Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpaminany

Mpaminany

Olona mampahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany. (Lk 1:70; As 3:18-21) Tsy tena fantatra ny niavian’ny teny hebreo (naviʼ) nadika hoe mpaminany. Tsy mpanambara vaovao fotsiny anefa ny tena mpaminany matoa io teny io no nampiasaina. Mpitondra tenin’Andriamanitra kosa izy, ary “lehilahin’Andriamanitra” nampita hafatra avy aminy. (1Mp 12:22; 2Mp 4:9; 23:17) Nijoro “teo anivon’ireo akaiky” an’Andriamanitra izy, ary nampahafantarin’i Jehovah azy ny “tsiambaratelony.”​—Je 23:18; Am 3:7; 1Mp 17:1; jereo MPAHITA.

Midika ara-bakiteny hoe “olona sahy miteny” [gr.: prô, “aloha” na “eo anatrehan’ny” sy femi, “miteny”] ny teny grika hoe prôfetes, ka ilazana mpitory na mpampita hafatra lazaina fa avy amin’Andriamanitra. (Ampit. Tit 1:12, DIEM.) Tsy mpilaza ny hoavy àry no tena dikan’ny hoe mpaminany, na dia manana an’izay heviny izay ihany aza izy io. (Ampit. Mpts 6:7-10.) Tokony ho fantany ihany anefa hoe inona no fikasan’i Jehovah momba ny hoavy, raha tiany hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny ataony sy ny faniriany ary ny tanjony. Niresaka mivantana na an-kolaka momba ny hoavy àry ny hafatra nampitain’ny ankamaroan’ny mpaminany ao amin’ny Baiboly.

Ao amin’ny Soratra Hebreo. I Adama no mpitondra tenin’Andriamanitra voalohany. Azo lazaina hoe mpaminany izy satria nampita ny toromarik’Andriamanitra tamin’i Eva vadiny. Tsy mahakasika ny fiainan’izy mivady fotsiny ireo toromarika ireo, fa mahakasika ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona koa ary izay tsy maintsy ataon’ny olona mba hananany hoavy tsara. (Ge 1:26-30; 2:15-17, 23, 24; 3:1-3) I Enoka no mpaminany voalohany tsy nivadika, ary naminany momba ny hoavy izy. (Jd 14, 15) I Lameka sy Noa zanany koa samy nanambara ny fikasan’Andriamanitra sy ny sitrapony.​—Ge 5:28, 29; 9:24-27; 2Pe 2:5.

I Abrahama no voalohany nantsoina hoe naviʼ. (Ge 20:7) Tsy nilaza ny hoavy tamin’ny olon-drehetra izy. Nomen’Andriamanitra fampanantenana mirakitra faminaniana anefa izy, ka tsy andriny erỳ ny ‘hanambara’ izany, indrindra fa tamin’ny fianakaviany, sy hanazava ny antony nandaozany an’i Ora. (Ge 12:1-3; 13:14-17; 22:15-18) ‘Mpaminany’ nifandray akaiky tamin’Andriamanitra koa i Isaka sy Jakoba, izay samy mpandova an’ilay fampanantenana. (Sl 105:9-15) Naminany momba ny hoavin’ny zanany izy ireo, rehefa nitso-drano azy. (Ge 27:27-29, 39, 40; 49:1-28) Taranak’i Jakoba (Israelita) daholo ny mpaminany nampiasain’Andriamanitra taorian’izay ka hatramin’ny taonjato voalohany, afa-tsy i Joba sy Eliho, izay nampiasainy hampahafantatra ny fahamarinana talohan’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta.

