Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpamonjy

Mpamonjy

Mpiaro na mpanafaka amin’ny loza na fandringanana. I Jehovah no Mpamonjy lehibe indrindra, ary tsy misy Mpanafaka ankoatra azy. (Is 43:11; 45:21) Imbetsaka izy no namonjy sy nanafaka ny Israely. (Sl 106:8, 10, 21; Is 43:3; 45:15; Je 14:8) Tsy ilay firenena ihany no novonjeny, fa ny mpanompony tsirairay koa. (2Sa 22:1-3) Matetika no nisy olona notendreny ho mpamonjy. (Ne 9:27) Nifidy mpitsara izy, ohatra, ka nanome hery azy ireny mba hanafaka ny Israely teo an-tanan’ireo firenena nampahory azy. (Mpts 2:16; 3:9, 15) Nanampy an’ireo Israelita handeha tamin’ny lala-mahitsy ilay mpitsara, ka tsy nampijalin’ny fahavalony izy ireo tamin’ny androny. (Mpts 2:18) I Jehovah no Mpamonjy an’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany. Nampiany sy nomeny hery izy mba tsy hivadika na dia niharam-pitsapana mafy aza.​—He 5:7; Sl 28:8.

Tsy hoe Mpamonjy fotsiny i Jehovah fa “Mpanavotra” koa. (Is 49:26; 60:16) Nanavotra ny Israely babo izy taloha. Manafaka ny Kristianina amin’ny ota koa izy, ka i Jesosy Kristy Zanany no nampiasainy hanavotra azy ireo. (1Jn 4:14) Nasandratra ho “Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpamonjy” i Jesosy avy eo. (As 5:31) Mety àry ny iantsoana azy hoe “Mpamonjy antsika”, na dia irak’i Jehovah fotsiny aza izy. (Tit 1:4; 2Pe 1:11) Midika hoe “I Jehovah dia Famonjena” ny hoe Jesosy. Nasain’ilay anjely nantsoina hoe Jesosy àry ilay Zanak’Andriamanitra, satria “izy no hamonjy ny fireneny ho afaka amin’ny fahotan’izy ireo.” (Mt 1:21; Lk 1:31) Hita amin’io anarana io hoe avy amin’i Jehovah ny famonjena, ary notanterahiny tamin’ny alalan’i Jesosy ilay izy. Izany no antony iantsoana ny Ray sy ny Zanaka hoe Mpamonjy.​—Tit 2:11-13; 3:4-6.

Mamonjy “ny karazan’olona rehetra” amin’ny alalan’i Jesosy Kristy i Jehovah. (1Ti 4:10) Afahany amin’ny ota sy ny fahafatesana izy ireo (Ro 8:2), amin’ny Babylona Lehibe (Ap 18:2, 4), amin’ny tontolon’i Satana (Jn 17:16; Kl 1:13), ary amin’ny fandringanana sy ny fahafatesana mandrakizay. (Ap 7:14-17; 21:3, 4) Milaza ny “vahoaka be” fa avy amin’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry ny famonjena azy ireo.​—Ap 7:9, 10.

Ny sorom-panavotan’i Kristy Jesosy no ahazoantsika famonjena. Mpanjaka sy Mpisoronabe mandrakizay izy, ka manana fahefana sy hery ‘hamonjena tanteraka an’ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany.’ (He 7:23-25; Ap 19:16) ‘Mpamonjy ny vatana’ na ny fiangonan’ireo mpianany voahosotra izy, sady mpamonjy an’izay rehetra maneho finoana azy.​—Ef 5:23; 1Jn 4:14; Jn 3:16, 17.