3, 4; 2Pe 2:1-3.

‘Mamafy ho an’ny nofo.’ Nitanisa ny vokatry ny fanahy sy ny asan’ny nofo i Paoly, ary nampirisihiny ny Kristianina tsirairay mba samy handinika izay ataony avy. Hoy izy avy eo: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy. Izay mamafy ho an’ny nofony mantsy dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofony. Fa izay mamafy ho an’ny fanahy kosa dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.”​—Ga 5:19-23; 6:4, 7, 8.

Ireto avy no anisan’ny namafy ho an’ny nofo ka nijinja ny vokany: Ireo noresahin’i Paoly ao amin’ny Romanina 1:24-27, sy ilay nanao firaisana tamin’olom-pady teo anivon’ny fiangonan’i Korinto, ary Hymeneo sy Aleksandra izay nanevateva sy nampita fampianaran-diso ka natolotra an’i Satana “mba handringanana ny nofo”, na hanesorana an’ireo nanota ireo tsy ho eo anivon’ny fiangonana.​—1Ko 5:1, 5; 1Ti 1:20; 2Ti 2:17, 18.

Fampianarana sy fikarakarana ny fiangonana. Nilaza tamin’ny fiangonan’i Korinto i Paoly fa toy ny hoe namafy voa izy rehefa nampianatra sy nanampy azy ireo. Nanan-jo hahazo fanampiana tamin’izy ireo àry izy mba hanohizany ny fanompoany. Tsy nampiasa izany zony izany anefa izy, mba tsy hanakantsakanana ny vaovao tsara.​—1Ko 9:11, 12.

Tsy ao anatin’ny korontana no amafazana ny voa ara-bakiteny sy an’ohatra. Tia fihavanana ny mpamafy ny vaovao tsara, ka tsy tia miady na mifanditra na mifamaly na mitabataba na mampiasa hery na misahotaka. Mila mihavana tsara àry ireo anisan’ny fiangonana kristianina, mba hamoa voan’ny fahamarinana koa rehefa mamafy.​—Jk 3:18.

Fitsanganana amin’ny maty. Toy ny voa afafy ny vatana ara-nofo rehefa alevina, hoy i Paoly, tamin’izy niresaka momba ny fananganana an’ireo ho any an-danitra. Hoy izy: “Na izany aza, dia misy hilaza hoe: ‘Hatao ahoana no fanangana ny maty? Eny, vatana manao ahoana izy rehefa tonga?’ Ry tsy misaina, tsy hovelomina izay afafinao raha tsy maty aloha. Ary tsy ilay zavamaniry hipoitra no afafinao, fa voa fotsiny ihany, na voa inona izany na voa inona. Omen’Andriamanitra vatana araka izay tiany anefa ilay voa, ary ny voa tsirairay samy omeny ny vatany avy. ... Hafa ny vatan’izay any an-danitra ary hafa ny vatan’izay etỳ an-tany. ... Toy izany koa ny fitsanganan’ny maty. Vatana mety lo izy rehefa afafy, fa vatana tsy mety lo kosa rehefa atsangana. ... Vatana ara-nofo izy rehefa afafy, fa vatana ara-panahy rehefa atsangana. ... Fa tsy maintsy hitafy ny tsy mety lo ity mety lo ity, ary tsy maintsy hitafy ny tsy mety maty ity mety maty ity.”​—1Ko 15:35-53.

“Maty” ny voa nafafy, ary avy eo mitsiry ka lasa zavamaniry vaovao tanteraka. Tsy maintsy maty koa ireo nofidin’Andriamanitra ho mpiara-mandova amin’ny Zanany. Hatsangana ho any an-danitra izy ireo, ka hanana vatana tsy mety lo sy tsy mety maty fa tsy ho nofo aman-dra intsony.

Manazava ny dikan’ilay famafazana resahin’ny Isaia 28:24 ny lahatsoratra hoe MIASA TANY.