Nisongadina kokoa hoe mpitondra tenin’Andriamanitra ny mpaminany, tamin’ny andron’i Mosesy. Notendren’i Jehovah ho ‘mpaminany’ na “vava” ho an’i Mosesy, ohatra, i Arona, ary i Mosesy kosa “ho Andriamanitra eo anatrehany.” (Ek 4:16; 7:1, 2) Mpaminany koa i Mosesy ary tsy ela dia tanteraka ny faminaniana maro nolazainy, anisan’izany ny Loza Folo. Rehefa nampahafantatra ny fifaneken’ny Lalàna tao Sinay sy nampianatra ny firenen’Israely momba ny sitrapon’Andriamanitra anefa izy, vao tena niharihary hoe mpaminany na mpitondra tenin’Andriamanitra. Tena nahasoa an’ireo Israelita ny Lalàna satria nitari-dalana sy nanoro azy izay fitondran-tena mety. Aloky ny ‘zavatra tsara kokoa ho avy’ koa anefa izy io. (Ga 3:23-25; He 8:6; 9:23, 24; 10:1) Mpaminany niavaka tokoa i Mosesy satria nifampiresaka matetika tamin’Andriamanitra izy, sady nanampy an’ireo Israelita hahazo bebe kokoa hoe inona no sitrapon’i Jehovah sy fikasany. (Ek 6:2-8; De 34:10) Mpaminany koa i Arona sy Miriama iray tam-po aminy satria nampita hafatra na torohevitra (tsy voatery hoe momba ny hoavy) avy tamin’Andriamanitra, toy ny nataon’ireo anti-panahy 70 teo amin’ilay firenena.​—Ek 15:20; No 11:25; 12:1-8.

I Debora ihany no mpaminany resahin’ny bokin’ny Mpitsara (Mpts 4:4-7; 5:7), ankoatra an’ilay lehilahy tsy voatonona anarana ao amin’ny Mpitsara 6:8. Marina fa tsy hita ao amin’ilay boky ny teny hoe naviʼ, nefa tsy midika akory izany hoe tsy nisy mpaminany hafa tamin’izany. Voalaza fa “nahalana ny teny avy tamin’i Jehovah” tamin’ny andron’i Samoela, “sady tsy dia nisy firy ny fahitana.” Hatramin’ny mbola kely anefa i Samoela dia efa mpitondra tenin’Andriamanitra, ary ‘neken’ny rehetra ho mpaminanin’i Jehovah’ izy satria tanteraka daholo ny hafatr’Andriamanitra nampitainy.​—1Sa 3:1-14, 18-21.

Saika nisy mpaminany foana rehefa mpanjaka indray no nitondra. (Ampit. As 3:24.) Nanomboka naminany i Gada talohan’ny nahafatesan’i Samoela (1Sa 22:5; 25:1), ary nitana andraikitra lehibe izy sy Natana mpaminany tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka. (2Sa 7:2-17; 12:7-15; 24:11-14, 18) Mpanolo-tsain’ny mpanjaka sy mpanoratra tantara izy mirahalahy, toy ny mpaminany hafa tatỳ aoriana. (1Ta 29:29; 2Ta 9:29; 29:25; 12:15; 25:15, 16) Na i Davida aza nampita ny hafatr’Andriamanitra, ka nantsoin’ny apostoly Petera hoe “mpaminany.” (As 2:25-31, 34) Nisy mpaminany tsy nivadika tany avaratra sy tany atsimo, rehefa nizara roa ny fanjakana. Nisy tamin’izy ireny naminany teo anatrehan’ny mpitondra sy ny vahoaka tao amin’ireo fanjakana roa. Anisan’ny mpaminany velona tany an-tsesitany sy taorian’ny sesitany i Daniela, Hagay, Zakaria, ary Malakia.

