Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpaminanivavy

Mpaminanivavy

Vehivavy maminany na manao ny asan’ny mpaminany. Mampita ny hafatr’Andriamanitra na mampahafantatra ny sitrapony no dikan’ny hoe maminany. (Jereo FAMINANIANA; MPAMINANY.) Mety hidika koa izy io hoe milaza ny hoavy. Toa an’ireo mpaminany ihany, dia nisy mpaminanivavy nampiasain’i Jehovah sy notarihin’ny fanahiny. Nisy koa anefa sandoka ka tsy nankasitrahany.

I Miriama, anabavin’i Mosesy, no voalohany resahin’ny Baiboly hoe mpaminanivavy. Tamin’ny alalan’ireo hira nataony angamba no nampitan’Andriamanitra hafatra. (Ek 15:20, 21) Nilaza tamin’i Mosesy àry izy sy Arona fa ‘niteny tamin’ny alalan’izy dahy koa’ i Jehovah. (No 12:2) Nirahin’i Jehovah handeha teo anoloan’ny Israelita niakatra avy tany Ejipta koa “i Mosesy sy Arona ary Miriama.” (Mi 6:4) Voninahitra lehibe ho an’i Miriama ny hoe nampiasain’Andriamanitra hampita ny teniny. Tsy nifandray akaiky be tamin’Andriamanitra anefa izy, tsy toa an’i Mosesy, ka nofaizin’Andriamanitra rehefa te hahazo fahefana bebe kokoa.​—No 12:1-15.

Nampiasain’i Jehovah i Debora, tamin’ny andron’ny Mpitsara, mba hampahafantatra ny didim-pitsarany sy ny toromariny, anisan’izany ny didy nomeny an’i Baraka. (Mpts 4:4-7, 14-16) Toy ny “reny teo amin’ny Israely” nivadi-pinoana sy tsy natanjaka àry izy. (Mpts 5:6-8) Nampahafantatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ilay firenena sy ny mpanjakany koa i Holda mpaminanivavy, tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka.​—2Mp 22:14-20; 2Ta 34:22-28.

Nantsoin’i Isaia hoe “mpaminanivavy” ny vadiny. (Is 8:3) Misy mpivaofy teny milaza fa nantsoina toy izany izy satria vadina mpaminany. Tsy manamarina ny tenin’izy ireo anefa ny Baiboly. Toa notendren’i Jehovah haminany kosa izy, toy ireo mpaminanivavy talohany.

Nanome tsiny an’i Noadia mpaminanivavy i Nehemia satria nitady hampitahotra azy izy sy “ny mpaminany hafa”, ka nanakantsakana ny fanorenana indray ny mandan’i Jerosalema. (Ne 6:14) Mety ho tena mpaminanivavy i Noadia taloha, saingy lasa nanohitra ny sitrapon’Andriamanitra izy.

Nilaza tamin’i Ezekiela i Jehovah fa nisy vehivavy israelita ‘naminany nefa izay tao am-pony fotsiny no nolazainy.’ Tsy nirahin’Andriamanitra izy ireny, fa nanendry tena sy naka tahaka an’ireo mpaminanivavy. (Ezk 13:17-19) ‘Nihaza olona’ izy ireny satria namandrika sy namitaka ary nampiely lainga, ka ny olo-marina indray no nomelohiny fa ny ratsy fanahy nalany tsiny. Novonjen’i Jehovah avy teny an-tanan’izy ireny anefa ny olony.​—Ezk 13:20-23.

Efa be taona i Ana mpaminanivavy tamin’i Jesosy teraka, ary mbola vahoakan’i Jehovah ny Jiosy tamin’izay. ‘Tonga tsy tapaka tao amin’ny tempoly izy, nanao fanompoana masina andro aman’alina sady nifady hanina no nitalaho tamim-bavaka.’ Azo lazaina hoe naminany izy rehefa “niresaka momba ilay zaza [Jesosy] tamin’izay rehetra niandry ny fanafahana an’i Jerosalema”, satria ‘nanambara’ ny fikasan’Andriamanitra.​—Lk 2:36-38.

Anisan’ny fanomezana mahagaga nomena ho an’ny fiangonana kristianina vao niforona ny fahaiza-maminany. Niasan’ny fanahy masina ny vehivavy kristianina sasany, toa an’ireo efa-bavy virjiny zanak’i Filipo, ka naminany. (As 21:9; 1Ko 12:4, 10) Tanteraka tamin’izay ny voalazan’ny Joela 2:28, 29 hoe: “Ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany.” (As 2:14-18) Mbola tsy maintsy nanaiky ny fahefan’ny vadiny sy ny an’ireo lehilahy teo anivon’ny fiangonana anefa izay vehivavy nahay naminany. Tsy maintsy nisaron-doha àry izy rehefa naminany (1Ko 11:3-6), ary tsy nahazo nampianatra teo anivon’ny fiangonana.​—1Ti 2:11-15; 1Ko 14:31-35.

Nisy vehivavy natao hoe Jezebela teo anivon’ny fiangonan’i Tyatira. Nihambo ho nahay naminany izy io ary nanahaka an’ireo mpaminanivavy sandoka taloha, ka nomelohin’i Kristy Jesosy. (Ap 2:20-23) Nampianatra hevi-diso sy nitaona ny Kristianina sasany hanao ratsy mantsy izy.