Nandray anjara be tamin’ny fampandrosoana ny fivavahana marina ny mpaminany. Nisakana an’ireo mpanjakan’ny Israely sy Joda tsy hanao izay tiany fotsiny izy ireo, satria sahy nananatra an’izay nania (2Sa 12:1-12) sady nanambara ny fanamelohan’Andriamanitra an’ireo nikiry nanao ratsy. (1Mp 14:1-16; 16:1-7, 12) Nanatanjaka ny finoan’ny olo-marina sisa tavela izy ireo, rehefa nivadika sy nanao ratsy ny mpisorona. Izy ireo koa no nanoro an’izay tokony hatao mba hahazoana sitraka indray tamin’Andriamanitra. Imbetsaka ny mpaminany no nivavaka ho an’ny mpanjaka sy ny vahoaka, toy ny nataon’i Mosesy. (De 9:18-29; 1Mp 13:6; 2Mp 19:1-4; ampit. Je 7:16; 14:11, 12.) Nandritra ny fotoan-tsarotra izy ireo no tena niasa mafy. Nanome fanantenana ho an’ny olona izy ireo, satria ny fitahiana hoentin’ny fanjakan’ny Mesia no nambarany indraindray. Tsy ny olona velona tamin’izany ihany àry no nandray soa tamin’ilay faminaniana fa ny taranaka ho avy koa, anisan’izany isika. (1Pe 1:10-12) Nalam-baraka sy nesoina ary nampijalina anefa izy ireo. (2Ta 36:15, 16; Je 7:25, 26; He 11:32-38) Nisy kosa nandray tsara azy ireo, ka nahazo fitahiana maro.​—1Mp 17:8-24; 2Mp 4:8-37; ampit. Mt 10:41.

Fanendrena sy fitarihan’ny fanahy. Tsy nifandovana ny asan’ny mpaminany. Mpaminany maromaro anefa no Levita, toa an’i Samoela, Zakaria zanak’i Joiada, Jeremia, Ezekiela, ary nisy lasa mpaminany ny zanaky ny mpaminany sasany. (1Mp 16:7; 2Ta 16:7) Tsy nanendry tena koa ny mpaminany, fa Andriamanitra no nifidy sy nanendry azy tamin’ny alalan’ny fanahiny. (No 11:24-29; Ezk 1:1-3; Am 7:14, 15) Io fanahy io no nanoro azy izay tokony hambarany. (As 28:25; 2Pe 1:21) Tsy tonga dia nanaiky an’ilay fanendrena ny mpaminany sasany. (Ek 3:11; 4:10-17; Je 1:4-10) I Elia no nampiasain’Andriamanitra hanendry an’i Elisa ho mpandimby azy, rehefa natsipin’i Elia teny aminy ny akanjony.​—1Mp 19:19-21.

Notendren’ny fanahin’i Jehovah ny mpaminany, kanefa tsy hoe avy amin’ny fanahy daholo ny teny nolazainy. Indraindray kosa vao ‘tonga taminy’ ny fanahin’Andriamanitra, sy nampahafantatra azy izay tokony holazainy. (Ezk 11:4, 5; Mi 3:8) Nanentana azy hiteny io fanahy io. (1Sa 10:10; Je 20:9; Am 3:8) Nanao zavatra tsy nahazatra izy sady hita tamin’ny teniny sy ny fihetsiny hoe nafana fo sy nientanentana be izy. Izany angamba no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘manao hoatran’ny mpaminany.’ (1Sa 10:6-11; 19:20-24; Je 29:24-32; ampit. As 2:4, 12-17; 6:15; 7:55.) Hafahafa na adaladala mihitsy aza angamba no fahitan’ny olona azy, noho izy sahisahy sy be zotom-po ary nifantoka tanteraka tamin’ny asa nanirahana azy. Izany, ohatra, no fahitan’ireo lehiben’ny tafika an’ilay mpaminany tonga nanosotra an’i Jeho. Ninoan’izy ireo anefa ny tenin’ilay lehilahy, rehefa fantatr’izy ireo hoe mpaminany izy. (2Mp 9:1-13; ampit. As 26:24, 25.) “Nanao hoatran’ny mpaminany” koa i Saoly rehefa nanenjika an’i Davida. Nesoriny ny akanjony ary nandry “nitanjaka [izy] nandritra iny andro iny sy ny alina tontolo”, ka afa-nandositra i Davida. (1Sa 19:18–20:1) Tsy hoe fanaon’ny mpaminany ny nandeha nitanjaka, satria ny mifanohitra amin’izany no resahin’ny Baiboly. Mpaminany roa monja no voalaza fa nandeha nitanjaka, ankoatra an’i Saoly, mba hampisehoana ny fomba hahatanterahan’ny faminaniany. (Is 20:2-4; Mi 1:8-11) Tsy hay hoe nahoana i Saoly no nitanjaka. Tiana haseho angamba hoe toy ny olon-drehetra ihany izy rehefa tsy nanao ny akanjon’ny mpanjaka, ary tsy afa-nanoatra nanoloana ny fahefana sy ny herin’i Jehovah Mpanjaka.

Toy izao avy ny fomba nampitan’i Jehovah hafatra tamin’ny mpaminany: Teny nampitain’ny anjely (Ek 3:2-4; ampit. Lk 1:11-17; He 1:1, 2; 2:1, 2), fahitana nandentika tsara an’ilay hafatra tao an-tsain’ilay mpaminany ( Is 1:1; Ha 1:1; As 10:10, 11; 22:17-21), ary nofy na fahitana amin’ny alina raha mbola natory izy (Da 7:1). Nety ho nanampy an’ilay mpaminany handray ny hafatr’Andriamanitra koa ny mozika, indraindray. (1Sa 10:5; 2Mp 3:15) Maro koa ny fomba nampitan’ny mpaminany an’ilay hafatra. (He 1:1) Naminany teny amin’ny toerana be olona izy na tany amin’ny faritra vitsy mponina. (Je 7:1, 2; 36:4-13; Mt 3:3) Mety hanao zavatra izy, toa an’i Hosea nanambady an’i Gomera, na hampiasa zavatra, toa an’i Ezekiela nampiasa biriky mba hampisehoana fa hatao fahirano i Jerosalema.​—Ezk 4:1-3; Ho 1:2, 3; ampit. 1Mp 11:30-39; 2Mp 13:14-19; Je 19:1, 10, 11; jereo FAHITANA; FANAHY, AVY AMIN’NY; NOFY.

Tena izy sy sandoka. Nanao fahagagana ny mpaminany toa an’i Mosesy, Elia, Elisa, ary Jesosy, mba hanaporofoana fa tena nirahin’Andriamanitra izy ireo ary marina ny hafatra nambarany. Tsy ny rehetra anefa no nanao fahagagana. Ireto zavatra telo ireto no amantarana ny tena mpaminany: Miteny amin’ny anaran’i Jehovah izy; tanteraka ny faminaniany (De 18:20-22); ary mampandroso ny fivavahana marina ny faminaniany, izany hoe mifanaraka amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny didiny (De 13:1-4). Io fahatelo io angamba no tena zava-dehibe satria nisy olona mody nampiasa ny anaran’Andriamanitra, ary nety ho tanteraka noho ny kisendrasendra fotsiny ny zavatra nambarany. Tsy mpanambara ny hoavy fotsiny anefa ny tena mpaminany, fa niaro ny fahamarinana koa sady nanoro hoe inona no fitsipi-pitondran-tena tokony harahina. Nohazavainy koa ny fihevitr’Andriamanitra. (Is 1:10-20; Mi 6:1-12) Tsy voatery ho niandry ny fahatanterahan’ilay faminaniana ela be tatỳ aoriana àry vao fantatra hoe tena mpaminany sa tsia ny olona iray. Sandoka izy raha nifanohitra tamin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fitsipiny ny faminaniany. Nisy, ohatra, nilaza fa hiadana ny Israely na ny Joda, nefa tsy niraharaha ny Tenin’Andriamanitra sy ny Lalàny akory ilay firenena.​—Je 6:13, 14; 14:11-16.

Nampitandrina koa i Jesosy fa mampiasa ny anarany sy ‘manao famantarana sy fahagagana’ ny mpaminany sandoka “mba hampivily lalana” ny olona, nefa ny voa vokarin’izy ireo no ahafantarana fa “mpandika lalàna” izy ireo.​—Mt 7:15-23; Mr 13:21-23; ampit. 2Pe 2:1-3; 1Jn 4:1-3.

Tsy natao hampifaliana an’ireo te hahafanta-javatra fotsiny ny hafatry ny tena mpaminany. Momba ny sitrapon’Andriamanitra, ny fikasany, ny fitsipiny, na ny didim-pitsarany kosa ny faminaniana rehetra. (1Mp 11:29-39; Is 7:3-9) Matetika no nilaza mialoha an’izay hanjo ny firenena ny mpaminany satria hijinja izay nafafiny izy ireo. Ny mpaminany sandoka kosa nanome toky ny vahoaka sy ny mpitondra hoe hiaro sy hitahy azy ireo Andriamanitra, na dia nanao ratsy aza izy ireo. (Je 23:16-20; 28:1-14; Ezk 13:1-16; ampit. Lk 6:26.) Nampiasa fanoharana sy famantarana toy ny nataon’ny tena mpaminany izy ireo. (1Mp 22:11; Je 28:10-14) Nisy tena mpamitaka, fa ny ankamaroany kosa nandika lalàna na nivadi-pinoana. (Ampit. 1Mp 18:19; 22:5-7; Is 28:7; Je 23:11-15.) Vehivavy ny sasany tamin’ireo. (Ezk 13:17-23; ampit. Ap 2:20.) “Fanahin’ny fahalotoana” no niasa taminy fa tsy ny fanahin’Andriamanitra. Tsy maintsy novonoina àry ny mpaminany sandoka rehetra.​—Za 13:2, 3; De 13:5.

Tanteraka androtr’iny ihany na tao anatin’ny taona iray ny faminaniana sasany nambaran’ireo tena mpaminanin’Andriamanitra. Izany no antoka fa ho tanteraka koa ny faminaniany momba ny hoavy.​—1Mp 13:1-5; 14:12, 17; 2Mp 4:16, 17; 7:1, 2, 16-20.

“Zanaky ny mpaminany.” Hazavain’ny Fitsipi-pitenenana Hebreo Nataon’i Gesenius (Oxford, 1952, p. 418) fa mety hidika hoe “anisana fikambanana (na foko na sokajin’olona)” ny teny hebreo hoe ben (zanak’i, tkn.) na beneh (zanak’i, mr.). (Ampit. Nehemia 3:8. Midika ara-bakiteny hoe “zanaky ny mpanamboatra menaka fanosorana” eo ilay hoe “anisan’ny mpanamboatra menaka fanosorana.”) Mety ho sekoly niofanan’ireo voantso ho mpaminany na fikambanana mpaminany àry ilay hoe “zanaky ny mpaminany.” Nisy azy ireo tao Betela sy Jeriko ary Gilgala. (2Mp 2:3, 5; 4:38; ampit. 1Sa 10:5, 10.) Niandraikitra an’ireo zanaky ny mpaminany tao Rama i Samoela (1Sa 19:19, 20), ary toa nitana andraikitra toy izany koa i Elisa. (2Mp 4:38; 6:1-3; ampit. 1Mp 18:13.) Ireo mpaminany ihany no nanorina ny tranony, ary mety ho tena tsotra ny fiainany matoa fitaovana nindramina no nampiasainy. Toa samy hafa anefa ny fanendrena azon’ny mpaminany, na dia niara-nipetraka sy niara-nisakafo aza izy ireo matetika.​—1Mp 20:35-42; 2Mp 4:1, 2, 39; 6:1-7; 9:1, 2.

Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Ny teny grika hoe prôfetes no mifanitsy amin’ny teny hebreo hoe naviʼ. Naminany momba ny asa hampanaovin’Andriamanitra an’i Jaona zanany i Zakaria mpisorona. Nilaza izy fa “hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo Indrindra” i Jaona. (Lk 1:76) Nitovy tamin’ny an’ny mpaminany hebreo taloha ny fiainana tsotra nananan’i Jaona Mpanao Batisa sy ny hafatra nambarany. Maro no niaiky fa mpaminany izy, ary na i Heroda aza natahotra ny hanisy ratsy azy. (Mr 1:4-6; Mt 21:26; Mr 6:20) I Jesosy kosa nilaza fa “mihoatra lavitra noho ny mpaminany” i Jaona.​—Mt 11:7-10; ampit. Lk 1:16, 17; Jn 3:27-30.

I Jesosy Mesia “Ilay Mpaminany” nambaran’i Mosesy mialoha sy nandrasana hatry ny ela. (Jn 1:19-21, 25-27; 6:14; 7:40; De 18:18, 19; As 3:19-26) Nahavita fahagagana sy nanana fahalalana miavaka izy, ka niaiky ny olona fa mpaminany izy. (Lk 7:14-16; Jn 4:16-19; ampit. 2Mp 6:12.) Izy no mpaminany “akaiky” indrindra an’Andriamanitra. (Je 23:18; Jn 1:18; 5:36; 8:42) Nanonona ny tenin’ny mpaminany taloha foana izy mba hanaporofoana fa Andriamanitra no nanendry azy. (Mt 12:39, 40; 21:42; Lk 4:18-21; 7:27; 24:25-27, 44; Jn 15:25) Naminany izy fa hisy hamadika sy hamono, ho faty any Jerosalema tanàna “mpamono ny mpaminany”, handao azy ny mpianany, handa azy intelo i Petera, ary hatsangana amin’ny maty izy amin’ny andro fahatelo. Efa voalazan’ny Soratra Hebreo ny ankamaroan’ireo faminaniana ireo. (Lk 13:33, 34; Mt 20:17-19; 26:20-25, 31-34) Nilaza koa izy fa horavana i Jerosalema sy ny tempoliny. (Lk 19:41-44; 21:5-24) Nahita ny fahatanterahan’ireo rehetra ireo ny olona nandre azy, ka vao mainka nino sy natoky fa ho tanteraka ny faminaniany momba ny fanatrehany.​— Ampit. Mt 24; Mr 13; Lk 21.

Nilatsahan’ny fanahin’Andriamanitra ireo mpianatra nivory tao Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33, araka ny efa voalaza mialoha, ka ‘naminany sy nahita fahitana.’ Nitory “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra” àry izy ireo, ary nampahafantatra momba ny Zanak’Andriamanitra sy ny tokony hataon’ireo nitoriany. (As 2:11-40) Tsarovy fa tsy voatery hilaza ny hoavy foana akory ny mpaminany. Nilaza i Paoly fa ‘izay maminany dia mampahery sy mandrisika ary mampionona ny olona amin’izay lazainy.’ Tanjona tsara azon’ny Kristianina rehetra tratrarina ny hoe maminany, hoy izy. Famantarana ho an’ny tsy mpino ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa, fa ho an’ny mpino kosa ny faminaniana. Na ny tsy mpino tonga nivory aza nandray soa rehefa nisy naminany, satria tsapany fa nananatra sy nandinika tsara azy ny rehetra ka ‘niharihary izay niafina tao am-pony.’ (1Ko 14:1-6, 22-25) Tsy nilaza ny hoavy fotsiny àry ny mpaminany kristianina, fa nilaza ny zava-nisy tamin’izany koa. Avy tamin’Andriamanitra anefa ny hafatra nambarany. Nampirisihin’i Paoly ny mpaminany teo anivon’ny fiangonana mba hifehy ny fahaizany maminany, ka hilamina tsara fa tsy hiara-miteny daholo. Ho afaka hianatra sy hahazo fampaherezana ny rehetra amin’izay.​—1Ko 14:29-33.

Nisy ihany olona voafidy ho mpaminany na nahay naminany. (1Ko 12:4-11, 27-29) Nahay naminany, ohatra, i Paoly nefa apostoly no tena nahalalana azy. (Ampit. As 20:22-25; 27:21-26, 31, 34; 1Ko 13:2; 14:6.) Toa mpitondra teny niavaka nanarakaraka an’ireo apostoly ny Kristianina voatendry ho mpaminany, toa an’i Agabo sy Jodasy ary Silasy. (1Ko 12:28; Ef 4:11) Tsy teo anivon’ny fiangonany fotsiny izy ireo no nanompo fa nitety faritra toy ny nataon’ny apostoly koa, ary nanao lahateny sy naminany momba ny hoavy. (As 11:27, 28; 13:1; 15:22, 30-33; 21:10, 11) Toy ny taloha ihany, dia nisy vehivavy naminany koa teo anivon’ny fiangonana nefa nanaiky ny fahefan’ny lehilahy kristianina foana izy ireo.​—As 21:9; 1Ko 11:3-5.